< Nomery 7 >

1 Ary tamin’ ny andro izay nahavitan’ i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,
موسی در روزی که بر پا سازی خیمهٔ عبادت را به پایان رسانید تمامی قسمتهای آن و نیز مذبح و لوازم آن را تدهین و تقدیس نمود.
2 dia nitondra fanatitra ny lohan’ ny firenen’ ny Isiraely, dia ny lohan’ ny fianakaviana (ireo no lohan’ ny firenena, izay nifehy ny voalamina).
آنگاه رهبران اسرائیل، یعنی سران قبایل که ترتیب سرشماری را داده بودند، هدایای خود را آوردند.
3 Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan’ i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin’ ny folo, dia sariety iray no avy amin’ ny lohan’ ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan’ ny tabernakely izy.
ایشان شش ارابهٔ سر پوشیده (یک ارابه برای دو رهبر) که هر ارابه را دو گاو می‌کشیدند آورده، در برابر خیمهٔ عبادت به خداوند تقدیم کردند.
4 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
آنگاه خداوند به موسی فرمود:
5 Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy.
«هدایای ایشان را قبول کن و از آنها برای کار خیمۀ ملاقات استفاده نما. آنها را به لاویان بده تا هر کس متناسب با خدمتش از آنها استفاده کند.»
6 Dia noraisin’ i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.
پس موسی، ارابه‌ها و گاوها را در اختیار لاویان گذاشت.
7 Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an’ ny taranak’ i Gersona, araka ny fanompoany;
دو ارابه و چهار گاو به طایفهٔ جرشون داد تا برای کار خود از آنها استفاده کنند
8 ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho an’ ny taranak’ i Merary, araka ny fanompoany, eo amin’ ny fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona.
و چهار ارابه و هشت گاو نیز به طایفهٔ مراری که تحت رهبری ایتامار پسر هارون بودند، داد تا برای کارشان از آنها استفاده کنند.
9 Fa ny taranak’ i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masìna no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.
به قهاتیان گاو یا ارابه داده نشد، چون قرار بود ایشان سهم بار خود را از اسباب مقدّس خیمهٔ عبادت، روی دوش حمل کنند.
10 Dia ny lohan’ ny firenena no nanatitra ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan’ ny alitara izy.
رهبران در روزی که مذبح تدهین شد هدایایی نیز برای تبرک آن تقدیم کردند و آنها را جلوی مذبح گذاشتند.
11 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aoka ny lohan’ ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin’ ny an’ androny avy ho amin’ ny fitokanana ny alitara.
خداوند به موسی فرمود: «هر روز یکی از رهبران، هدیهٔ خود را جهت تبرک مذبح تقدیم کند.»
12 Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin’ ny andro voalohany dia Nasona, zanak’ i Aminadaba, avy tamin’ ny firenen’ i Joda.
پس رهبران، هدایای خود را به ترتیب زیر تقدیم نمودند: روز از قبیله اسم رهبر اول یهودا نحشون پسر عمیناداب دوم یساکار نتنائیل پسر صوغر سوم زبولون الیاب پسر حیلون چهارم رئوبین الیصور پسر شدی‌ئور پنجم شمعون شلومی‌ئیل پسر صوریشدای ششم جاد الیاساف پسر دعوئیل هفتم افرایم الیشمع پسر عمیهود هشتم منسی جملی‌ئیل پسر فدهصور نهم بنیامین ابیدان پسر جدعونی دهم دان اخیعزر پسر عمیشدای یازدهم اشیر فجعی‌ئیل پسر عکران دوازدهم نفتالی اخیرع پسر عینان هدایای تقدیمی هر یک از رهبران که کاملاً مشابه یکدیگر بود عبارت بودند از: یک سینی نقره‌ای به وزن ۱٫۵ کیلوگرم با یک کاسهٔ نقره‌ای به وزن هشتصد گرم (برحسب مثقال عبادتگاه)، که هر دو پر از آرد مرغوب مخلوط با روغن برای هدیهٔ آردی بودند؛ یک ظرف طلایی به وزن ۱۱۰ گرم پر از بخور خوشبو؛ یک گوسالۀ نر، یک قوچ و یک برهٔ نر یک ساله برای قربانی سوختنی؛ یک بز نر برای قربانی گناه؛ دو گاو نر، پنج قوچ، پنج بز نر و پنج برهٔ نر یک ساله برای قربانی سلامتی.
13 Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
14 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
15 ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
16 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
17 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Nasona, zanak’ i Aminadaba.
18 Ary tamin’ ny andro faharoa dia Netanela, zanak’ i Zoara, lohan’ ny taranak’ Isakara, no nanatitra.
19 Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
20 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
21 ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
22 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
23 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Netanela, zanak’ i Zoara.
