< Ohabolana 12 >

1 Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
Yeyote apendaye kuadibishwa hupenda maarifa, bali yeye achukiaye kuonywa ni mpumbavu.
2 Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’ i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
Mtu mwema hupata kibali kutoka kwa Bwana, bali Bwana humhukumu mwenye hila.
3 Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika.
Mtu hathibitiki kutokana na uovu, bali mwenye haki hataondolewa.
4 Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana.
Mke mwenye tabia nzuri ni taji ya mumewe, bali aaibishaye ni kama uozo katika mifupa ya mumewe.
5 Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy.
Mipango ya mtu mwadilifu ni ya haki, bali ushauri wa mwovu ni udanganyifu.
6 Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy.
Maneno ya waovu huotea kumwaga damu, bali maneno ya waadilifu huwaokoa.
7 Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra.
Watu waovu huondolewa na kutoweka, bali nyumba ya mwenye haki husimama imara.
8 Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
Mtu husifiwa kulingana na hekima yake, bali watu wenye akili zilizopotoka hudharauliwa.
9 Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
Heri mtu wa hali ya chini mwenye mtumishi, kuliko kujifanya mtu wa hali ya juu nawe huna chakula.
10 Ny marina mitsimbina ny ain’ ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ ny ratsy fanahy;
Mtu mwenye haki hujali mahitaji ya mnyama wake, bali matendo ya huruma ya mwovu ni ukatili.
11 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.
Yeye alimaye shamba lake atakuwa na chakula tele, bali yeye afuataye mambo ya upuzi hana akili.
12 Ny mpanota maniry ny hazan’ ny ratsy fanahy; Fa ny fakan’ ny marina mitrebona.
Waovu hutamani mateka ya watu wabaya, bali shina la mwenye haki hustawi.
13 Amin’ ny fahotan’ ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ ny fahoriana.
Mtu mwovu hunaswa kwa mazungumzo yake ya dhambi, bali mwenye haki huepuka taabu.
14 Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ ny tànany hitsingerina aminy.
Kutokana na tunda la midomo yake mtu hujazwa na mambo mema, hakika kama ilivyo kazi ya mikono yake humtunza.
15 Ny lalan’ ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
Njia ya mpumbavu huonekana sawa machoni pake mwenyewe, bali mtu mwenye hekima husikiliza ushauri.
16 Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry.
Mpumbavu huonyesha kuudhika kwake mara moja, bali mtu wa busara hupuuza matukano.
17 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
Shahidi wa kweli hutoa ushuhuda wa kuaminika, bali shahidi wa uongo husema uongo.
18 Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ ny sabatra; Fa ny lelan’ ny marina dia fanasitranana kosa.
Maneno ya kipumbavu huchoma kama upanga, bali ulimi wa mwenye hekima huleta uponyaji.
19 Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
Midomo isemayo kweli hudumu milele, bali ulimi wa uongo hudumu kwa muda mfupi tu.
20 Fitaka no ao am-pon’ izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’ izay misaina fiadanana.
Upo udanganyifu katika mioyo ya wale ambao hupanga mabaya, bali kuna furaha kwa wale wanaoleta amani.
21 Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.
Hakuna dhara linalompata mwenye haki, bali waovu wana taabu nyingi.
22 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
Bwana anachukia sana midomo idanganyayo, bali hufurahia watu ambao ni wa kweli.
23 Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana.
Mtu mwenye busara hujihifadhia maarifa yeye mwenyewe, bali moyo wa wapumbavu hububujika upumbavu.
24 Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
Mikono yenye bidii itatawala, bali uvivu huishia katika kazi za utumwa.
25 Ny alahelo ao am-pon’ ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
Moyo wa wasiwasi humlemea mtu, bali neno la huruma humfurahisha.
26 Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
Mtu mwenye haki ni mwangalifu katika urafiki, bali njia ya waovu huwapotosha.
27 Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an’ ny olona ny zoto.
Mtu mvivu haoki mawindo yake, bali mtu mwenye bidii ana mali za thamani.
28 Amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
Katika njia ya haki kuna uzima; katika mapito hayo kuna maisha ya milele.

< Ohabolana 12 >