< Ohabolana 26 >
1 Toy ny oram-panala amin’ ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an’ ny adala.
As snow in summer, and as rain in harvest, So honor is not becoming to a fool.
2 Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
As the sparrow wandereth, and the swallow flieth away, So the curse without cause shall not come.
3 Ny karavasy ho amin’ ny soavaly ny lamboridy ho amin’ ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin’ ny lamosin’ ny adala.
A whip for the horse, a bridle for the ass, And a rod for the back of the fool.
4 Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
Answer not a fool according to his folly, Lest thou also become like to him.
5 Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
Answer a fool according to his folly, Lest he be wise in his own conceit.
6 Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
He cutteth off the feet, and drinketh damage, Who sendeth a message by the hand of a fool.
7 Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala.
The legs of a lame man hang loose; So is it with a proverb in the mouth of fools.
8 Toy ny manisy vato eo amin’ ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
As he who bindeth a stone in a sling, So is he that giveth honor to a fool.
9 Toy ny tsilo eny an-tànan’ ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala.
As a thorn lifted up by the hand of a drunkard, So is a proverb in the mouth of fools.
10 Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.
As an archer who woundeth every one, So is he who hireth fools and hireth wayfarers.
11 Toy ny amboa miverina amin’ ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin’ ny hadalany.
As a dog returneth to that which he hath vomited, So a fool repeateth his folly.
12 Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
Seest thou a man wise in his own conceit? There is more hope of a fool than of him.
13 Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
The slothful man saith, “There is a lion in the way; There is a lion in the streets.”
14 Toy ny varavarana mihodìna amin’ ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin’ ny fandriany,
As a door turneth upon its hinges, So doth the sluggard upon his bed.
15 Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin’ ny vavany dia mahasasatra azy.
The sluggard dippeth his hand into the dish; It grieveth him to bring it again to his mouth.
16 Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
The sluggard is wiser in his own conceit Than seven men who can render a reason.
17 Izay mandalo ka mitsaraingona amin’ ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin’ ny sofiny.
As one that taketh a dog by the ears, So is he who, passing by, is enraged on account of the quarrel of another.
18 Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
As a madman That casteth about darts, arrows, and death,
19 Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
So is the man who deceiveth his neighbor, And saith, “Was I not in sport?”
20 Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
Where there is no wood, the fire goeth out; So, where there is no talebearer, contention ceaseth.
21 Toy ny arina atao amin’ ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
As coal is for heat, and as wood for fire, So is a contentious man for kindling strife.
22 Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
The words of a talebearer are like dainties; For they go down to the innermost parts of the body.
23 Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.
As drossy silver spread over an earthen vessel, So are warm lips and an evil heart.
24 Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
The hater dissembleth with his lips, And layeth up deceit within him.
25 Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
When he speaketh fair, believe him not! For there are seven abominations in his heart.
26 Ny lolompo dia miafina ao amin’ ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
His hatred is covered by deceit; His wickedness shall be revealed in the great assembly.
27 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.
He that diggeth a pit shall fall therein; And he that rolleth a stone, it shall return upon him.
28 Halan’ ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.
A lying tongue hateth those whom it woundeth, And a flattering mouth worketh ruin.