< Ohabolana 3 >
1 Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
My son, do not forget my teaching, but let your heart keep my commandments;
2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
for they will add length to your days, years and peace to your life.
3 Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka,
Never let loving devotion or faithfulness leave you; bind them around your neck, write them on the tablet of your heart.
4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao.
Then you will find favor and high regard in the sight of God and man.
5 Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao;
Trust in the LORD with all your heart, and lean not on your own understanding;
6 Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
in all your ways acknowledge Him, and He will make your paths straight.
7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Be not wise in your own eyes; fear the LORD and turn away from evil.
8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
This will bring healing to your body and refreshment to your bones.
9 Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;
Honor the LORD with your wealth and with the firstfruits of all your harvest;
10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.
then your barns will be filled with plenty, and your vats will overflow with new wine.
11 Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany;
My son, do not reject the discipline of the LORD, and do not loathe His rebuke;
12 Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany.
for the LORD disciplines the one He loves, as does a father the son in whom he delights.
13 Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
Blessed is the man who finds wisdom, the man who acquires understanding,
14 Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
for she is more profitable than silver, and her gain is better than fine gold.
15 Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.
She is more precious than rubies; nothing you desire compares with her.
16 Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
Long life is in her right hand; in her left hand are riches and honor.
17 Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
All her ways are pleasant, and all her paths are peaceful.
18 Hazon’ aina ho an’ izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
She is a tree of life to those who embrace her, and those who lay hold of her are blessed.
19 Fahendrena no nanorenan’ i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
The LORD founded the earth by wisdom and established the heavens by understanding.
20 Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin’ ny rahona.
By His knowledge the watery depths were broken open, and the clouds dripped with dew.
21 Anaka, aoka tsy hiala amin’ ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
My son, do not lose sight of this: Preserve sound judgment and discernment.
22 Ka dia ho ain’ ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
They will be life to your soul and adornment to your neck.
23 Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
Then you will go on your way in safety, and your foot will not stumble.
24 Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
When you lie down, you will not be afraid; when you rest, your sleep will be sweet.
25 Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;
Do not fear sudden danger or the ruin that overtakes the wicked,
26 Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
for the LORD will be your confidence and will keep your foot from the snare.
27 Aza mamihina ny soa amin’ izay tokony homena azy, Raha azon’ ny tananao atao ihany;
Do not withhold good from the deserving when it is within your power to act.
28 Aza manao amin’ ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
Do not tell your neighbor, “Come back tomorrow and I will provide”— when you already have the means.
29 Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
Do not devise evil against your neighbor, for he trustfully dwells beside you.
30 Aza miady amin’ olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
Do not accuse a man without cause, when he has done you no harm.
31 Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
Do not envy a violent man or choose any of his ways;
32 Satria fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ ny marina kosa ny fisakaizany.
for the LORD detests the perverse, but He is a friend to the upright.
33 Ny ozon’ i Jehovah dia ao an-tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan’ ny marina dia tahìny kosa.
The curse of the LORD is on the house of the wicked, but He blesses the home of the righteous.
34 Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
He mocks the mockers, but gives grace to the humble.
35 Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran’ ny adala.
The wise will inherit honor, but fools are held up to shame.