< Ohabolana 14 >
1 Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ ny tànany.
2 Mandeha mahitsy izay matahotra an’ i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
3 Eo am-bavan’ ny adala misy tsorakazon’ ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
4 Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin’ ny herin’ ny omby.
5 Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
6 Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
7 Mialà eo anatrehan’ ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
8 Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala.
9 Ny adala ihomehezan’ ny fanati-panonerana; Fa ao amin’ ny marina no misy fankasitrahana.
10 Ny fo no mahalala ny fangidian’ ny alahelony; Ary tsy raharahan’ ny olon-kafa ny hafaliany.
11 Ravana ny tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain’ ny marina.
12 Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany.
13 Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran’ ny hafaliana dia alahelo.
14 Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
15 Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
16 Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin’ ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.
17 Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
18 Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.
19 Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan’ ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin’ ny marina.
20 Ny malahelo dia halan’ ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian’ ny maro.
21 Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran’ izay mamindra fo amin’ ny ory!
22 Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an’ izay manao asa tsara.
23 Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
24 Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan’ ny adala dia fahadalana ihany.
25 Ny vavolombelona marina mamonjy ain’ olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
26 Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
27 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no loharanon’ aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
28 Ny fahabetsahan’ ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
29 Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
30 Ny fo mionona no fiainan’ ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
31 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
32 Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin’ ny fahafatesana aza.
33 Mandry tsara ao am-pon’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an’ ny adala kosa dia miharihary.
34 Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ ny olona
35 Ny fankasitrahan’ ny mpanjaka dia amin’ ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin’ ny manao izay mahamenatra.