< Nomery 8 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
The LORD spoke to Moses, saying,
2 Mitenena amin’ i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan’ ny fanaovan-jiro izy.
“Speak to Aaron, and tell him, ‘When you light the lamps, the seven lamps shall give light in front of the lamp stand.’”
3 Dia nataon’ i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan’ ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Aaron did so. He lit its lamps to light the area in front of the lamp stand, as the LORD commanded Moses.
4 Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin’ ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon’ i Jehovah an’ i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
This was the workmanship of the lamp stand, beaten work of gold. From its base to its flowers, it was beaten work. He made the lamp stand according to the pattern which the LORD had shown Moses.
5 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
The LORD spoke to Moses, saying,
6 Alao ny Levita avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka diovy izy.
“Take the Levites from amongst the children of Israel, and cleanse them.
7 Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
You shall do this to them to cleanse them: sprinkle the water of cleansing on them, let them shave their whole bodies with a razor, let them wash their clothes, and cleanse themselves.
8 Dia asaovy maka vantotr’ ombilahy iray izy mbamin’ ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr’ ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
Then let them take a young bull and its meal offering, fine flour mixed with oil; and another young bull you shall take for a sin offering.
9 Ary ento ny Levita hankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
You shall present the Levites before the Tent of Meeting. You shall assemble the whole congregation of the children of Israel.
10 Ary ento ny Levita hankeo anatrehan’ i Jehovah; ary ny Zanak’ Isiraely hametraka ny tànany aminy;
You shall present the Levites before the LORD. The children of Israel shall lay their hands on the Levites,
11 ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan’ i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba hanao ny fanompoana an’ i Jehovah izy.
and Aaron shall offer the Levites before the LORD for a wave offering on the behalf of the children of Israel, that it may be theirs to do the service of the LORD.
12 Ary ny Levita hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an’ ny Levita.
“The Levites shall lay their hands on the heads of the bulls, and you shall offer the one for a sin offering and the other for a burnt offering to the LORD, to make atonement for the Levites.
13 Ary apetraho eo anatrehan’ i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an’ i Jehovah izy.
You shall set the Levites before Aaron and before his sons, and offer them as a wave offering to the LORD.
14 Ary ampiavaho amin’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
Thus you shall separate the Levites from amongst the children of Israel, and the Levites shall be mine.
15 Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
“After that, the Levites shall go in to do the service of the Tent of Meeting. You shall cleanse them, and offer them as a wave offering.
16 fa efa nomena ho Ahy avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely mihitsy izy; ho solon’ izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
For they are wholly given to me from amongst the children of Israel; instead of all who open the womb, even the firstborn of all the children of Israel, I have taken them to me.
17 Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
For all the firstborn amongst the children of Israel are mine, both man and animal. On the day that I struck all the firstborn in the land of Egypt, I sanctified them for myself.
18 Ary efa nalaiko ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely.
I have taken the Levites instead of all the firstborn amongst the children of Israel.
19 Ary nomeko ho an’ i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, hanao ny fanompoan’ ny Zanak’ Isiraely ao amin’ ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masìna izy.
I have given the Levites as a gift to Aaron and to his sons from amongst the children of Israel, to do the service of the children of Israel in the Tent of Meeting, and to make atonement for the children of Israel, so that there will be no plague amongst the children of Israel when the children of Israel come near to the sanctuary.”
20 Dia nataon’ i Mosesy sy Arona mbamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny Levita no nataon’ ny Zanak’ Isiraely taminy.
Moses, and Aaron, and all the congregation of the children of Israel did so to the Levites. According to all that the LORD commanded Moses concerning the Levites, so the children of Israel did to them.
21 Dia nodiovin’ ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
The Levites purified themselves from sin, and they washed their clothes; and Aaron offered them for a wave offering before the LORD and Aaron made atonement for them to cleanse them.
22 Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan’ i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny Levita no nataony taminy.
After that, the Levites went in to do their service in the Tent of Meeting before Aaron and before his sons: as the LORD had commanded Moses concerning the Levites, so they did to them.
23 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
The LORD spoke to Moses, saying,
24 Ny amin’ ny Levita dia izao: Hatramin’ ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin’ ny antokony hanao ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana;
“This is what is assigned to the Levites: from twenty-five years old and upward they shall go in to wait on the service in the work of the Tent of Meeting;
25 fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin’ ny antokon’ ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;
and from the age of fifty years they shall retire from doing the work, and shall serve no more,
26 kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin’ ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin’ ny Levita ny amin’ ny anjara-raharahany.
but shall assist their brothers in the Tent of Meeting, to perform the duty, and shall perform no service. This is how you shall have the Levites do their duties.”

< Nomery 8 >