< Ohabolana 27 >

1 Aza mirehareha ny amin’ ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
なんぢ明日のことを誇るなかれ そは一日の生ずるところの如何なるを知ざればなり
2 Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
汝おのれの口をもて自ら讃むることなく人をして己を讃めしめよ 自己の口唇をもてせず 他人をして己をほめしめよ
3 Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran’ ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
石は重く沙は軽からず 然ど愚なる者の怒はこの二よりも重し
4 Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan’ ny fahasaro-piaro?
忿怒は猛く憤恨は烈し されど嫉妬の前には誰か立ことをを得ん
5 Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
明白に譴むるに秘に愛するに愈る
6 Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan’ ny fahavalo.
愛する者の傷つくるは眞実よりし 敵の接吻するは偽詐よりするなり
7 Hitsakitsahin’ ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin’ ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
飽るものは蜂の蜜をも踐つく されど飢たる者には苦き物さへもすべて甘し
8 Toy ny voron-kely miala amin’ ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ ny fonenany.
その家を離れてさまよふ人は その巣を離れてさまよふ鳥のごとし
9 Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin’ ny sakaiza dia avy amin’ ny ana-panahy ataony.
膏と香とは人の心をよろこばすなり 心よりして勧言を與ふる友の美しきもまた斯のごとし
10 Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin’ ny tranon’ ny rahalahinao amin’ ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
なんぢの友と汝の父の友とを棄るなかれ なんぢ患難にあふ日に兄弟の家にいることなかれ 親しき隣は疏き兄弟に愈れり
11 Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
わが子よ智慧を得てわが心を悦ばせよ 然ば我をそしる者に我こたふることを得ん
12 Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
賢者は禍害を見てみづから避け 拙者はすすみて罰をうく
13 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny janga niantohany izy.
人の保證をなす者よりは先その衣をとれ 他人の保證をなす者をば固くとらへよ
14 Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin’ ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
晨はやく起て大聲にその隣を祝すれば却て呪詛と見なされん
15 Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
相争ふ婦は雨ふる日に絶ずある雨漏のごとし
16 Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.
これを制ふるものは風をおさふるがごとく 右の手に膏をつかむがごとし
17 Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ ny sakaizany.
鉄は鉄をとぐ 斯のごとくその友の面を研なり
18 Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
無花果の樹をまもる者はその果をくらふ 主を貴ぶものは響を得
19 Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin’ ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan’ ny fon’ ny olona amin’ ny an’ olona.
水に照せば面と面と相肖るがごとく 人の心は人の心に似たり
20 Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan’ ny mason’ ny olona. (Sheol h7585)
陰府と沈淪とは飽ことなく 人の目もまた飽ことなし (Sheol h7585)
21 Ny memy ho an’ ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an’ ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
坩堝によりて銀をためし鑢によりて金をためし その讃らるる所によりて人をためす
22 Na dia miara-totoinao ny fanoto amin’ ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
なんぢ愚なる者を臼にいれ杵をもて麥と偕にこれを搗ともその愚は去らざるなり
23 Fantaro tsara ny tarehin’ ny ondry aman’ osinao, Ary miahia tsara ny andian’ ny bibinao;
なんぢの羊の状況をよく知り なんぢの群に心を留めよ
24 Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin’ ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
富は永く保つものにあらず いかで位は世々にたもたん
25 Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
艸枯れ苗いで山の蔬菜あつめらる
26 Ny zanak’ ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;
羔羊はなんぢの衣服を出し 牝羊は田圃を買ふ價となり
27 Ary ho ampy hosotroinao ny rononon’ osy Sy ho an’ ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman’ ny ankizivavinao.
牝羊の乳はおほくして汝となんぢの家人の糧となり汝の女をやしなふにたる

< Ohabolana 27 >