< Ohabolana 24 >

1 Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
Don’t be envious of evil men, neither desire to be with them;
2 Fa fandravana no saintsainin’ ny fony, Ary fampahoriana notenenin’ ny molony.
for their hearts plot violence and their lips talk about mischief.
3 Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
Through wisdom a house is built; by understanding it is established;
4 Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin’ izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
by knowledge the rooms are filled with all rare and beautiful treasure.
5 Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
A wise man has great power. A knowledgeable man increases strength,
6 Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
for by wise guidance you wage your war, and victory is in many advisors.
7 Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.
Wisdom is too high for a fool. He doesn’t open his mouth in the gate.
8 Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
One who plots to do evil will be called a schemer.
9 Ota ny fikasan’ ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason’ ny olona ny mpaniratsira.
The schemes of folly are sin. The mocker is detested by men.
10 Raha reraka amin’ ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.
If you falter in the time of trouble, your strength is small.
11 Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
Rescue those who are being led away to death! Indeed, hold back those who are staggering to the slaughter!
12 Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.
If you say, “Behold, we didn’t know this,” doesn’t he who weighs the hearts consider it? He who keeps your soul, doesn’t he know it? Shall he not render to every man according to his work?
13 Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao;
My son, eat honey, for it is good, the droppings of the honeycomb, which are sweet to your taste;
14 Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an’ ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
so you shall know wisdom to be to your soul. If you have found it, then there will be a reward: Your hope will not be cut off.
15 Aza manotrika ao akaikin’ ny tranon’ ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
Don’t lay in wait, wicked man, against the habitation of the righteous. Don’t destroy his resting place;
16 Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.
for a righteous man falls seven times and rises up again, but the wicked are overthrown by calamity.
17 Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
Don’t rejoice when your enemy falls. Don’t let your heart be glad when he is overthrown,
18 Fandrao hitan’ i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
lest Yahweh see it, and it displease him, and he turn away his wrath from him.
19 Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
Don’t fret yourself because of evildoers, neither be envious of the wicked;
20 Fa tsy hisy fanantenana ho an’ ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy.
for there will be no reward to the evil man. The lamp of the wicked will be snuffed out.
21 Anaka, matahora an’ i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin’ izay miovaova;
My son, fear Yahweh and the king. Don’t join those who are rebellious,
22 Fa ho tampoka no hitrangan’ izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin’ ny androny?
for their calamity will rise suddenly. Who knows what destruction may come from them both?
23 Izao koa no tenin’ ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana.
These also are sayings of the wise: To show partiality in judgment is not good.
24 Izay manao amin’ ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin’ ny olona sady ho halan’ ny firenena;
He who says to the wicked, “You are righteous,” peoples will curse him, and nations will abhor him—
25 Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
but it will go well with those who convict the guilty, and a rich blessing will come on them.
26 Izay mahavoa tsara amin’ ny famaliana dia manoroka ny molotra.
An honest answer is like a kiss on the lips.
27 Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
Prepare your work outside, and get your fields ready. Afterwards, build your house.
28 Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin’ ny molotrao va ianao?
Don’t be a witness against your neighbor without cause. Don’t deceive with your lips.
29 Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
Don’t say, “I will do to him as he has done to me; I will repay the man according to his work.”
30 Nandalo ny sahan’ ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
I went by the field of the sluggard, by the vineyard of the man void of understanding.
31 Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron’ ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
Behold, it was all grown over with thorns. Its surface was covered with nettles, and its stone wall was broken down.
32 Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
Then I saw, and considered well. I saw, and received instruction:
33 Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;
a little sleep, a little slumber, a little folding of the hands to sleep,
34 Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
so your poverty will come as a robber and your want as an armed man.

< Ohabolana 24 >