< Ohabolana 15 >

1 Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
Kuyankha kofatsa kumathetsa mkwiyo, koma mawu ozaza amautsa ukali.
2 Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana.
Munthu wanzeru amayankhula zinthu za nzeru, koma pakamwa pa zitsiru pamatulutsa za uchitsiru.
3 Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Maso a Yehova ali ponseponse, amayangʼana pa oyipa ndi abwino omwe.
4 Ny teny malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
Kuyankhula kodekha kuli ngati mtengo wopatsa moyo, koma kuyankhula kopotoka kumapweteka mtima.
5 Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
Chitsiru chimanyoza mwambo wa abambo ake, koma wochenjera amasamala chidzudzulo.
6 Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.
Munthu wolungama amakhala ndi chuma chambiri, zimene woyipa amapindula nazo zimamugwetsa mʼmavuto.
7 Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.
Pakamwa pa anthu anzeru pamafalitsa nzeru; koma mitima ya zitsiru sitero.
8 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
Nsembe za anthu oyipa zimamunyansa Yehova, koma amakondwera ndi pemphero la anthu owona mtima.
9 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
Ntchito za anthu oyipa zimamunyansa Yehova koma amakonda amene amafunafuna chilungamo.
10 Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
Amene amasiya njira yabwino adzalangidwa koopsa. Odana ndi chidzudzulo adzafa.
11 Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona! (Sheol h7585)
Manda ndi chiwonongeko ndi zosabisika pamaso pa Yehova, nanji mitima ya anthu! (Sheol h7585)
12 Tsy tian’ ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
Wonyoza sakonda kudzudzulidwa; iye sapita kwa anthu anzeru.
13 Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy.
Mtima wokondwa umachititsa nkhope kukhala yachimwemwe, koma mtima wosweka umawawitsa moyo.
14 Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana.
Mtima wa munthu wozindikira zinthu umafunafuna nzeru, koma pakamwa pa zitsiru pamadya uchitsiru wawo.
15 Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
Munthu woponderezedwa masiku ake onse amakhala oyipa, koma mtima wachimwemwe umakhala pa chisangalalo nthawi zonse.
16 Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’ i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
Kuli bwino kukhala ndi zinthu pangʼono nʼkumaopa Yehova, kusiyana ndi kukhala ndi chuma chambiri uli pamavuto.
17 Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
Kuli bwino kudyera ndiwo zamasamba pamene pali chikondi, kusiyana ndi kudyera nyama yangʼombe yonenepa pamene pali udani.
18 Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
Munthu wopsa mtima msanga amayambitsa mikangano, koma munthu woleza mtima amathetsa ndewu.
19 Ny lalan’ ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ ny marina dia voalamina tsara.
Njira ya munthu waulesi ndi yowirira ndi mtengo waminga, koma njira ya munthu wolungama ili ngati msewu waukulu.
20 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
Mwana wanzeru amakondweretsa abambo ake, koma mwana wopusa amanyoza amayi ake.
21 Ny fahadalana dia fifalian’ ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
Uchitsiru umakondweretsa munthu wopanda nzeru, koma munthu womvetsa zinthu amayenda mowongoka.
22 Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
Popanda uphungu zolinga zako munthu zimalephereka, koma pakakhala aphungu ambiri zolinga zimatheka.
23 Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ ny teny atao amin’ izay andro mahamety azy!
Munthu amakondwera ndi kuyankha koyenera, ndipo mawu onena pa nthawi yake ndi okoma.
24 Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany, (Sheol h7585)
Munthu wanzeru amatsata njira yopita ku moyo kuti apewe malo okhala anthu akufa. (Sheol h7585)
25 Ravan’ i Jehovah ny tranon’ ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ ny mpitondra-tena aoriny mafy.
Yehova amapasula nyumba ya munthu wonyada koma amasamalira malo a mkazi wamasiye.
26 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.
Maganizo a anthu oyipa amamunyansa Yehova, koma mawu a anthu oyera mtima amamusangalatsa.
27 Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
Munthu wofuna phindu mwachinyengo amavutitsa banja lake, koma wodana ndi ziphuphu adzakhala ndi moyo.
28 Ny fon’ ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
Munthu wolungama amaganizira za mmene ayankhire, koma pakamwa pa munthu woyipa pamatulutsa mawu oyipa.
29 Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
Yehova amakhala kutali ndi anthu oyipa, koma amamva pemphero la anthu olungama.
30 Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
Kuwala kwa maso kumasangalatsa mtima ndipo uthenga wabwino umalimbitsa munthu.
31 Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin’ ny hendry.
Womvera mawu a chidzudzulo amene apatsa moyo adzakhala pakati pa anthu anzeru.
32 Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
Amene amanyoza mwambo amadzinyoza yekha, koma womvera mawu a chidzudzulo amapeza nzeru zomvetsa zinthu.
33 Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
Kuopa Yehova kumaphunzitsa munthu nzeru, ndipo kudzichepetsa ndi ulemu chili patsogolo ndi kudzichepetsa.

< Ohabolana 15 >