< Ohabolana 31 >
1 Ny tenin’ i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.
These are the words of King Lemuel—the burden that his mother taught him:
2 Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
What shall I say, O my son? What, O son of my womb? What, O son of my vows?
3 Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an’ izay manimba mpanjaka.
Do not spend your strength on women or your vigor on those who ruin kings.
4 Tsy mety amin’ ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin’ ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin’ ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
It is not for kings, O Lemuel, it is not for kings to drink wine, or for rulers to crave strong drink,
5 Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
lest they drink and forget what is decreed, depriving all the oppressed of justice.
6 Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an’ izay malahelo azon’ ny fangidiam-panahy;
Give strong drink to one who is perishing, and wine to the bitter in soul.
7 Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
Let him drink and forget his poverty, and remember his misery no more.
8 Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;
Open your mouth for those with no voice, for the cause of all the dispossessed.
9 Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
Open your mouth, judge righteously, and defend the cause of the poor and needy.
10 Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
A wife of noble character, who can find? She is far more precious than rubies.
11 Matoky azy ny fon’ ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
The heart of her husband trusts in her, and he lacks nothing of value.
12 Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin’ ny andro rehetra iainany.
She brings him good and not harm all the days of her life.
13 Mizaha volon’ ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin’ ny tànany.
She selects wool and flax and works with eager hands.
14 Toy ny sambon’ ny mpandranto izy, Ka avy any amin’ ny lavitra no itondrany ny haniny.
She is like the merchant ships, bringing her food from afar.
15 Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an’ ny ankohonany Sy anjara ho an’ ny ankizivaviny.
She rises while it is still night to provide food for her household and portions for her maidservants.
16 Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
She appraises a field and buys it; from her earnings she plants a vineyard.
17 Misikìna hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
She girds herself with strength and shows that her arms are strong.
18 Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
She sees that her gain is good, and her lamp is not extinguished at night.
19 Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
She stretches out her hands to the distaff and grasps the spindle with her fingers.
20 Manatsotra ny tànany amin’ ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin’ ny mahantra.
She opens her arms to the poor and reaches out her hands to the needy.
21 Tsy manahy ny oram-panala ho amin’ ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ ondry mena avokoa.
When it snows, she has no fear for her household, for they are all clothed in scarlet.
22 Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
She makes coverings for her bed; her clothing is fine linen and purple.
23 Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin’ ny loholona.
Her husband is known at the city gate, where he sits among the elders of the land.
24 Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin’ ny mpandranto.
She makes linen garments and sells them; she delivers sashes to the merchants.
25 Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
Strength and honor are her clothing, and she can laugh at the days to come.
26 Manokatra ny vavany amin’ ny fahendrena izy; Ary ny lalàn’ ny famindram-po no eo amin’ ny lelany.
She opens her mouth with wisdom, and faithful instruction is on her tongue.
27 Mitandrina tsara ny ataon’ ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon’ ny fahalainana.
She watches over the affairs of her household and does not eat the bread of idleness.
28 Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
Her children rise up and call her blessed; her husband praises her as well:
29 Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.
“Many daughters have done noble things, but you surpass them all!”
30 Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’ i Jehovah ihany no hoderaina.
Charm is deceptive and beauty is fleeting, but a woman who fears the LORD is to be praised.
31 Omeo azy ny avy amin’ ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.
Give her the fruit of her hands, and let her works praise her at the gates.