< Ohabolana 2 >

1 Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
我兒,你若接受我的話,把我的誡命存在心中,
2 Ka atongilanao amin’ ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
側耳細聽智慧,專心尋求睿智;
3 Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
你若呼求明哲,揚聲召尋睿智;
4 Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
你若尋求她如尋求銀子,搜索她如搜索寶藏,
5 Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’ i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an’ Andriamanitra.
你必能領悟什麼是敬畏上主,也能明白什麼是認識天主。
6 Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ ny vavany no ihavian’ ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
因為,恩賜智慧的是上主,知識和睿智都出自他的口。
7 Izy mitahiry fanambinanaho an’ ny mahitsy Sady ampingan’ izay mandeha tsy misy tsiny;
他給正直人保留了救援,又是行止成全者的護盾。
8 Ka dia mitandrina ny lalan’ ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan’ ny olony masìna.
他護守正直人的行徑,他保衛虔誠者的道路;
9 Ary amin’ izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
這樣,你必能明瞭仁義和公平,明瞭正直和一切向善的道路。
10 Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin’ ny fanahinao ny fahalalana,
如果智慧進入了你的心,智識成了你的喜樂,
11 Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
慎思就必監護你,睿智也必防守你,
12 Ka hamonjy anao amin’ ny lalan-dratsy Sy amin’ ny lehilahy izay miteny fitaka,
使你遠離邪道,遠離言詞荒謬的人:
13 Izay mahafoy ny lalan’ ny fahamarinana Mba hizorany amin’ ny lalan’ ny fahamaizinana,
即那些離棄正道,走上黑暗之途,
14 Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin’ ny fitaky ny ratsy,
喜愛行惡,在邪惡中喜樂的人。
15 Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin’ ny alehany;
他們的道路彎曲不直,他們的行徑邪僻不正。
16 Ary hamonjy anao amin’ ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin’ ny vahiny janga izay mandrobo amin’ ny teniny,
智慧將救你脫離淫婦,脫離甘言蜜語的娼妓。
17 Izay mahafoy ny vadin’ ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin’ Andriamaniny.
她離棄了少年時的良友,忘記了她的天主的盟約;
18 Fa ny tranony milentika ho amin’ ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin’ ny maty.
為此,她的家屬趨向死亡,她的行徑通往黃泉;
19 Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin’ ny lalan’ aina,
凡行近她的人,沒有一個返回,再不會走上生路。
20 Handehananao amin’ ny lalan’ ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan’ ny marina.
為此,你應走善人的道路,持守義人的行徑,
21 Fa ny olona mahitsy no honina amin’ ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;
因為只有正直的人纔能住在地上,只有成全的人方得在那裏居留。
22 Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
但是,作惡的人必由地上剷除,違法的人必由其中拔除。

< Ohabolana 2 >