< Nomery 9 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanao hoe:
BWANA akanena na Musa katika katika jangwa la Sinai, mwezi wa kwanza wa mwaka wa pili baada ya kutoka katika nci ya Misri. Akasema,
2 Aoka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Paska amin’ ny fotoany.
“Wana wa Israeli wataikumbuka Pasaka katika wakati wake kila mwaka.
3 Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity no hitandremanareo azy amin’ ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.
Siku ya kumi na nne ya mwezi huu, muda wa jioni, utaikumbuka Pasaka kila mwaka kwa muda uliopanggwa. Lazima uikumbuke, fuata taratibu zake zote na utii sheria zake zote zinazohusiana na tukio hilo.
4 Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitandrina ny Paska.
Kwa hiyo, Musa akawaambia wana wa Isareli kuwa wataishika sikukuu ya Pasaka.
5 Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’ i Sinay izy tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.
Kwa hiyo wakaishika sikuu ya Pasaka katika mwezi wa kwanza, wakati wa jioni wa siku ya kumi na nne ya mwezi katika jangwa la Sinai. Wana wa Israeli walitii kila kitu ambacho BWANA alimwamuru Musa kukifanya.
6 Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’ izany andro izany; dia nankeo anatrehan’ i Mosesy sy Arona izy tamin’ izany andro izany
Kulikuwa na watu fulani walionajisika kwa sababu ya maiti ya mtu. Hawakuweza kuishika Pasaka siku hiyo. Kwa hiyo walikwenda kwa Musa na Haruni siku hiyohiyo.
7 ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoany?
Wakamwambia Musa, “Sisi tumenajisika kwa sababu ya maiti ya mtu. Kwa nini basi unatutaka tuendelee kutoa sadaka kwa BWANA kwa wakati wa mwaka uliopangwa kwa wana wa Israeli?”
8 Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian’ i Jehovah ny aminareo.
Naye Musa akawaambia, “Subirini nimsikilize BWANA ataniambia nini juu Yenu.”
9 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
BWANA akanena na Musa, akamwambia,
10 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah ihany koa izy.
“Nena na wana wa Israeli, uwaambie, 'kama mmoja wenu au mwana wa uzao wenu amenajisika kwa sababu ya maiti, au ana safari ndefu, bado anaweza kuishika Pasaka ya BWANA.
11 Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin’ ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.
Wataishika Pasaka siku ya kumi na nne ya mwezi wa pili wakati wa jioni. Wataila kwa mikate isyotiwa chahcu na mboga chungu.
12 Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
Wasiiache mpaka jioni, au kuvunja mifupa yake. Watafuata taratibu zote za Pasaka.
13 Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
Lakini mtu yeyote asiye najisi na hayuko safarini, na akashindwa kuishika Pasaka, huyo mtu lazima aondolewe kati ya watu wake kwa sababu hakutoa sadaka ambayo BWANA huitaka kwa wakati wa mwaka uliopangwa. Huyo mtu lazima aibebe dhambi yake.
14 Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin’ ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
Kama mtu mgeni anayeishi kati yenu na akaishika, Pasaka kwa heshima ya BWANA, ataishika na kufanya amri zote, na kutii taratibu zake. Utakuwa na sheria hizohizo kwa wageni na kwa wote waliaozaliwa katika nchi.
15 Ary tamin’ ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain’ ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain’ ny andro.
Na siku hiyo ambayo masikani iliposimamishwa, wingu lilifunika masikani, ile hema ya amari ya agano. Ilipokuwa jioni wingu lilkuwa juu ya masikani. Lilionekana kama moto mpaka asubuhi.
16 Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.
Liliendelea hivyohivyo. Lile wingu lilifunika masikani na kuonekana kama moto wakati wa usiku.
17 Ary rehefa niakatra niala tamin’ ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak’ Isiraely, ka teo amin’ izay nijanonan’ ny rahona no nitobiany.
Na kila wingu lilipochukuliwa kutoka kwenye hema, wana wa Isareli waliendelea na safari yao. Na kila wingu liliposimama, watu waliweka kambi.
18 Araka ny didin’ i Jehovah no niaingan’ ny Zanak’ Isiraely, ary araka ny didin’ i Jehovah koa no nitobiany; tamin’ ny andro rehetra izay nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely no nitobiany.
Wana wa Israrli walisafiri kwa amri ya BWANA, na kwa amri yake waliweka kambi. Wakati wingu liliposimama juu ya masikani, nao walikaa kwenye kambi zao.
19 Ary na dia nijanona ela teo ambonin’ ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain’ i Jehovah notandremana ihany ny Zanak’ Isiraely ka tsy niainga.
Na wingu lilipobaki kwenye masikani kwa siku nyingi, wana wa Israeli walitakiwa kutii maelekezo ya BWANA na kusitisha safari yao.
20 Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely; araka ny didin’ i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany.
Wakati mwingine wingu lilibaki kwa siku chache tu kwenye masikani. Kwa mazingira kama hayo walilazimika kutii amri ya BWANA - waliweka kambi na kisha kuendelea na safari tena kwa amri yake.
21 Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak’ Isiraely; koa na andro na alina no niakaran’ ny rahona, dia niainga izy.
Wakati mwingine wingu lilikuwepo kambini kuanzia jioni mpaka asubuhi. Na wingu liliponyanyuliwa asubuhi, walisafiri. Kama liliendelea kwa mchana wote na kwa usiku wote, ni pale tu wingu liliponyanyuliwa ndipo walipoendelea na safari.
22 Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak’ Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
Hata kama wingu lilibaki kwenye masikini kwa siku mbili, kwa mwezi mmoja, au kwa mwaka mmoja, ili mradi tu limebaki pale, wana wa Israeli walibaki kwenye kambi zao na kusitisha safari. Lakini pale wingu liliponyanyuliwa, walianza safari yao.
23 Araka ny didin’ i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain’ i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
Walifanya kambi kwa amri ya BWANA, na walisafiri kwa amri yake. Walitii amri ya BWANA iliyotolewa kupitia kwa Musa

< Nomery 9 >