< Ohabolana 16 >
1 Ny fikasan’ ny fo no amin’ ny olona; Fa ny famalian’ ny lela dia avy amin’ i Jehovah.
2 Ataon’ ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
3 Ankino amin’ i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
4 Ny zavatra rehetra nataon’ i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ ny andro hahitan-doza.
5 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy.
6 Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin’ ny heloka; Ary ny fahatahorana an’ i Jehovah no analavirana ny ratsy.
7 Raha sitrak’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
8 Aleo ny kely omban’ ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin’ ny tsy rariny.
9 Ny fon’ ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
10 Ny teny marina dia eo amin’ ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
11 An’ i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.
12 Fahavetavetana eo imason’ ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan’ ny seza fiandrianana.
13 Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
14 Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
15 Amin’ ny fahamiramiranan’ ny tarehin’ ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ ny fararano.
16 Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
17 Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.
18 Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
19 Tsara ny malemy fanahy ao amin’ izay manetry tena Noho ny mizara babo amin’ izay miavonavona.
20 Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an’ i Jehovah no ho sambatra.
21 Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian’ ny molotra mampandroso fahendrena.
22 Loharanon’ aina ny fahazavan-tsaina amin’ izay manana izany; Fa ny famaizana ataon’ ny adala dia fahadalana ihany.
23 Ny fon’ ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin’ ny molony.
24 Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin’ ny fanahy no mahatsara ny taolana.
25 Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany.
26 Ny fahanoanan’ ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.
27 Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin’ ny molony.
28 Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
29 Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin’ ny lalana tsy tsara.
30 Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.
31 Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no ahazoana azy.
32 Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.
33 Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin’ i Jehovah ihany no isehoan’ ny fitsarany.