< Ohabolana 4 >

1 Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
Hear, ye children, the instruction of a father, And attend, that ye may learn understanding!
2 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
For I give you good instruction; Forsake ye not my commandments.
3 Fa zanak’ ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason’ ineny.
For I was my father's son, A tender and only child in the sight of my mother.
4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
He taught me, and said to me, Let thy heart hold fast my words; Keep my commandments, and live.
5 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
Get wisdom, get understanding; Forget not, and depart not from, the words of my mouth.
6 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
Forsake her not, and she will guard thee: Love her, and she will preserve thee.
7 Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
Wisdom is the principal thing; therefore gain wisdom, And with all thy gain, gain understanding.
8 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
Exalt her, and she will promote thee; She will bring thee to honor, when thou dost embrace her;
9 Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
She will give to thy head a graceful wreath, A beautiful crown will she bestow upon thee.
10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
Hear, O my son! and receive my sayings! So shall the years of thy life be many.
11 Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin’ ny lalana mahitsy aho.
I have taught thee the way of wisdom, I have guided thee in the right path.
12 Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
When thou goest, thy steps shall not be confined; And, when thou runnest, thou shalt not stumble.
13 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
Take fast hold of instruction; let her not go; Keep her, for she is thy life.
14 Aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy.
Enter not into the path of the wicked, And go not in the way of evil men;
15 Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
Avoid it, pass not upon it, Turn from it, and go away.
16 Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
For they sleep not, unless they have done mischief; Yea, their sleep is taken away, unless they have caused some to fall.
17 Fa mihinana ny mofon’ ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain’ ny fahalozàna.
For they eat the bread of wickedness, And drink the wine of violence.
18 Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
But the path of the righteous is as the light of dawn, Which groweth brighter and brighter unto the perfect day.
19 Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
The way of the wicked is as thick darkness; They know not at what they stumble.
20 Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
My son, attend to my words; Incline thine ear to my sayings;
21 Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
Let them not depart from thine eyes; Keep them in the midst of thy heart!
22 Fa aina ho an’ ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ ny nofony rehetra.
For they are life to those who find them, And health to all their flesh.
23 Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina.
More than any thing which thou watchest, watch thy heart; For from it goeth forth life.
24 Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
Put away from thee a deceitful mouth, And remove far from thee perverse lips.
25 Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
Let thine eyes look straight forward, And thine eyelids be directed before thee.
26 Ataovy marina ny alehan’ ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;
Give heed to the path of thy foot, And let all thy ways be steadfast.
27 Aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia; Esory amin’ ny ratsy ny tongotrao.
Turn not to the right hand or to the left; Remove thy foot from evil.

< Ohabolana 4 >