< Ohabolana 2 >
1 Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
Wuoda, ka iyie rwako wechena kendo kano chikena e chunyi;
2 Ka atongilanao amin’ ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
ka ichiko iti ni weche mag rieko kendo kiketo chunyi mondo iwinj tiend weche,
3 Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
to ka imanyo ngʼeyo malingʼ-lingʼ, kendo ikwayo ngʼeyo tiend wach,
4 Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
to ka idware ka fedha kendo imanye ka mwandu mopandi,
5 Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’ i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an’ Andriamanitra.
eka iniwinj malongʼo tiend luoro Jehova Nyasaye, kendo iniyud rieko mar ngʼeyo Nyasaye.
6 Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ ny vavany no ihavian’ ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
Jehova Nyasaye chiwo rieko kendo ngʼeyo gi winjo aa e dhoge.
7 Izy mitahiry fanambinanaho an’ ny mahitsy Sady ampingan’ izay mandeha tsy misy tsiny;
Oiko loch ni joma kare, en okumba ni jogo ma wuodhgi ler,
8 Ka dia mitandrina ny lalan’ ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan’ ny olony masìna.
nimar en okumba mar joma kare kendo orito yor joge ma jo-adiera.
9 Ary amin’ izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
Ka iwinjo wachna, eka iningʼe gima kare, kendo mowinjore ma gin yore duto mabeyo.
10 Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin’ ny fanahinao ny fahalalana,
Nimar rieko nodonj e chunyi, kendo ngʼeyo nomi ngimani bedo mamor.
11 Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
Rieko mar pogo tiend wach noriti, kendo winjo tiend wach nobedni okumba.
12 Ka hamonjy anao amin’ ny lalan-dratsy Sy amin’ ny lehilahy izay miteny fitaka,
Rieko noresi kuom yore mag joma mono, kuom jogo mawacho weche mochido,
13 Izay mahafoy ny lalan’ ny fahamarinana Mba hizorany amin’ ny lalan’ ny fahamaizinana,
jogo moweyo yore moriere mag bidhruok, mondo giwuothi e yore mag mudho,
14 Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin’ ny fitaky ny ratsy,
joma mor kuom timo maricho kendo giil e duwruok mar richo,
15 Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin’ ny alehany;
jogo ma yoregi ogajore ogajore kendo gin jowuond e yoregi.
16 Ary hamonjy anao amin’ ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin’ ny vahiny janga izay mandrobo amin’ ny teniny,
Bende enoresi kuom dhako ma jachode, kuom dhako mabayo gi wechege maywayo ji,
17 Izay mahafoy ny vadin’ ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin’ Andriamaniny.
moseweyo chwore mane okende konyako, kendo oketho singruok mane otimo e nyim Nyasaye.
18 Fa ny tranony milentika ho amin’ ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin’ ny maty.
Nikech ode tero ji e tho to yorene tero ji e piny joma otho.
19 Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin’ ny lalan’ aina,
Onge ngʼato madhi ire maduogo kata yudo yor ngima.
20 Handehananao amin’ ny lalan’ ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan’ ny marina.
Kuom mano, iniluw yore joma beyo kendo irit yore joma kare.
21 Fa ny olona mahitsy no honina amin’ ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;
Nimar joma kare ema nodag e piny kendo jogo maonge bura ema nosiki e piny;
22 Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
to joma timbegi mono nogol oko e piny kendo jogo ma ok jo-adiera ok nobedie ngangʼ.