< Ohabolana 11 >
1 Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
Ubangiji yana ƙyamar ma’aunan zamba, amma ma’aunin da suke daidai ne abin farin cikinsa.
2 Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ ny manetry tena no misy fahendrena.
Sa’ad da girman kai ya zo, sai shan kunya ta zo, amma hikima kan zo tare da ƙasƙantar da kai.
3 Ny fahitsian’ ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ ny tenany.
Mutuncin masu aikata gaskiya takan bi da su, amma marasa aminci sukan hallaka ta wurin cin amanar da suke yi.
4 Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.
Dukiya ba ta da amfani a ranar fushi, amma adalci kan yi ceto daga mutuwa.
5 Ny fahamarinan’ ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany ihany.
Adalcin marasa laifi kan miƙe hanyarsu, amma akan ƙasƙantar da mugaye ta wurin muguntarsu.
6 Ny fahamarinan’ ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
Adalcin masu aikata gaskiya kan cece su, amma rashin aminci tarko ne ga mugayen sha’awace-sha’awace.
7 Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan’ ny mpanao ratsy.
Sa’ad da mugu ya mutu, sa zuciyarsa kan hallaka; dukan abin da ya sa zuciya daga ikonsa ba ya amfana kome.
8 Ny marina dia vonjena amin’ ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
Akan kuɓutar da mai adalci daga wahala, sai ta dawo wa mugu a maimako.
9 Ny vavan’ ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
Da bakinsa marar sanin Allah kan hallaka maƙwabcinsa, amma ta wurin sani mai adalci kan kuɓuta.
10 Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
Sa’ad da adali ya yi nasara, birnin kan yi farin ciki; sa’ad da mugu ya hallaka, akwai sowa ta farin ciki.
11 Ny fisaoran’ ny marina no isandratan’ ny tanàna; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy no aharavany.
Ta wurin albarkar mai aikata gaskiya birni kan ƙasaita, amma ta wurin bakin mugu akan hallaka birnin.
12 Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangìna.
Mutum da ba shi da azanci kan ki maƙwabci, amma mutum mai fahimi kan ƙame harshensa.
13 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
Gulma yakan lalace yarda, amma mutum mai aminci kan kiyaye asiri.
14 Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
Saboda rashin jagora al’umma takan fāɗi, amma masu ba da shawara da yawa kan tabbatar da nasara.
15 Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
Duk wanda ya ɗauki lamunin wani tabbatacce zai sha wahala, amma duk wanda ya ƙi ya sa hannu a ɗaukar lamuni ba ruwansa.
16 Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
Mace mai hankali na samu bangirma, amma azzalumai za su sami dukiya.
17 Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ ny tenany; Fa ny lozabe dia todin’ ny halozany.
Mutumin kirki kan ribance kansa, amma mugu kan kawo wa kansa wahala.
18 Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
Mugun mutum kan sami albashin ƙarya amma shi da ya shuka adalci zai girbe lada tabbatacce.
19 Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ ny fahafatesana.
Mutum mai adalci da gaske yakan sami rai, amma shi da ya duƙufa ga aikata mugunta kan tarar da mutuwarsa.
20 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
Ubangiji yana ƙyamar mutane masu muguwar zuciya amma yana jin daɗin waɗanda hanyoyinsu ba su da laifi.
21 Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
Ka tabbata da wannan. Mugaye ba za su tafi babu hukunci ba, amma waɗanda suke masu adalci za su tafi babu hukunci.
22 Toy ny kavim-bolamena eo amin’ ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.
Kamar zinariya a hancin alade haka kyan mace wadda ba ta da hankali.
23 Ny soa ihany no irin’ ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan’ ny ratsy fanahy.
Sha’awar adalai kan ƙare kawai a aikata alheri, amma sa zuciyar mugaye kan ƙarasa kawai a fushi.
24 Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
Wani mutum kan bayar hannu sake, duk da haka yakan sami fiye; wani yakan riƙe abin da ba nasa ba, amma sai ya ƙarasa cikin talauci.
25 Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
Mutum mai kyauta zai azurta; shi da yakan taimake waɗansu, za a taimake shi.
26 Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ ny olona; Fa saotra no ho amin’ ny lohan’ izay mivarotra.
Mutane kan la’anci mai ɓoye hatsi yana jira ya yi tsada, amma albarka kan zauna a kan wanda yake niyya ya sayar.
27 Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’ izany.
Duk mai nema alheri kan sami alheri, amma mugu kan zo wa wanda yake nemansa.
28 Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
Duk wanda ya dogara ga arzikinsa zai fāɗi, amma adali zai yi nasara kamar koren ganye.
29 Izay mampidi-doza amin’ ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon’ ny hendry.
Duk wanda ya kawo wahala wa iyalinsa zai gāji iska kawai, kuma wawa zai zama bawan masu hikima.
30 Ny vokatry ny marina dia hazon’ aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
’Ya’yan itacen adali itacen rai ne, kuma duk mai samun rayuka mai hikima ne.
31 Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
In masu adalci sun sami abin da ya dace da su a duniya, yaya zai zama ga marasa sanin Allah da kuma masu zunubi!