< Nomery 6 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
locutus est Dominus ad Mosen dicens
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’ i Jehovah,
loquere ad filios Israhel et dices ad eos vir sive mulier cum fecerit votum ut sanctificentur et se voluerint Domino consecrare
3 dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.
vino et omni quod inebriare potest abstinebunt acetum ex vino et ex qualibet alia potione et quicquid de uva exprimitur non bibent uvas recentes siccasque non comedent
4 Amin’ ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin’ ny voaloboka hatramin’ ny voany ka hatramin’ ny hodiny izy.
cunctis diebus quibus ex voto Domino consecrantur quicquid ex vinea esse potest ab uva passa usque ad acinum non comedent
5 Amin’ ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’ i Jehovah dia ho masìna izy, ka havelany haniry ny volondohany.
omni tempore separationis suae novacula non transibit super caput eius usque ad conpletum diem quo Domino consecratur sanctus erit crescente caesarie capitis eius
6 Amin’ ny andro rehetra izay itokanany ho an’ i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;
omni tempore consecrationis suae super mortuum non ingredietur
7 aoka tsy handoto tena izy na dia amin’ ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin’ ny lohany ny fitokanana ho an’ Andriamaniny.
nec super patris quidem et matris et fratris sororisque funere contaminabitur quia consecratio Dei sui super caput eius est
8 Amin’ ny andro fitokanany rehetra dia ho masìna ho an’ i Jehovah izy.
omnes dies separationis suae sanctus erit Domino
9 Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin’ ny andro fanadiovana azy izy, dia amin’ ny andro fahafito no hanaratany azy;
sin autem mortuus fuerit subito quispiam coram eo polluetur caput consecrationis eius quod radet ilico et in eadem die purgationis suae et rursum septima
10 ary amin’ ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin’ ny mpisorona, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy.
in octavo autem die offeret duos turtures vel duos pullos columbae sacerdoti in introitu foederis testimonii
11 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin’ ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin’ izany andro izany izy.
facietque sacerdos unum pro peccato et alterum in holocaustum et deprecabitur pro eo quia peccavit super mortuo sanctificabitque caput eius in die illo
12 Dia hanokana ho an’ i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany
et consecrabit Domino dies separationis illius offerens agnum anniculum pro peccato ita tamen ut dies priores irriti fiant quoniam polluta est sanctificatio eius
13 Ary izao no lalàna ny amin’ ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy;
ista est lex consecrationis cum dies quos ex voto decreverat conplebuntur adducet eum ad ostium tabernaculi foederis
14 ary hanatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,
et offeret oblationem eius Domino agnum anniculum inmaculatum in holocaustum et ovem anniculam inmaculatam pro peccato et arietem inmaculatum hostiam pacificam
15 ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin’ ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
canistrum quoque panum azymorum qui conspersi sunt oleo et lagana absque fermento uncta oleo ac libamina singulorum
16 Dia haterin’ ny mpisorona eo anatrehan’ i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;
quae offeret sacerdos coram Domino et faciet tam pro peccato quam in holocaustum
17 dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin’ ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.
arietem vero immolabit hostiam pacificam Domino offerens simul canistrum azymorum et libamenta quae ex more debentur
18 Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin’ ny afo izay eo ambanin’ ny fanati-pihavanana.
tunc radetur nazareus ante ostium tabernaculi foederis caesarie consecrationis suae tolletque capillos eius et ponet super ignem qui est subpositus sacrificio pacificorum
19 Dia halain’ ny mpisorona ny sorok’ ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin’ ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin’ ny tanan’ ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.
et armum coctum arietis tortamque absque fermento unam de canistro et laganum azymum unum et tradet in manibus nazarei postquam rasum fuerit caput eius
20 Dia hahevahevan’ ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna izany ho an’ ny mpisorona ho fanampin’ ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
susceptaque rursum ab eo elevabit in conspectu Domini et sanctificata sacerdotis erunt sicut pectusculum quod separari iussum est et femur post haec potest bibere nazareus vinum
21 Izany no lalàna ny amin’ ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ ny fitokanany.
ista est lex nazarei cum voverit oblationem suam Domino tempore consecrationis suae exceptis his quae invenerit manus eius iuxta quod mente devoverat ita faciet ad perfectionem sanctificationis suae
22 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
locutus est Dominus ad Mosen dicens
23 Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak’ Isiraely:
loquere Aaron et filiis eius sic benedicetis filiis Israhel et dicetis eis
24 Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
benedicat tibi Dominus et custodiat te
25 Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
ostendat Dominus faciem suam tibi et misereatur tui
26 Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
convertat Dominus vultum suum ad te et det tibi pacem
27 Dia hametraka ny anarako amin’ ny Zanak’ Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
invocabunt nomen meum super filios Israhel et ego benedicam eis