< Ohabolana 23 >

1 Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,
Ngati ukhala pansi kuti udye pamodzi ndi wolamulira, uyangʼane bwino zimene zili pamaso pako,
2 Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
ngati ndiwe munthu wadyera udziletse kuti usaonetse dyera lakolo.
3 Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
Usasirire zakudya zake, pakuti zimenezo ndi zakudya zachinyengo.
4 Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao.
Usadzitopetse wekha ndi kufuna chuma, ukhale ndi nzeru ya kudziretsa.
5 Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra.
Ukangoti wachipeza chumacho uwona posachedwa kuti palibepo. Chumacho chimachita ngati chamera mapiko mwadzidzidzi ndi kuwuluka kunka kumwamba ngati chiwombankhanga.
6 Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
Usadye chakudya cha munthu waumbombo, usalakalake zakudya zake zokoma;
7 Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
paja iye ndi munthu amene nthawi zonse amaganizira za mtengo wake ngakhale amati kwa iwe, “Idya ndi kumwa,” koma sakondweretsedwa nawe.
8 Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
Udzasanza zimene wadyazo ndipo mawu ako woyamikira adzapita pachabe.
9 Aza miteny amin’ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ ny teninao.
Usayankhule munthu wopusa akumva, pakuti adzanyoza mawu ako anzeru.
10 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin’ ny sahan’ ny kamboty;
Usasunthe mwala wa mʼmalire akalekale kapena kulowerera mʼminda ya ana amasiye,
11 Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao.
paja Mpulumutsi wawo ndi wamphamvu; iye adzawateteza pa milandu yawo kutsutsana nawe.
12 Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
Mtima wako uzikhala pa malangizo ndipo makutu ako azimvetsera mawu a chidziwitso.
13 Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;
Usaleke kumulangiza mwana; ngati umulanga ndi chikwapu sadzafa.
14 Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny. (Sheol h7585)
Ukamukwapula ndi tsatsa udzapulumutsa moyo wake. (Sheol h7585)
15 Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
Mwana wanga, ngati mtima wako ukhala wanzeru, inenso mtima wanga udzakondwera.
16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.
Mtima wanga udzakondwera pamene ndidzakumva ukuyankhula zolungama.
17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro;
Mtima wako usachite nsanje ndi anthu ochimwa, koma uziopa Yehova tsiku ndi tsiku.
18 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
Ndithu za mʼtsogolo zilipo ndipo chiyembekezo chakocho sichidzalephereka.
19 Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin’ ny lalana ny fonao.
Tamvera mwana wanga, ndipo ukhale wanzeru, mtima wako uwuyendetse mʼnjira yabwino.
20 Aza misakaiza amin’ izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
Usakhale pakati pa anthu amene amaledzera kapena pakati pa anthu amene amadya nyama mwadyera.
21 Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
Paja anthu oledzera ndi adyera amadzakhala amphawi ndipo aulesi adzavala sanza.
22 Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
Mvera abambo ako amene anakubala, usanyoze amayi ako pamene akalamba.
23 Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
Gula choonadi ndipo usachigulitse; ugulenso nzeru, mwambo ndiponso kumvetsa zinthu bwino.
24 Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
Abambo a munthu wolungama ali ndi chimwemwe chachikulu; Wobala mwana wanzeru adzakondwera naye.
25 Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
Abambo ndi amayi ako asangalale; amene anakubereka akondwere!
26 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;
Mwana wanga, undikhulupirire ndipo maso ako apenyetsetse njira zanga.
27 Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;
Paja mkazi wachiwerewere ali ngati dzenje lozama; ndipo mkazi woyendayenda ali ngati chitsime chopapatiza.
28 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
Amabisala ngati mbala yachifwamba, ndipo amuna amakhala osakhulupirika chifukwa cha iyeyu.
29 An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena?
Ndani ali ndi tsoka? Ndani ali ndi chisoni? Ndani ali pa mkangano? Ndani ali ndi madandawulo? Ndani ali ndi zipsera zosadziwika uko zachokera? Ndani ali ndi maso ofiira?
30 An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
Ndi amene amakhalitsa pa mowa, amene amapita nalawa vinyo osakanizidwa.
31 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;
Usatengeke mtima ndi kufiira kwa vinyo, pamene akuwira mʼchikho pamene akumweka bwino!
32 Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
Potsiriza pake amaluma ngati njoka, ndipo amajompha ngati mphiri.
33 Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.
Maso ako adzaona zinthu zachilendo ndipo maganizo ndi mawu ako adzakhala osokonekera.
34 Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo.
Udzakhala ngati munthu amene ali gone pakati pa nyanja, kapena ngati munthu wogona pa msonga ya mlongoti ya ngalawa.
35 Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
Iwe udzanena kuti, “Anandimenya, koma sindinapwetekedwe! Andimenya koma sindinamve kanthu! Kodi ndidzuka nthawi yanji? Ndiye ndifunefunenso vinyo wina.”

< Ohabolana 23 >