< Ohabolana 13 >
1 Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
Un fils sage [écoute] l’instruction du père, mais le moqueur n’écoute pas la répréhension.
2 Ny vokatry ny vavan’ ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
Du fruit de sa bouche l’homme mange du bien, mais l’âme des perfides [mange] la violence.
3 Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.
Qui surveille sa bouche garde son âme; la ruine est pour celui qui ouvre ses lèvres toutes grandes.
4 Ny fanahin’ ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ ny mazoto hohatavezina.
L’âme du paresseux désire, et il n’y a rien; mais l’âme des diligents sera engraissée.
5 Ny lainga dia halan’ ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
Le juste hait la parole mensongère, mais le méchant se rend odieux et se couvre de honte.
6 Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
La justice garde celui qui est intègre dans sa voie, mais la méchanceté renverse le pécheur.
7 Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
Tel fait le riche et n’a rien du tout; et tel se fait pauvre et a de grands biens.
8 Ny haren’ ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
La rançon pour la vie d’un homme, c’est sa richesse; mais le pauvre n’entend pas la réprimande.
9 Ny fahazavan’ ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron’ ny ratsy fanahy ho faty.
La lumière des justes est joyeuse, mais la lampe des méchants s’éteindra.
10 Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena.
Ce n’est que de l’orgueil que vient la querelle, mais la sagesse est avec ceux qui se laissent conseiller.
11 Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
Les biens qui viennent de la vanité diminuent, mais celui qui amasse à la main les accroîtra.
12 Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon’ aina ny faniriana tanteraka.
L’attente différée rend le cœur malade, mais le désir qui arrive est un arbre de vie.
13 Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
Qui méprise la parole sera lié par elle; mais qui craint le commandement, celui-là sera récompensé.
14 Ny fampianaran’ ny hendry dia loharanon’ aina Ka mampivily tsy ho ao amin’ ny fandriky ny fahafatesana.
L’enseignement du sage est une fontaine de vie, pour faire éviter les pièges de la mort.
15 Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ ny mpivadika.
Le bon sens procure la faveur, mais la voie des perfides est dure.
16 Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin’ ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
Tout homme avisé agit avec connaissance, mais le sot fait étalage de sa folie.
17 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.
Un messager méchant tombe dans le mal, mais un ambassadeur fidèle est santé.
18 Fahalahelovana sy henatra no ho an’ izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
La pauvreté et la honte arrivent à qui rejette l’instruction, mais celui qui a égard à la répréhension sera honoré.
19 Mamin’ ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason’ ny adala ny hiala amin’ ny ratsy.
Le désir accompli est agréable à l’âme, mais se détourner du mal est une abomination pour les sots.
20 Izay miara-dia amin’ ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny adala dia hidiran-doza.
Qui marche avec les sages devient sage, mais le compagnon des sots s’en trouvera mal.
21 Ny mpanota dia enjehin’ ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
Le mal poursuit les pécheurs; mais le bien est la récompense des justes.
22 Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina.
L’homme de bien laisse un héritage aux fils de ses fils, mais la richesse du pécheur est réservée pour le juste.
23 Ny tanin’ ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan’ izay tsy rariny.
Il y a beaucoup à manger dans le défrichement des pauvres, mais il y a ce qui se perd faute de règle.
24 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.
Celui qui épargne la verge hait son fils, mais celui qui l’aime met de la diligence à le discipliner.
25 Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon’ ny ratsy fanahy.
Le juste mange pour le rassasiement de son âme, mais le ventre des méchants aura disette.