< Nomery 1 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay, tao amin’ ny trano-lay fihaonana tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanao hoe:
Ty tsara’ Iehovà amy Mosè an-dratraratra’ i Sinay añe, amy kibohom-pamantañañey ao, am-baloham-bolam-paharoe’ i taom-paharoe niavota’ iareo an-tane Mitsraimey, ami’ty hoe,
2 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
Tsitsiho vali-boke i valobohòn’ ana’ Israeley, amo fifokoa’ iareoo, naho amo anjomban-droae’eo hamoliliañe o tahina’eo, ze hene lahilahy ki-loha’e ki-loha’e,
3 dia ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
roapolo taoñe mañambone mahafionjo hialy ho a Israele. Ihe naho i Aharone ty hañiake iareo ty amo mpirai-lian-defo’eo.
4 Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan’ ny fianakaviany avy.
Le hindre ama’ areo t’indaty boak’ amy ze hene fifokoa’e, songa talèn’ anjomban-droae’e.
5 Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin’ i Robena dia Elizora, zanak’ i Sedeora;
Le zao ty tahina’ ondaty hifanehak’ ama’ areo: amy Reòbene: i Elitsore ana’ i Sedeore;
6 ny avy amin’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday;
amy Simone, i Selomiele ana’ i Tsorisaday;
7 ny avy amin’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
am’ Iehodà: i Nakesone ana’ i Aminadabe;
8 ny avy amin’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara;
am’ Isakàre: i Netanale ana’ i Tsoare;
9 ny avy amin’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona;
amy Zebolone: i Eliabe ana’ i Kelone;
10 ny avy amin’ ny zanak’ i Josefa dia Elisama, zanak’ i Amihoda, avy amin’ i Efraima, ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, avy amin’ i Manase kosa;
amy ana’ Iosefe rey: amy Efraime, i Elisama ana’ i Amihode; amy Menasè, i Gamaliele ana’ i Pedatsore;
11 ny avy amin’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony;
amy Beniamène, i Abidane ana’ i Gedoný;
12 ny avy amin’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday;
amy Dane: i Akièzere, ana’ i Amisedahy;
13 ny avy amin’ i Asera dia Fagiela, zanak’ i Okrana;
amy Asere: i Pejiele ana’i Okrane;
14 ny avy amin’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Doela;
amy Gade: i Eliasafe ana’ i Dehoele;
15 ny avy amin’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana.
amy Naftaly, i Akirà ana’ i Ainane;
16 Ireo no voafidin’ ny fiangonana, dia samy lohan’ ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin’ ny Isiraely.
Ie ro jinoboñe amy valobohòkey, ie mpiaolo o fifokoan-droae’eo, mpifelek’ arivo’ Israele.
17 Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
Aa le rinambe’ i Mosè naho i Aharone indaty tinoñon-tahinañe rey,
18 dia namory ny fiangonana rehetra tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
naho natonto’ iareo i hene valobohòkey ami’ty andro valoha’ i volam-paharoey vaho niantoñoñe an-tariratse añ’ anjomban-droae’e, naho nisokiran-tahinañe vaho nivolileñe mifototse ami’ty roapolo taoñe mañambone, ki-loha ki-loha,
19 Araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr’ Sinay.
ami’ty nandilia’ Iehovà amy Mosè ty nanoe’e valiboke an-dratraratra’ i Sinay añe.
20 Ary tamin’ ny taranak’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
Le amo tarira’ i Reòbene tañoloñoloña’ Israeleo, ty fiantoño’e, amo fifokoa’eo, amo anjomban-droae’eo, ty ia’ o tahina’eo, ze lahilahy ki-loha ki-loha, niaheñe roapolo taoñe mañambone, ze hene nahafionjom-bañ’aly;
21 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
ty vinolily am-pifokoa’ i Reòbene, efats’ ale tsi-eneñ’ arivo-tsi-liman-jato.
22 Ary tamin’ ny taranak’ i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
Amo tarira’ i Simoneo, ty fiantoño’e amo fifokoa’eo, amo anjomban-droae’eo, ze niaheñe ama’e ty ia’ o tahina’eo, ze lahilahy ami’ty añambone’e roapolo taoñe mañambone, ze nahafionjom-bañ’ aly iaby;
23 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
ty vinolily am-pifokoa’ i Simone: lime ale-tsi-sive-arivo-tsi-telon-jato.
24 Ary tamin’ ny taranak’ i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Amo tarira’ i Gadeo, ty fiantoño’e amo fifokoa’eo amo anjomban-droae’eo ty ia’ o tahina’eo, ze lahilahy ami’ty añambone’e roapolo taoñe mañambone, ze hene nahafionjom-bañ’aly;
25 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
ty vinolily am-pifokoa’ i Gade, efats’ ale-tsi-lime-arivo-tsi-enen-jato-tsi-limampolo.
26 Ary tamin’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Amo tarira’ Iehodào, ty fiantoño’e, amo fifokoa’eo amo anjomban-droae’eo ty ia’ o tahina’eo, ze roapolo taoñe mañambone, ze hene nahafionjom-bañ’aly;
27 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
ty vinolily am-pifokoa’ Iehodà, fito-ale-tsi-efats’ arivo-tsi-enen-jato.
