< Ohabolana 22 >
1 Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
Боље је име него велико богатство, и милост је боља него сребро и злато.
2 Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
Богат и сиромах сретају се; обојицу је Господ створио.
3 Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
Паметан човек види зло и склони се, а луди иду даље и плаћају.
4 Ny valin’ ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’ i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
Смерности и страху Господњем плата је богатство и слава и живот.
5 Tsilo sy fandrika no amin’ ny alehan’ ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
Трње и замке су на путу опакога; ко чува душу своју, биће далеко од тога.
6 Zaro amin’ izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’ izany.
Учи дете према путу којим ће ићи, па неће одступити од њега ни кад остари.
7 Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon’ ny mampisambotra.
Богат господари над сиромасима, и ко узима у зајам бива слуга ономе који даје.
8 Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
Ко сеје безакоње жеће муку, и прут гнева његовог нестаће.
9 Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an’ ny malahelo ny haniny.
Благо око биће благословено, јер даје хлеба свог убогом.
10 Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
Отерај подсмевача, и отићи ће распра и престаће свађа и срамота.
11 Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan’ ny mpanjaka izy.
Ко љуби чисто срце, и чије су усне љубазне, њему је цар пријатељ.
12 Ny mason’ i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin’ ny mpivadika dia foanany.
Очи Господње чувају знање, а послове безаконикове обара.
13 Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin’ ny sasany any an-dalambe aho.
Ленивац говори: Лав је напољу; насред улице погинуо бих.
14 Ny vavan’ ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon’ i Jehovah no ho latsaka ao.
Уста су туђих жена јама дубока; на кога се гневи Господ онамо ће пасти.
15 Miraikitra amin’ ny fon’ ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
Безумље је привезано детету на срце; прут којим се кара уклониће га од њега.
16 Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an’ ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
Ко чини криво сиромаху да умножи своје, и ко даје богатоме, зацело ће осиромашити.
17 Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
Пригни ухо своје и слушај речи мудрих људи, и срце своје привиј к науци мојој.
18 Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin’ ny molotrao.
Јер ће ти бити милина ако их сложиш у срце своје, ако све буду поређане на уснама твојим.
19 Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin’ i Jehovah.
Да би ти уздање било у Господа, казујем ти ово данас, а ти тако чини.
20 Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
Нисам ли ти написао знамените ствари за савете и знање,
21 Mba hampahafantariko ny fahamarinan’ ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin’ izay naniraka anao?
Да бих ти показао тврђу истинитих речи да би могао истинитим речима одговарати онима који пошаљу к теби?
22 Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
Не отимај сиромаху зато што је сиромах, и не затири невољнога на вратима.
23 Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ ny adiny. Ary hanimba ny ain’ izay manimba azy.
Јер ће Господ бранити њихову ствар, и отеће душу онима који њима отимају.
24 Aza misakaiza amin’ ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin’ ny olona foizina,
Не дружи се с човеком гневљивим и не иди са жестоким,
25 Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an’ ny ainao.
Да се не би навикао на путеве његове и метнуо замке на душу своју.
26 Aza mety ho isan’ ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
Не буди од оних који руку дају, који се јамче за дугове.
27 Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
Ако немаш чим платити, зашто да се однесе постеља испод тебе?
28 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin’ ny razanao.
Не помичи старе међе, коју су поставили оци твоји.
29 Mahita olona mailaka amin’ ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan’ ny olona ambany izy.
Јеси ли видео човека устаоца на послу? Такви ће пред царевима стајати, а неће стајати пред простацима.