< Ohabolana 21 >
1 Rano velona eo an-tànan’ i Jehovah ny fon’ ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’ izay tiany.
Moyo wa mfalme uko katika mkono wa Bwana; huuongoza kama mkondo wa maji, popote apendapo.
2 Ataon’ ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
Njia zote za mwanadamu huonekana sawa kwake, bali Bwana huupima moyo.
3 Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
Kufanya yaliyo sawa na haki inakubalika zaidi kwa Bwana kuliko dhabihu.
4 Ny fiandranandran’ ny maso sy ny fiavonavon’ ny fo Izay jiron’ ny ratsy fanahy dia ota.
Macho ya kudharau na moyo wa kiburi, ambavyo ni taa ya waovu, vyote ni dhambi!
5 Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
Mipango ya mwenye bidii huelekeza kwenye faida, kama vile kwa hakika pupa huelekeza kwenye umaskini.
6 Ny fahazoan-karena amin’ ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’ izay mitady fahafatesana.
Mali iliyopatikana kwa ulimi wa uongo ni mvuke upitao upesi na mtego wa kufisha.
7 Ny fitohatohan’ ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
Jeuri ya waovu itawaburuta mbali, kwa kuwa wanakataa kufanya yaliyo sawa.
8 Miolikolika ny lalan’ ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon’ ny madio.
Njia ya mwenye hatia ni ya upotovu, bali tabia ya mtu asiye na hatia ni nyofu.
9 Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin’ ny vehivavy tia ady.
Ni afadhali kuishi pembeni mwa paa la nyumba, kuliko kuishi nyumba moja na mke mgomvi.
10 Ny fanahin’ ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
Mtu mwovu hutamani sana ubaya, jirani yake hapati huruma kutoka kwake.
11 Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
Wakati mwenye mzaha ameadhibiwa, mjinga hupata hekima; wakati mtu mwenye hekima afundishwapo, hupata maarifa.
12 Ny Iray Marina no mandinika ny tranon’ ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin’ ny loza.
Mwenye Haki huyajua yanayotendeka katika nyumba za waovu, naye atawaangamiza waovu.
13 Izay manentsin-tadiny amin’ ny fitarainan’ ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
Mtu akiziba masikio asisikie kilio cha maskini, yeye pia atalia, wala hatajibiwa.
14 Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin’ ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
Zawadi itolewayo kwa siri hutuliza hasira na rushwa iliyofichwa kwenye nguo hutuliza ghadhabu kali.
15 Fifalian’ ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
Wakati haki imetendeka, huleta furaha kwa wenye haki, bali kitisho kwa watenda mabaya.
16 Ny olona izay mivily miala amin’ ny lalan’ ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ ny fivorian’ ny fanahin’ ny maty.
Mtu anayepotea kutoka mapito ya ufahamu, hupumzika katika kundi la waliokufa.
17 Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
Mtu apendaye anasa atakuwa maskini, yeyote apendaye mvinyo na mafuta kamwe hatakuwa tajiri.
18 Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon’ ny mahitsy.
Waovu huwa fidia kwa ajili ya wenye haki, nao wasio waaminifu kwa ajili ya wanyofu.
19 Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin’ ny vehivavy tia ady sady foizina.
Ni afadhali kuishi jangwani kuliko kuishi na mke mgomvi na mkorofi.
20 Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ ny tranon’ ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
Katika nyumba ya mwenye hekima kuna akiba ya vyakula vizuri na mafuta, lakini mtu mpumbavu hutafuna vyote alivyo navyo.
21 Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
Yeye afuatiaye haki na upendo hupata uzima, mafanikio na heshima.
22 Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
Mtu mwenye hekima huushambulia mji wa wenye nguvu, na kuangusha ngome wanazozitegemea.
23 Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
Yeye alindaye kinywa chake na ulimi wake hujilinda na maafa.
24 Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
Mtu mwenye kiburi na majivuno, “Mdhihaki” ndilo jina lake; hutenda mambo kwa kiburi kilichozidi.
25 Ny fanirian’ ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
Kutamani sana kwa mvivu kutakuwa kifo chake, kwa sababu mikono yake haitaki kufanya kazi.
26 Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
Mchana kutwa hutamani zaidi, lakini mnyofu hutoa pasipo kuzuia.
27 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy.
Dhabihu ya mtu mwovu ni chukizo, si zaidi sana itolewapo kwa nia mbaya!
28 Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
Shahidi wa uongo ataangamia, bali maneno ya mwenye kusikia yatadumu.
29 Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
Mtu mwovu ana uso wa ushupavu, bali mtu mnyofu huzifikiria njia zake.
30 Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
Hakuna hekima, wala akili, wala mpango unaoweza kufaulu dhidi ya Bwana.
31 Voaomana ny soavaly ho amin’ ny andro iadiana; Fa an’ i Jehovah ihany ny fandresena.
Farasi huandaliwa kwa ajili ya siku ya vita, bali ushindi huwa kwa Bwana.