24 Ary tamin’ ny andro fahatelo dia Eliaba, zanak’ i Helona, lohan’ ny taranak’ i Zebolona, no nanatitra.
25 Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
26 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
27 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
28 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
29 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Eliaba, zanak’ i Helona.
30 Ary tamin’ ny andro fahefatra dia Elizora, zanak’ i Sedeora, lohan’ ny taranak’ i Robena, no nanatitra.
31 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
32 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;
33 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
34 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
35 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray ireo no fanatitr’ i Elizora, zanak’ i Sedeora.
36 Ary tamin’ ny andro fahadimy dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday, lohan’ ny taranak’ i Simeona, no nanatitra.
37 Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
38 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
39 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
40 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
41 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Selomiela, zanak’ i Zorisaday,
42 Ary tamin’ ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak’ i Doela, lohan’ ny taranak’ i Gada, no nanatitra.
43 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
44 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
45 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
46 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
47 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Eliasafa, zanak’ i Doela.
48 Ary tamin’ ny andro fahafito dia Elisama, zanak’ i Amihoda, lohan’ ny taranak’ i Efraima, no nanatitra.
49 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
50 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
51 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
52 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
53 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Elisama, zanak’ i Amihoda.
54 Ary tamin’ ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora, lohan’ ny taranak’ i Manase, no nanatitra.
55 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
56 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
57 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
58 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
59 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Gamaliela, zanak’ i Pedazora.
60 Ary tamin’ ny andro fahasivy dia Abidana, zanak’ i Gideony, lohan’ ny taranak’ i Benjamina, no nanatitra.
61 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
62 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
63 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;
64 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
65 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Abidana, zanak’ i Gideony.
66 Ary tamin’ ny andro fahafolo Ahiezera, zanak’ i Amisaday, lohan’ ny taranak’ i Dana, no nanatitra.
67 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
68 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
69 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
70 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
71 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Ahiezera, zanak’ i Amisaday.
72 Ary tamin’ ny andro fahiraika ambin’ ny folo dia Pagiela, zanak’ i Okrana, lohan’ ny taranak’ i Asera, no nanatitra.
73 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
74 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
75 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
76 osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
77 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Pagiela, zanak’ i Okrana.
78 Ary tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo dia Ahira, zanak’ i Enana, lohan’ ny taranak’ i Naftaly, no nanatitra.
79 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
80 lovia kely volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
81 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;
82 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
83 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Ahira, zanak’ i Enana.
84 Ireo no zavatra naterin’ ny lohan’ ny Isiraely ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin’ ny folo, lovia volafotsy roa ambin’ ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin’ ny folo;
بنابراین، در روزی که مذبح تدهین شد آن را به‌وسیلۀ هدایایی که سران قبایل اسرائیل آورده بودند تبرک کردند. این هدایا عبارت بودند از: دوازده سینی نقره‌ای هر کدام به وزن تقریبی ۱٫۵ کیلوگرم؛ دوازده کاسهٔ نقره‌ای، هر کدام به وزن تقریبی ۸۰۰ گرم برحسب مثقال عبادتگاه (پس وزن تمام نقرهٔ اهدایی حدود ۲۸ کیلوگرم بود)؛ دوازده ظرف طلایی، هر یک به وزن تقریبی ۱۱۰ گرم که وزن کل آنها حدود ۱٫۳ کیلوگرم بود؛ دوازده گاو نر، دوازده قوچ، دوازده بز نر یک ساله (با هدایای آردی همراه آنها) برای قربانی سوختنی، دوازده بز نر برای قربانی گناه؛ بیست و چهار گاو نر جوان، شصت قوچ، شصت بز نر و شصت برهٔ نر یک ساله برای قربانی سلامتی.
85 sekely telo-polo amby zato avy no lanjan’ ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan’ ny volafotsy rehetra tamin’ ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masìna;
86 lovia kely volamena roa ambin’ ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masìna; ny lanjan’ ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.
87 Ny isan’ ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo, ondrilahy roa ambin’ ny folo, zanak’ ondry roa ambin’ ny folo, izay samy iray taona, mbamin’ ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota.
88 Ary ny isan’ ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr’ ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak’ ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.
89 Ary rehefa niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin’ Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.
وقتی که موسی وارد خیمهٔ ملاقات شد تا با خدا گفتگو کند، از بالای تخت رحمت که روی صندوق عهد قرار داشت یعنی از میان دو کروبی، صدای خدا را که با او سخن می‌گفت شنید.

< Nomery 7 >