< Ohabolana 31 >

1 Ny tenin’ i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.
Misemo ya Mfalme Lemueli, usia wa mama yake aliyomfundisha:
2 Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
“Ee mwanangu, ee mwana wa tumbo langu, ee mwana wa nadhiri zangu,
3 Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an’ izay manimba mpanjaka.
Usitumie nguvu zako kwa wanawake, uhodari wako kwa wale wanaowaharibu wafalme.
4 Tsy mety amin’ ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin’ ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin’ ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
“Ee Lemueli, haifai wafalme, haifai wafalme kunywa mvinyo, haifai watawala kutamani sana kileo,
5 Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
wasije wakanywa na kusahau vile sheria inavyoamuru na kuwanyima haki zao wote walioonewa.
6 Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an’ izay malahelo azon’ ny fangidiam-panahy;
Wape kileo wale wanaoangamia, mvinyo wale walio na uchungu,
7 Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
Wanywe na kusahau umaskini wao na wasikumbuke taabu yao tena.
8 Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;
“Sema kwa ajili ya wale wasioweza kujisemea, kwa ajili ya haki za wote walioachwa ukiwa.
9 Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
Sema na uamue kwa haki, tetea haki za maskini na wahitaji.”
10 Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
Mke mwenye sifa nzuri, ni nani awezaye kumpata? Yeye ni wa thamani sana kuliko marijani.
11 Matoky azy ny fon’ ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
Mume wake anamwamini kikamilifu wala hakosi kitu chochote cha thamani.
12 Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin’ ny andro rehetra iainany.
Humtendea mumewe mema, wala si mabaya, siku zote za maisha yake.
13 Mizaha volon’ ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin’ ny tànany.
Huchagua sufu na kitani naye hufanya kazi kwa mikono yenye bidii.
14 Toy ny sambon’ ny mpandranto izy, Ka avy any amin’ ny lavitra no itondrany ny haniny.
Yeye ni kama meli za biashara akileta chakula chake kutoka mbali.
15 Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an’ ny ankohonany Sy anjara ho an’ ny ankizivaviny.
Yeye huamka kungali bado giza huwapa jamaa yake chakula na mafungu kwa watumishi wake wa kike.
16 Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
Huangalia shamba na kulinunua, kutokana na mapato yake hupanda shamba la mizabibu.
17 Misikìna hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
Hufanya kazi zake kwa nguvu, mikono yake ina nguvu kwa ajili ya kazi zake.
18 Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
Huona kwamba biashara yake ina faida, wala taa yake haizimiki usiku.
19 Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
Huweka mikono yake kwenye pia, navyo vidole vyake hushikilia kijiti chenye uzi.
20 Manatsotra ny tànany amin’ ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin’ ny mahantra.
Huwanyooshea maskini mikono yake na kuwakunjulia wahitaji vitanga vyake.
21 Tsy manahy ny oram-panala ho amin’ ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ ondry mena avokoa.
Theluji ishukapo, hana hofu kwa ajili ya watu wa nyumbani mwake, kwa maana wote wamevikwa nguo za kutia joto.
22 Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
Hutengeneza mazulia ya urembo ya kufunika kitanda chake, yeye huvaa kitani safi na urujuani.
23 Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin’ ny loholona.
Mume wake anaheshimiwa kwenye lango la mji, aketipo miongoni mwa wazee wa nchi.
24 Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin’ ny mpandranto.
Hutengeneza mavazi ya kitani na kuyauza, naye huwauzia wafanyabiashara mishipi.
25 Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
Amevikwa nguvu na heshima, anaweza kucheka bila kuwa na hofu kwa siku zijazo.
26 Manokatra ny vavany amin’ ny fahendrena izy; Ary ny lalàn’ ny famindram-po no eo amin’ ny lelany.
Huzungumza kwa hekima na mafundisho ya kuaminika yapo ulimini mwake.
27 Mitandrina tsara ny ataon’ ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon’ ny fahalainana.
Huangalia mambo ya nyumbani mwake wala hali chakula cha uvivu.
28 Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
Watoto wake huamka na kumwita aliyebarikiwa, mumewe pia humsifu, akisema:
29 Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.
“Wanawake wengi hufanya vitu vyenye sifa nzuri, lakini wewe umewapita wote.”
30 Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’ i Jehovah ihany no hoderaina.
Kujipamba ili kuvutia ni udanganyifu na uzuri unapita upesi, bali mwanamke anayemcha Bwana atasifiwa.
31 Omeo azy ny avy amin’ ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.
Mpe thawabu anayostahili, nazo kazi zake na zimletee sifa kwenye lango la mji.

< Ohabolana 31 >