< Ohabolana 13 >
1 Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
Indodana ehlakaniphileyo ilalela ukulaya kukayise, kodwa isideleli kasilaleli ukukhuzwa.
2 Ny vokatry ny vavan’ ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
Umuntu uzakudla okuhle okuvela esithelweni somlomo, kodwa umphefumulo weziphambuki ubudlwangudlwangu.
3 Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.
Olondoloza umlomo wakhe ugcina umphefumulo wakhe, kodwa ovula indebe zakhe zibe banzi uzakuba lencithakalo.
4 Ny fanahin’ ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ ny mazoto hohatavezina.
Umphefumulo wevila uyafisa, kodwa kakulalutho; kodwa umphefumulo wokhutheleyo uyakhuluphaliswa.
5 Ny lainga dia halan’ ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
Olungileyo uyalizonda ilizwi lamanga; kodwa omubi uzenza abe levumba, uthelela ihlazo.
6 Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
Ukulunga kulinda oqotho endleleni, kodwa inkohlakalo ichitha isoni.
7 Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
Kukhona ozitshaya onothileyo, kanti kalalutho; ozitshaya ongumyanga, kanti unothile kakhulu.
8 Ny haren’ ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
Inhlawulo yempilo yomuntu yinotho yakhe, kodwa umyanga kezwa ukukhuzwa.
9 Ny fahazavan’ ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron’ ny ratsy fanahy ho faty.
Ukukhanya kwabalungileyo kuyathokoza, kodwa isibane sabakhohlakeleyo sizacitshwa.
10 Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena.
Ukuzigqaja kuveza ingxabano kuphela, kodwa inhlakanipho ikwabalulekiweyo.
11 Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
Inotho etholakala ngokuyize izaphunguka, kodwa obuthelela ngesandla uyayandisa.
12 Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon’ aina ny faniriana tanteraka.
Ithemba eliphuzayo ligulisa inhliziyo, kodwa isifiso esizayo siyisihlahla sempilo.
13 Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
Odelela ilizwi yena uzachithwa, kodwa owesaba umlayo yena uzavuzwa.
14 Ny fampianaran’ ny hendry dia loharanon’ aina Ka mampivily tsy ho ao amin’ ny fandriky ny fahafatesana.
Imfundiso yohlakaniphileyo ingumthombo wempilo, ukuthi asuke emijibileni yokufa.
15 Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ ny mpivadika.
Ukuqedisisa okuhle kunika umusa, kodwa indlela yabaphambukayo ilukhuni.
16 Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin’ ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
Wonke ohlakaniphileyo wenza ngolwazi, kodwa isithutha sichaya ubuthutha.
17 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.
Isithunywa esikhohlakeleyo siwela ebubini, kodwa isithunywa esithembekileyo siyikusilisa.
18 Fahalahelovana sy henatra no ho an’ izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
Ubuyanga lehlazo ngokwalowo oyekela ukufundiswa, kodwa onanzelela ukukhuzwa uzadunyiswa.
19 Mamin’ ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason’ ny adala ny hiala amin’ ny ratsy.
Isifiso esenziweyo simnandi emphefumulweni, kodwa kuyisinengiso ezithutheni ukuphenduka ebubini.
20 Izay miara-dia amin’ ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny adala dia hidiran-doza.
Ohamba labahlakaniphileyo uzahlakanipha, kodwa umngane wezithutha uzakuba mubi.
21 Ny mpanota dia enjehin’ ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
Ububi buzazingela izoni, kodwa abalungileyo bazavuzwa ngokuhle.
22 Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina.
Olungileyo uzabenza abantwana babantwana badle ilifa, kodwa inotho yesoni ibekelwa olungileyo.
23 Ny tanin’ ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan’ izay tsy rariny.
Ukudla okunengi kusengqathweni yabayanga, kodwa kukhona okukhukhulwa ngokungabi lokwahlulela.
24 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.
Ogodla uswazi lwakhe uzonda indodana yakhe, kodwa oyithandayo uyayidinga masinyane ngesijeziso.
25 Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon’ ny ratsy fanahy.
Olungileyo uyadla kuze kusuthe umphefumulo wakhe, kodwa isisu sabakhohlakeleyo sizaswela.