< Ohabolana 25 >

1 Izao koa no ohabolan’ i Solomona, izay nangonin’ ny olon’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda:
גם-אלה משלי שלמה-- אשר העתיקו אנשי חזקיה מלך-יהודה
2 Voninahitr’ Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
כבד אלהים הסתר דבר וכבד מלכים חקר דבר
3 Ny hahavon’ ny lanitra sy ny halalin’ ny tany Ary ny fon’ ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.
שמים לרום וארץ לעמק ולב מלכים אין חקר
4 Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an’ ny mpanao an-idina.
הגו סיגים מכסף ויצא לצרף כלי
5 Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin’ ny fahamarinana ny seza fiandrianany.
הגו רשע לפני-מלך ויכון בצדק כסאו
6 Aza manandra-tena eo anatrehan’ ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin’ ny fitoeran’ ny lehibe;
אל-תתהדר לפני-מלך ובמקום גדלים אל-תעמד
7 Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason’ ny manan-kaja izay hitan’ ny masonao.
כי טוב אמר-לך עלה-הנה מהשפילך לפני נדיב--אשר ראו עיניך
8 Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin’ ny farany, Rehefa omen’ ny namanao henatra ianao.
אל-תצא לרב מהר פן מה-תעשה באחריתה--בהכלים אתך רעך
9 Miadia ihany ny adinao amin’ ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian’ ny sasany holazaina,
ריבך ריב את-רעך וסוד אחר אל-תגל
10 Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
פן-יחסדך שמע ודבתך לא תשוב
11 Ny teny atao amin’ ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.
תפוחי זהב במשכיות כסף-- דבר דבר על-אפניו
12 Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin’ ny sofina mihaino.
נזם זהב וחלי-כתם-- מוכיח חכם על-אזן שמעת
13 Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin’ izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon’ ny tompony izy.
כצנת שלג ביום קציר--ציר נאמן לשלחיו ונפש אדניו ישיב
14 Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin’ ny fizaram-bava.
נשיאים ורוח וגשם אין-- איש מתהלל במתת-שקר
15 Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.
בארך אפים יפתה קצין ולשון רכה תשבר-גרם
16 Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
דבש מצאת אכל דיך פן-תשבענו והקאתו
17 Aza miditra matetika ao an-tranon’ ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.
הקר רגלך מבית רעך פן-ישבעך ושנאך
18 Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.
מפיץ וחרב וחץ שנון-- איש ענה ברעהו עד שקר
19 Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin’ ny andro fahoriana.
שן רעה ורגל מועדת-- מבטח בוגד ביום צרה
20 Toy ny miala lamba amin’ ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin’ ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin’ ny malahelo am-po.
מעדה-בגד ביום קרה--חמץ על-נתר ושר בשרים על לב-רע
21 Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
אם-רעב שנאך האכלהו לחם ואם-צמא השקהו מים
22 Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
כי גחלים--אתה חתה על-ראשו ויהוה ישלם-לך
23 Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan’ ny mpifosa mampahavinitra endrika.
רוח צפון תחולל גשם ופנים נזעמים לשון סתר
24 Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampontrano Toy izay miray trano amin’ ny vehivavy tia ady.
טוב שבת על-פנת-גג-- מאשת מדונים (מדינים) ובית חבר
25 Rano mangatsiaka amin’ ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
מים קרים על-נפש עיפה ושמועה טובה מארץ מרחק
26 Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
מעין נרפש ומקור משחת-- צדיק מט לפני-רשע
27 Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan’ ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.
אכל דבש הרבות לא-טוב וחקר כבדם כבוד
28 Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
עיר פרוצה אין חומה-- איש אשר אין מעצר לרוחו

< Ohabolana 25 >