28 Ary tamin’ ny taranak’ Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Amo tarira’ Isakàreo, ty fiantoño’e, amo fifokoa’eo amo anjomban-droae’eo ty ia’ o tahina’eo, ze roapolo taoñe mañambone, ze hene nahafionjom-bañ’aly;
29 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
ty vinolily am-pifokoa’ Isakhare, le lime-ale-tsi-efats’ arivo-tsi-efa-jato.
30 Ary tamin’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Amo tarira’ i Zeboloneo ty fiantoño’e, am-pifokoa’e, amo anjomban-droae’eo, ty ia’ o tahina’eo, ze roapolo taoñe mañambone, ze hene nahafionjom-bañ’aly;
31 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
ty vinolily am-pifokoa’i Zebolone, lime-ale-tsi-fito-arivo-tsi-efa-jato.
32 Ary tamin’ ny taranak’ i Josefa: dia avy tamin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Amo tarira’ Iosefeo, amo ana’ i Efraimeo, ty fiantoño’e, amo fifokoa’eo, amo anjomban-droae’eo ty ia’ o tahina’eo, ze roapolo taoñe mañambone nahafionjom-bañ’aly;
33 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
ty vinolily am-pifokoa’ i Efraime le efats’ ale-tsi-liman-jato.
34 ary tamin’ ny taranak’ i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Amo tarira’i Menaseo, ty fiantoño’e, amo fifokoa’eo amo anjomban-droae’eo ty ia’ o tahina’eo, ze roapolo taoñe mañambone, ze nahafionjom-bañ’ aly iaby;
35 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
ty vinolily am-pifokoa’i Menasè, telo-ale-tsi-ro-arivo-tsi-roan-jato.
36 Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Amo tarira’i Beniamèneo, ty fiantoño’e, am-pifokoa’e, amo anjomban-droae’eo, ty ia’ o tahina’eo, ze roapolo taoñe mañambone, ze hene nahafionjom-bañ’aly;
37 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
ty vinolily am-pifokoa’ i Beniamène, telo-ale-tsi-lime-arivo-tsi-efa-jato.
38 Ary tamin’ ny taranak’ i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Amo tarira’ i Daneo, ty fiantoño’e, am-pifokoa’e amo anjomban-droae’eo ty ia’ o tahina’eo, ze roapolo taoñe mañambone, ze hene nahafionjom-bañ’aly;
39 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
ze vinolily am-pifokoa’ i Dane ao le eneñ’ ale-tsi-ro-arivo-tsi-fiton-jato.
40 Ary tamin’ ny taranak’ i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
Amo tarira’ i Asereo, ty fiantoño’e, am-pifokoa’e amo anjomban-droae’eo ty ia’ o tahina’eo, ze roapolo taoñe mañambone, ze hene nahafionjom-bañ’ aly;
41 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
ze vinolily am-pifokoa’ i Asere, efats’ale-tsi-arivo-tsi-liman-jato.
42 Ary tamin’ ny taranak’ i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Amo tarira’ i Naftalio, ty fiantoño’e, ampifokoa’e amo anjomban-droae’eo ty ia’ o tahina’eo, ze roapolo taoñe mañambone, ze hene nahafionjom-bañ’aly;
43 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
ze vinolily am-pifokoa’ i Naftaly, lime-ale-tsi-telo-arivo-tsi-efa-jato.
44 Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin’ ny folo lahy lehibe amin’ ny Isiraely, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy.
Ie o vinolilio, o niahe’ i Mosè naho i Aharone, naho o mpiaolo’ Israeleoo, ondaty folo ro’ amby, songa sorotàn’ anjomban-droae’e.
45 Ary izay rehetra avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin’ ny Isiraely,
Aa le ze niaheñe amo ana’ Israeleo, amo anjomban-droae’eo, ie niroapolo taoñe mañambone, o nahafionjom-bañ’aly ho a Israeleo;
46 dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
ze hene vinolily, le enen-ketse-tsi-telo arivo-tsi-liman-jato-tsi-limampolo.
47 Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan’ ireo.
Tsy niaheñe am’ iereo ami’ty fifokoan-droae’ iareo o nte-Levio.
48 Fa Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Fa hoe ty nitsarae’ Iehovà amy Mosè:
49 Ny firenen’ ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely;
Ko iahe’o ty fifokoa’ i Levy, le tsy ho volilie’o amo ana’ Israeleo,
50 fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
f’ie ho tendrè’o amy kibohom-pañinay, amo harao’e iabio naho amy ze he’e ama’e, hitarazo i kivohoy naho o harao’e iabio; ho vandroñe’ iereo vaho hitobe hiarikoboñe aze.
51 Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Aa ie hionjom-beo i kivohoy le o nte-Levio ro hampikatrak’ aze; ie haoreñe ka i kivohoy le o nte-Levio ty hampitroatse aze. Havetrake t’indaty ila’e mañarivo ama’e.
52 Dia hitoby ny Zanak’ Isiraely, samy eo amin’ ny tobiny avy, ary samy eo amin’ ny fanevany ary, araka ny antokony.
Hañoreñe o kiboho’ iareoo o ana’ Israeleo songa an-kitòbe’e; sindre aman-tsai’e, amo mpirai-lia’eo;
53 Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
fe hitobe añariari’ i kibohom-pañinay o nte-Levio, tsy hifetsahan-kaviñerañe i valobohò’ Israeley; le ho mpamandroñe i kibohom-pañinay o nte-Levio.
54 Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataony.
Nanoe’ o ana’ Israeleo izay; ze hene nandilia’ Iehovà i Mosè ty nanoe’ iereo.