< Filemona 1 >
1 Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an’ i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
Neni Paulu, mtatilwa toziya ya Kristu Yesu, nwera pamuhera na Timotewu mlongu muyetu. Tukulembera gwenga Filimoni mtenda lihengu myetu yatukufira,
2 ary mamangy an’ i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
na dada Afiya na Arikipu shonta myetu na Shipinga sha wantu yawamjimira Yesu shawaliwona ukaya kwaku.
3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Tuwafilireni manemu na ponga ya Mlungu Tati gwetu, na kwa Mtuwa Yesu Kristu.
4 Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ ny fivavahako,
Nonga mayagashii Mlungu shipindi shoseri panukuluwira Filimoni,
5 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’ i Jesosy Tompo sy ho an’ ny olona masìna rehetra,
toziya mpikanira ntambu yagumjimira Mtuwa Yesu na ntambu yaguwafira wantu woseri wa Mlungu.
6 mba hiasa mafy ho an’ i Kristy ny fiombonana avy amin’ ny finoanao amin’ ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
Numuluwa Mlungu kakupanani likakala kuwagambira wantu wamonga njimiru yaku su guvimani goseri maheri gatuwera naga kwa kulikolerana pamuhera na Kristu.
7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ ny olona masìna, ry rahalahy.
Ufiru waku unjegera nemeleru nkulu na kuntula moyu toziya gwenga guyinemeziya myoyu ya wantu wa Mlungu.
8 Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’ i Kristy handidy anao amin’ izay mendrika aza aho,
Su, neni mlongu gwaku kwa kulikolerana pamuhera na Kristu, handa hangu weza kuwera na ugangamala kukugambira ntambu yagufiruwa kutenda,
9 nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an’ i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.
kumbiti toziya ya mafiliru, nukuluwa hera. Neni Paulu nwera mzewi vinu na mtatirwa toziya ya kumtendera Yesu Kristu,
10 Eny, miangavy aminao aho ny amin’ ny zanako, izay naterako teto amin’ ny fifatorako, dia Onesimosy,
nukuluwa kwajili ya Onesimu, yakawera gambira mwana gwangu yakamjimira Kristu, nweriti tati gwakuwi gwa shirohu neni panweriti kushibetubetu.
11 ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
Makashu Onesmu kaweriti shintu ndiri, Kumbiti vinu kawera muntu gwa utanga kwa neni na gwenga vulaa.
12 izay nampodiko indray, dia ilay sombin’ ny aiko;
Vinu numtuma kwagwenga, yomberi ndo moyu gwangu.
13 saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ ny fifatorako noho ny filazantsara;
Menfiriti kalikali na neni su kantangi lihengu panu kwajili ya mwenga shipindi ashi neni shawera mushibetubetu toziya ya Shisoweru Shiwagira.
14 nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ ny sitrapo.
Nfira ndiri kutenda shoseri pota na gwenga kujimira, su utanga woseri yamgenda kumpanana yomberi, uweri wa kufira maweni.
15 Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, (aiōnios )
Pamonga Onesmu kawukiti kwa gwenga kwa katepu hera, su kawuyi kayi kwagwenga mashaka goseri. (aiōnios )
16 tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ ny nofo, na amin’ ny Tompo.
Na vinu yomberi mmanda ndiri kayi, kumbiti kawera kuliku mmanda, yomberi ndo mlongu gwetu. Yatumfira. Kaweri muntu gwa utanga kwaneni na hakaweri muntu gwa utanga nentu kwagwenga, pakawonikana handa ndo muntu muyetu na mlongu Mumtuwa.
17 Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
Handa yaguwona neni kuwera mlongu gwaku su gumwanki Onesmu ntambu yagunangiti neni.
18 Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
Handa kakukosera shintu, ama kawera na uwanda kwa gwenga, su neni hanumlipiri.
19 izaho Paoly no manoratra izany amin’ ny tanako, izaho no handoa izany ― nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
Neni Paulu nemba namweni kwa liwoku lyangu, hanukulipi. Handa hangu gwenga paguwera na uwanda wa ukomu waku kwaneni.
20 Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’ i Kristy.
Mlongu gwangu gutendi hangu kwa kuntanga neni toziya ya litawu lya Mtuwa, handa mlongu gwangu kwa kuwera pamuhera na Kristu, gugufiliziyi moyu gwangu.
21 Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
Neni nwera na unakaka kuwera nembiti aga, hagutendi nentu ya ganukugambira.
22 Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
Pamuhera na aga, muntandiri shumba sha kugonja toziya Mlungu pakankula ganduwa na neni hanuwatyangiri.
23 Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin’ i Kristy Jesosy,
Epafura, mtatirwa muyangu toziya ya kumtendera Kristu Yesu, kankukulamsiya.
24 sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
Na ashina Mariku na Alisitariku na Dema na Luka na awa watenda lihengu wayangu, viraa vilii wankukulamusiya.
25 Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
Manemu ga Mtuwa gwetu Yesu Kristu gaweri pamuhera namwenga.