< Ohabolana 14 >

1 Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ ny tànany.
Mwasi ya bwanya atongaka ndako na ye, kasi mwasi oyo azangi mayele abukaka yango na maboko na ye moko.
2 Mandeha mahitsy izay matahotra an’ i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
Moto oyo atambolaka alima atosaka Yawe, kasi moto oyo nzela na ye etengama-tengama atiolaka Ye.
3 Eo am-bavan’ ny adala misy tsorakazon’ ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
Kati na monoko ya moto oyo azangi mayele, ezalaka na nzete ya lolendo, kasi bibebu ya moto ya bwanya ebatelaka ye.
4 Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin’ ny herin’ ny omby.
Esika oyo ezalaka na ngombe te, elielo mpe ezalaka na eloko te, pamba te ezali makasi ya bangombe nde epesaka bomengo.
5 Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
Motatoli ya sembo akosaka te, kasi motatoli ya mabe alobaka lokuta.
6 Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
Motioli alukaka bwanya mpe azwaka yango te, kasi boyebi eyaka na pete epai na moto ya mayele.
7 Mialà eo anatrehan’ ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
Zala mosika ya zoba, pamba te okotikala kozwa boyebi te na bibebu na ye.
8 Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala.
Bwanya ya moto ya mayele esosolisaka ye nzela na ye, kasi bozoba ya bato oyo bazangi mayele: lokuta.
9 Ny adala ihomehezan’ ny fanati-panonerana; Fa ao amin’ ny marina no misy fankasitrahana.
Bazoba balingaka te kosenga bolimbisi, kasi ngolu na Nzambe ezalaka kati na bato ya sembo.
10 Ny fo no mahalala ny fangidian’ ny alahelony; Ary tsy raharahan’ ny olon-kafa ny hafaliany.
Motema eyebaka pasi na yango moko, moko te akoki kokabola na yango esengo.
11 Ravana ny tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain’ ny marina.
Ndako ya moto mabe ekobukana, kasi ndako ya kapo ya bayengebene ekofuluka.
12 Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany.
Nzela mosusu emonanaka sembo na miso ya bato, nzokande, na suka, ememaka na kufa.
13 Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran’ ny hafaliana dia alahelo.
Ezala kati na koseka, motema ekoki kozala na mawa, mpe esengo ekoki kosuka na mawa.
14 Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
Bato oyo batambolaka na boyengebene te bakozwa lifuti kolanda misala na bango, kasi moto ya sembo mpe akozwa lifuti kolanda misala na ye.
15 Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
Moto oyo azangi mayele andimaka makambo nyonso oyo balobaka, kasi moto ya mayele atambolaka na bokebi.
16 Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin’ ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.
Moto ya bwanya abangaka mabe mpe akimaka yango, kasi zoba atombokaka, na elikya nyonso.
17 Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
Moto oyo asilikaka noki asalaka makambo ya bozoba, mpe bayinaka moto ya mayele mabe.
18 Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.
Bato oyo bazangi mayele bazwaka bozoba lokola libula, kasi bato ya mayele bazwaka boyebi lokola motole.
19 Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan’ ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin’ ny marina.
Bato mabe bakofukama liboso ya bato ya malamu, bato ya mitema mabe bakofukama na ekuke ya bato ya sembo.
20 Ny malahelo dia halan’ ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian’ ny maro.
Mobola ayinamaka ata epai na moninga na ye moko, kasi mozwi azalaka na baninga ebele.
21 Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran’ izay mamindra fo amin’ ny ory!
Moto oyo atiolaka moninga na ye asalaka lisumu, kasi esengo na moto oyo asalaka bato bakelela bolamu.
22 Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an’ izay manao asa tsara.
Boni, bato oyo babongisaka kosala mabe bazali na libunga te? Kasi boboto mpe solo ezali epai ya bato oyo babongisaka kosala bolamu.
23 Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
Mosala nyonso epesaka litomba, kasi maloba ya pamba ememaka na bobola.
24 Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan’ ny adala dia fahadalana ihany.
Bozwi ya bato ya bwanya ezalaka lokola motole na bango, kasi bozoba ya bato oyo bazangi mayele ezalaka lokola liboma.
25 Ny vavolombelona marina mamonjy ain’ olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
Motatoli oyo alobaka solo abikisaka bato ebele, kasi motatoli ya mabe alobaka lokuta.
26 Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
Moto oyo atosaka Yawe akomaka na kondima makasi, mpe bana na ye bakozwa ekimelo.
27 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no loharanon’ aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
Kotosa Yawe ezali etima ya bomoi, ekangolaka na mitambo ya kufa.
28 Ny fahabetsahan’ ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
Kozala na bato ebele epesaka mokonzi lokumu, kasi mokonzi akweyaka soki azali na bato te.
29 Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
Moto oyo asilikaka noki te azalaka mayele, kasi moto oyo akangaka motema te abimisaka bozoba na ye.
30 Ny fo mionona no fiainan’ ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
Motema oyo ezali na kimia epesaka bomoi na nzoto, kasi bilulela epolisaka mikuwa.
31 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
Moto oyo anyokolaka mobola atiolaka Mokeli ya mobola yango, kasi moto oyo asalelaka moto akelela bolamu apesaka Ye lokumu.
32 Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin’ ny fahafatesana aza.
Babenganaka moto mabe mpo na mabe na ye, kasi moto ya sembo awumelaka na elikya kino ata na kufa.
33 Mandry tsara ao am-pon’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an’ ny adala kosa dia miharihary.
Bwanya ewumelaka kati na motema ya moto oyo azali na bososoli; kasi boni, ekoyebana solo kati na bazoba?
34 Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ ny olona
Bosembo etombolaka ekolo, kasi lisumu ememelaka bato soni.
35 Ny fankasitrahan’ ny mpanjaka dia amin’ ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin’ ny manao izay mahamenatra.
Mokonzi asepelaka na mosali ya bwanya, kasi mosali oyo ayokisaka ye soni apelisaka kanda na ye.

< Ohabolana 14 >