< Ohabolana 11 >

1 Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
Dishonest scales are an abomination to the LORD, but an accurate weight is His delight.
2 Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ ny manetry tena no misy fahendrena.
When pride comes, disgrace follows, but with humility comes wisdom.
3 Ny fahitsian’ ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ ny tenany.
The integrity of the upright guides them, but the perversity of the faithless destroys them.
4 Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.
Riches are worthless in the day of wrath, but righteousness brings deliverance from death.
5 Ny fahamarinan’ ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany ihany.
The righteousness of the blameless directs their path, but the wicked fall by their own wickedness.
6 Ny fahamarinan’ ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
The righteousness of the upright delivers them, but the faithless are trapped by their own desires.
7 Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan’ ny mpanao ratsy.
When the wicked man dies, his hope perishes, and the hope of his strength vanishes.
8 Ny marina dia vonjena amin’ ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
The righteous man is delivered from trouble; in his place the wicked man goes in.
9 Ny vavan’ ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
With his mouth the ungodly man destroys his neighbor, but through knowledge the righteous are rescued.
10 Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
When the righteous thrive, the city rejoices, and when the wicked perish, there are shouts of joy.
11 Ny fisaoran’ ny marina no isandratan’ ny tanàna; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy no aharavany.
By the blessing of the upright a city is built up, but by the mouth of the wicked it is torn down.
12 Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangìna.
Whoever shows contempt for his neighbor lacks judgment, but a man of understanding remains silent.
13 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
A gossip reveals a secret, but a trustworthy person keeps a confidence.
14 Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
For lack of guidance, a nation falls, but with many counselors comes deliverance.
15 Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
He who puts up security for a stranger will surely suffer, but the one who hates indebtedness is secure.
16 Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
A gracious woman attains honor, but ruthless men gain only wealth.
17 Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ ny tenany; Fa ny lozabe dia todin’ ny halozany.
A kind man benefits himself, but a cruel man brings trouble on himself.
18 Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
The wicked man earns an empty wage, but he who sows righteousness reaps a true reward.
19 Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ ny fahafatesana.
Genuine righteousness leads to life, but the pursuit of evil brings death.
20 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
The perverse in heart are an abomination to the LORD, but the blameless in their walk are His delight.
21 Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
Be assured that the wicked will not go unpunished, but the offspring of the righteous will escape.
22 Toy ny kavim-bolamena eo amin’ ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.
Like a gold ring in a pig’s snout is a beautiful woman who lacks discretion.
23 Ny soa ihany no irin’ ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan’ ny ratsy fanahy.
The desire of the righteous leads only to good, but the hope of the wicked brings wrath.
24 Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
One gives freely, yet gains even more; another withholds what is right, only to become poor.
25 Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
A generous soul will prosper, and he who refreshes others will himself be refreshed.
26 Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ ny olona; Fa saotra no ho amin’ ny lohan’ izay mivarotra.
The people will curse the hoarder of grain, but blessing will crown the one who sells it.
27 Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’ izany.
He who searches out good finds favor, but evil will come to him who seeks it.
28 Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
He who trusts in his riches will fall, but the righteous will thrive like foliage.
29 Izay mampidi-doza amin’ ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon’ ny hendry.
He who brings trouble on his house will inherit the wind, and the fool will be servant to the wise of heart.
30 Ny vokatry ny marina dia hazon’ aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
The fruit of the righteous is a tree of life, and he who wins souls is wise.
31 Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
If the righteous receive their due on earth, how much more the ungodly and the sinner!

< Ohabolana 11 >