< Ohabolana 3 >

1 Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
Mwana na Ngai, kobosana mateya na ngai te, kasi batela mibeko na ngai kati na motema na yo;
2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
pamba te ekoyeisa mikolo ya bomoi na yo milayi, ekobakisa mibu ebele na bomoi na yo mpe ekomemela yo kimia.
3 Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka,
Tika ete bolamu mpe bosolo ekabwana na yo te, linga yango zingazinga na kingo na yo, mpe koma yango na etando ya motema na yo!
4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao.
Okozwa ngolu mpe kombo ya malamu na miso ya Nzambe mpe na miso ya bato.
5 Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao;
Ndimela Yawe na motema na yo mobimba, mpe kotia motema te na mayele na yo.
6 Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
Yebaka Ye na banzela na yo nyonso, mpe Ye akokomisa yango alima.
7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Tika ete omimonaka te moto ya bwanya na miso na yo moko; tosa Yawe mpe longwa na mabe.
8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
Ekozala kisi mpo na kokomisa nzoto na yo kolongono mpe kolendisa mikuwa na yo.
9 Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;
Pesaka Yawe lokumu na nzela ya biloko na yo mpe ya bambuma ya liboso ya bozwi na yo nyonso.
10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.
Bongo bibombelo na yo ekotonda na biloko, mpe bambeki na yo ekotonda na vino.
11 Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany;
Mwana na ngai, yamba toli ya Yawe, koboya te pamela na Ye;
12 Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany.
pamba te Yawe apamelaka moto oyo Ye alingaka, ndenge kaka tata apamelaka mwana na ye, oyo alingaka.
13 Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
Esengo na moto oyo amoni bwanya! Esengo na moto oyo azwi mayele!
14 Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
Pamba te kozala na yango eleki kozala na palata na motuya, mpe lifuti na yango eleki wolo oyo balekisi na moto na motuya.
15 Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.
Ezali na motuya koleka babiju, mpe eloko moko te oyo moto akoki koluka ekokani na yango.
16 Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
Kati na loboko na Ye ya mobali, ezali na bomoi ya molayi; mpe kati na loboko na Ye ya mwasi, ezali na lokumu mpe bomengo.
17 Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
Nzela na Ye ezali ya esengo, mpe banzela na Ye nyonso ya mike ezali ya kimia.
18 Hazon’ aina ho an’ izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
Bwanya ezali nzete ya bomoi mpo na bato oyo basimbaka yango; bato oyo bakokanga yango makasi bakozala na esengo.
19 Fahendrena no nanorenan’ i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
Na nzela ya bwanya, Yawe atiaki miboko ya mabele; na nzela ya mayele, alendisaki likolo.
20 Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin’ ny rahona.
Na nzela ya mayele na Ye, mozindo ya se ya mabele ebimisaki mayi mpe mapata enokisaki mvula.
21 Anaka, aoka tsy hiala amin’ ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
Mwana na ngai, tika ete bwanya mpe bososoli ezala mosika ya miso na yo te; batela yango malamu,
22 Ka dia ho ain’ ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
pamba te ekozala bomoi mpo na yo mpe ngolu mpo na kingo na yo.
23 Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
Boye, okotambola na kimia na nzela na yo, mpe lokolo na yo ekobeta libaku te.
24 Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
Tango okolala, okobanga eloko moko te, pamba te pongi na yo ekozala ya kimia.
25 Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;
Somo ya pwasa ekobangisa yo te, ezala tango bato mabe bakobimela yo na pwasa;
26 Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
pamba te Yawe akozala elikya na yo mpe akobatela makolo na yo mpo ete ekangama te na motambo.
27 Aza mamihina ny soa amin’ izay tokony homena azy, Raha azon’ ny tananao atao ihany;
Koboyaka te kosala bolamu epai ya moto oyo azali na bosenga, tango maboko na yo ezali na makoki ya kosala yango.
28 Aza manao amin’ ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
Kolobaka na moninga na yo te: « Kende, bongo oya sima; nakopesa yo yango lobi; » soki ozali na makoki ya kosala likambo yango.
29 Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
Kosalaka moninga na yo mabe te soki azali kovanda na kimia epai na yo.
30 Aza miady amin’ olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
Kolukelaka moto makambo te, oyo ezanga tina soki asali yo mabe te.
31 Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
Kolulaka te moto ya mobulu mpe koponaka ata nzela moko te, kati na banzela na ye.
32 Satria fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ ny marina kosa ny fisakaizany.
Pamba te Yawe ayinaka bato mabe, kasi ayebisaka basekele na Ye epai ya bato ya sembo.
33 Ny ozon’ i Jehovah dia ao an-tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan’ ny marina dia tahìny kosa.
Yawe alakelaka mabe ndako ya moto mabe, kasi apambolaka ndako ya moto ya sembo;
34 Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
asambwisaka batioli, kasi atalisaka ngolu na Ye epai ya bato oyo bamikitisaka.
35 Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran’ ny adala.
Bato ya bwanya bakozwa nkembo, kasi bazoba bakozala na soni.

< Ohabolana 3 >