< Ohabolana 19 >

1 Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin’ ny molony sady adala.
Better is the poor man, that walketh in his simplicity, than a rich man that is perverse in his lips, and unwise.
2 Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
Where there is no knowledge of the soul, there is no good: and he that is hasty with his feet shall stumble.
3 Ny fahadalan’ ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin’ i Jehovah no sosotra ny fony.
The folly of a man supplanteth his seeps: and he fretteth in his mind against God.
4 Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin’ ny sakaizany.
Riches make many friends: but from the poor man, even they whom he had, depart.
5 Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
A false witness shall not be unpunished: and he that speaketh lies shall not escape.
6 Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’ izay mpanome zavatra.
Many honour the person of him that is mighty, and are friends of him that giveth gifts.
7 Ny malahelo dia halan’ ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin’ ny teny tsy misy izy.
The brethren of the poor man hate him: moreover also his friends have departed far from him. He that followeth after words only, shall have nothing.
8 Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
But he that possesseth a mind, loveth his own soul, and he that keepeth prudence shall find good things.
9 Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
A false witness shall not be unpunished: and he that speaketh lies, shall perish.
10 Ny ho velona amin’ ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an’ ny adala, Koa mainka izay hanapahan’ ny mpanompo ny zanak’ andriana.
Delicacies are not seemly for a fool: nor for a servant to have rule over princes.
11 Ny fahendren’ ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
The learning of a man is known by patience and his glory is to pass over wrongs.
12 Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin’ ny ahitra.
As the roaring of a lion, so also is the anger of a king: and his cheerfulness as the dew upon the grass.
13 Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon’ ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
A foolish son is the grief of his father: and a wrangling wife is like a roof continually dropping through.
14 Trano sy harena no lova avy amin’ ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’ i Jehovah.
House and riches are given by parents: but a prudent wife is properly from the Lord.
15 Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
Slothfulness casteth into a deep sleep, and an idle soul shall suffer hunger.
16 Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
He that keepeth the commandment, keepeth his own soul: but he that neglecteth his own way, shall die.
17 Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
He that hath mercy on the poor, lendeth to the Lord: and he will repay him.
18 Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
Chastise thy son, despair not: but to the killing of him set not thy soul.
19 Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
He that is impatient, shall suffer damage: and when he shall take away he shall add another thing.
20 Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin’ izay hiafaranao.
Hear counsel, and receive instruction, that thou mayst be wise in thy latter end.
21 Maro ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa ny fisainan’ i Jehovah no haharitra.
There are many thoughts in the heart of a man: but the will of the Lord shall stand firm.
22 Fifaliana amin’ ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
A needy man is merciful: and better is the poor than the lying man.
23 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
The fear of the Lord is unto life: and he shall abide in fulness without being visited with evil.
24 Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin’ ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin’ ny vavany dia tsy zakany.
The slothful hideth his hand under his armpit, and will not so much as bring it to his mouth.
25 Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
The wicked man being; scourged, the fool shall be wiser: but if thou rebuke a wise man he will understand discipline.
26 Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
He that afflicteth his father, and chaseth away his mother, is infamous and unhappy.
27 Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin’ ny fahalalana.
Cease not, O my son, to hear instruction, and be not ignorant of the words of knowledge.
28 Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan’ ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.
An unjust witness scorneth judgment: and the mouth of the wicked devoureth iniquity.
29 Vonona ho amin’ ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin’ ny lamosin’ ny adala.
Judgments are prepared for scorners: and striking hammers for the bodies of fools.

< Ohabolana 19 >