< Ohabolana 23 >

1 Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,
When you sit to eat with a ruler, consider diligently what is before you:
2 Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
And put a knife to your throat, if you be a man given to appetite.
3 Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
Be not desirous of his dainties: for they are deceitful food.
4 Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao.
Labour not to be rich: cease from your own wisdom.
5 Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra.
Will you set your eyes upon that which is not? for riches certainly make themselves wings; they fly away as an eagle toward heaven.
6 Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
Eat you not the bread of him that has an evil eye, neither desire you his dainty meats:
7 Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
For as he thinks in his heart, so is he: Eat and drink, says he to you; but his heart is not with you.
8 Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
The morsel which you have eaten shall you vomit up, and lose your sweet words.
9 Aza miteny amin’ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ ny teninao.
Speak not in the ears of a fool: for he will despise the wisdom of your words.
10 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin’ ny sahan’ ny kamboty;
Remove not the old landmark; and enter not into the fields of the fatherless:
11 Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao.
For their redeemer is mighty; he shall plead their cause with you.
12 Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
Apply your heart unto instruction, and your ears to the words of knowledge.
13 Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;
Withhold not correction from the child: for if you beat him with the rod, he shall not die.
14 Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny. (Sheol h7585)
You shall beat him with the rod, and shall deliver his soul from hell. (Sheol h7585)
15 Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
My son, if your heart be wise, my heart shall rejoice, even mine.
16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.
Yea, my reins shall rejoice, when your lips speak right things.
17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro;
Let not your heart envy sinners: but be you in the fear of the LORD all the day long.
18 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
For surely there is an end; and your expectation shall not be cut off.
19 Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin’ ny lalana ny fonao.
Hear you, my son, and be wise, and guide your heart in the way.
20 Aza misakaiza amin’ izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
Be not among winebibbers; among riotous eaters of flesh:
21 Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
For the drunkard and the glutton shall come to poverty: and drowsiness shall clothe a man with rags.
22 Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
Hearken unto your father that brings forth you, and despise not your mother when she is old.
23 Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
Buy the truth, and sell it not; also wisdom, and instruction, and understanding.
24 Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
The father of the righteous shall greatly rejoice: and he that bring forths a wise child shall have joy of him.
25 Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
Your father and your mother shall be glad, and she that bare you shall rejoice.
26 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;
My son, give me your heart, and let your eyes observe my ways.
27 Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;
For a whore is a deep ditch; and a strange woman is a narrow pit.
28 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
She also lies in wait as for a prey, and increases the transgressors among men.
29 An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena?
Who has woe? who has sorrow? who has contentions? who has babbling? who has wounds without cause? who has redness of eyes?
30 An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
They that tarry long at the wine; they that go to seek mixed wine.
31 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;
Look not you upon the wine when it is red, when it gives his colour in the cup, when it moves itself aright.
32 Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
At the last it bites like a serpent, and stings like an adder.
33 Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.
your eyes shall behold strange women, and your heart shall utter perverse things.
34 Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo.
Yea, you shall be as he that lies down in the midst of the sea, or as he that lies upon the top of a mast.
35 Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
They have stricken me, shall you say, and I was not sick; they have beaten me, and I felt it not: when shall I awake? I will seek it yet again.

< Ohabolana 23 >