< Filipiana 4 >

1 Ary amin’ izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin’ ny Tompo ianareo, ry malalako.
Wherefore, my brethren, beloved and much desired, my joy and crown, so stand ye fast in the Lord, my beloved.
2 Mananatra an’ i Eodia aho, ary mananatra an’ i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ ny Tompo izy.
I exhort Euodia, and Syntyche to be perfectly united in the Lord.
3 Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ ny filazantsara izy, mbamin’ i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana.
And I entreat thee likewise, my faithful collegue, to assist them, for they laboured with me in the gospel, and Clement also, and my other fellow-laborers, whose names are in the book of life.
4 Mifalia mandrakariva amin’ ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.
Rejoice in the Lord always, and again I say, Rejoice.
5 Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
Let your moderation be known unto all men. The Lord is at hand.
6 Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra.
Be anxious in nothing: but in every thing by prayer and supplication with thanksgiving let your requests be made known before God.
7 Ary ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’ i Kristy Jesosy.
And the peace of God, which surpasseth all understanding, shall guard your hearts and minds in Christ Jesus.
8 Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
Finally my brethren, whatever things are true, whatever things are venerable, whatever things are just, whatever things are pure, whatever things are friendly, whatever things are reputable, if there be any virtue, and if there be any praise, think of these things:
9 Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
and what ye have both learned, and received, and heard, and seen in me, these practise; and the God of peace will be with you.
10 Ary faly indrindra ao amin’ ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
I rejoiced greatly in the Lord, that your care for me has now flourished again; for whom ye were indeed careful before, but ye wanted opportunity.
11 Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
Not that I speak on account of want; for I have learnt in whatever circumstances I am, to be contented.
12 Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’ inona na amin’ inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
I know both how to be abased, and how to abound: in every place, and in all conditions I am instructed, both to be full and to be hungry, to abound and to be in want.
13 Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ ilay mampahery ahy.
I can do all things through Christ strengthening me.
14 Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
Nevertheless ye did well in communicating to the relief of my affliction.
15 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ ny niandohan’ ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin’ ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany.
And ye Philippians know, that in the beginning of the gospel, when I was departing from Macedonia, no church communicated to me on the score of giving and receiving, but you only.
16 Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.
For even in Thessalonica ye sent once and again to supply my wants.
17 Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
Not that I desire a gift, but I desire fruit that may abound to your account.
18 Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’ i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’ Andriamanitra sady ankasitrahany.
And indeed I have it all, and now abound: I am fully supplied, having received of Epaphroditus the things sent by you, a fragrant odor, an acceptable sacrifice, well-pleasing to God.
19 Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ ny voninahitra no amin’ i Kristy Jesosy.
And my God will supply all your wants, according to his riches, in glory, by Christ Jesus.
20 Ary ho an’ Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
Now to our God and Father be glory for ever and ever. Amen. (aiōn g165)
21 Manaova veloma ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
Salute every saint in Christ Jesus. The brethren that are with me salute you:
22 Manao veloma anareo ny olona masìna rehetra, indrindra fa ny ankohonan’ i Kaisara.
and all the saints here salute you, but especially those of Cesar's household.
23 Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo.
The grace of our Lord Jesus Christ be with you all. Amen.

< Filipiana 4 >