< Ohabolana 15 >

1 Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
A soft answer turneth away wrath: but grievous words stir up anger.
2 Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana.
The tongue of the wise useth knowledge aright: but the mouth of fools poureth out foolishness.
3 Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
The eyes of the LORD [are] in every place, beholding the evil and the good.
4 Ny teny malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
A wholesome tongue [is] a tree of life: but perverseness in it [is] a breach in the spirit.
5 Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
A fool despiseth his father's instruction: but he that regardeth reproof is prudent.
6 Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.
In the house of the righteous [is] much treasure: but in the revenues of the wicked is trouble.
7 Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.
The lips of the wise diffuse knowledge: but the heart of the foolish [doeth] not so.
8 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
The sacrifice of the wicked [is] an abomination to the LORD: but the prayer of the upright [is] his delight.
9 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
The way of the wicked [is] an abomination to the LORD; but he loveth him that followeth after righteousness.
10 Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
Correction [is] grievous to him that forsaketh the way: [and] he that hateth reproof shall die.
11 Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona! (Sheol h7585)
Hell and destruction [are] before the LORD: how much more then the hearts of the children of men? (Sheol h7585)
12 Tsy tian’ ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
A scorner loveth not one that reproveth him: neither will he go to the wise.
13 Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy.
A merry heart maketh a cheerful countenance: but by sorrow of the heart the spirit is broken.
14 Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana.
The heart of him that hath understanding seeketh knowledge: but the mouth of fools feedeth on foolishness.
15 Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
All the days of the afflicted [are] evil: but he that is of a merry heart [hath] a continual feast.
16 Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’ i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
Better [is] little with the fear of the LORD, than great treasure and trouble with it.
17 Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
Better [is] a dinner of herbs where love is, than a stalled ox and hatred with it.
18 Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
A wrathful man stirreth up strife: but [he that is] slow to anger appeaseth strife.
19 Ny lalan’ ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ ny marina dia voalamina tsara.
The way of the slothful [man is] as a hedge of thorns: but the way of the righteous [is] made plain.
20 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
A wise son maketh a glad father: but a foolish man despiseth his mother.
21 Ny fahadalana dia fifalian’ ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
Folly [is] joy to [him that is] destitute of wisdom: but a man of understanding walketh uprightly.
22 Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
Without counsel purposes are disappointed: but in the multitude of counselors they are established.
23 Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ ny teny atao amin’ izay andro mahamety azy!
A man hath joy by the answer of his mouth: and a word [spoken] in due season, how good [it is]!
24 Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany, (Sheol h7585)
The way of life [is] above to the wise, that he may depart from hell beneath. (Sheol h7585)
25 Ravan’ i Jehovah ny tranon’ ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ ny mpitondra-tena aoriny mafy.
The LORD will destroy the house of the proud: but he will establish the border of the widow.
26 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.
The thoughts of the wicked [are] an abomination to the LORD: but [the words] of the pure [are] pleasant words.
27 Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
He that is greedy of gain troubleth his own house; but he that hateth gifts shall live.
28 Ny fon’ ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
The heart of the righteous studieth to answer: but the mouth of the wicked poureth out evil things.
29 Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
The LORD [is] far from the wicked: but he heareth the prayer of the righteous.
30 Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
The light of the eyes rejoiceth the heart; [and] a good report maketh the bones fat.
31 Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin’ ny hendry.
The ear that heareth the reproof of life abideth among the wise.
32 Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
He that refuseth instruction despiseth his own soul: but he that heareth reproof getteth understanding.
33 Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
The fear of the LORD [is] the instruction of wisdom: and before honor is humility.

< Ohabolana 15 >