< Nomery 5 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
BWANA alinena na Musa. Akasema,
2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin’ ny toby;
“Waamuru wana wa Israel wawatoe watu wote wenye magonjwa ya ngozi yanayoambukiza, na kila mwenye mwenye vidonda vinavyotoa harufu, na ambaye amenajisika kwa kugusa maiti.
3 na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan’ ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.
Awe mme au mke, umtoa kambini. Ili wasije wakaitia unajisi kambi, kwa sababu Mimi huishi ndani yake,”
4 Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan’ ny toby; araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.
Watu wa Israeli walifanya hivyo. Waliwatoa kambini, Kama BWANA alivyomwagiza Musa. Watu wa Israeli walimtii BWANA.
5 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Tena BWANA akanena na Musa. Akasema,
6 Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ ny olona ka manao izay mahadiso amin’ i Jehovah ary meloka,
“Nena na wana wa Israeli. mtu mume na mtu mke akifanya dhambi yeyote ambayo watu hufanyiana wao kwa wao, na mtu huyo akamwasi BWANA, mtu huyo atakuwa na hatia.
7 dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin’ ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an’ ilay nanaovany diso.
Ndipo huyo mtu ataungama hiyo dhambi aliyoifanya. Mtu huyo atarudisha malipo ya hatia yake na kuongeza kwenye malipo hayo sehemu ya tano zaidi. Atamlipa huyo aliyemtendea makosa
8 Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin’ ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an’ i Jehovah ka ho an’ ny mpisorona, ho fanampin’ ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
Lakini kama huyo mtu huyu aliyetendewa kosa hana ndugu wa kupokea hayo malipo, basi atalipa hayo malipo ya hatia kwangu kupitia kuhani pamoja na kondoo dume kwa ajili ya sadaka yake mwenyewe.
9 Ary ny fanatitra rehetra alaina amin’ ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.
Kila sadaka ya wana wa Israeli, vitu ambavyo vimetengwa na vikaletwa kwa kuhani na watu wa Israeli, vitakuwa vyake.
10 Ary ho azy ny zava-masìna aterin’ ny olona rehetra; na inona na inona omen’ olona ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.
Sadaka ya kila mtu itakuwa ya kuhani; kama mtu yeyote atatoa kitu chochote kwa kuhani, kitakuwa chake.”
11 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Tena BWANA akanena na Musa. Akasema,
12 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin’ olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ ny lahy,
“Nena na wana wa Israel. Uwaambie, 'kama mke wa mtu ataasi na kufanya dhambi dhidi ya mume wake.
13 fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan’ ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
Halafu mtu mwingine akalala naye. Kwa sababu, hiyo atakuwa amenajisika. Na hata kama mume wake hakuona na hajui, hata kama hakuna mtu aliyemkamta akiwa katika tendo na hakuna mtu wa kushuhudia dhidi yake; hata hivyo ile roho ya wivu itaendele kumjulisha yule mume kuwa mke wake amenajisika.
14 kanefa misy fiahiahiana ao amin’ ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin’ ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;
Ingawa, roho ya wivu inaweza kumdanganya yule mwanamume wakati mke wake hajanajisika.
15 dia ho entin’ ny lahy ho eo amin’ ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon’ ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
Kwa mazingira hayo, yule mwanamume anapaswa kumpeleka mke wake kwa kuhani. Yule mwanamume anapaswa kutoa sadaka ya divai kwa ajili yake. Atapaswa kuleta sehemu ya kumi ya efa ya unga wa shayiri. Asitie mafuta juu yake wala asitie ubani juu yake maana ni sadaka ya unga ya wivu, ni sadaka ya unga ya ukumbusho wa uovu.
16 Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan’ i Jehovah;
Ndipo kuhani atasogeza karibu na kumweka mbele ya BWANA.
17 dia haka rano masìna amin’ ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin’ izay itoeran’ ny tabernakely dia hangalan’ ny mpisorona ka hataony amin’ ny rano;
Kuhani atachukua kikombe cha maji matakatifu na atachukua mavumbi ya kwenye masikani. Ataweka yale mavumbi kwenye maji.
18 ary ravehivavy dia hampitoeran’ ny mpisorona eo anatrehan’ i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan’ ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
Kisha kuhani atamweka huyo mwanamke mbele za BWANA na atazifungua nywele kichwani kwa huyo mwanamke. Atamwekea mikononi mwake hiyo sadaka ya unga kwa ajili ya ukumbusho, ambayo ni sadaka ya unga kwa ajili ya wivu.
19 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin’ ny vadinao ho amin’ ny fahalotoana ianao, dia afaka amin’ ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
Kuhani atashikilia mikononi mwake maji machungu yanayoweza kuleta laana. Kuhani atamweka huyo mwanamke chini ya kiapo na kumwambia. 'Kama haujafanya uzinzi na mwanaume mwingine, na kama hajakengeuka na kufanya uovu, basi utakuwa huru na maji haya yanayoweza kuleta laana.
20 fa raha nivily niala tamin’ ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
Lakini kama wewe, mwanamke uliye chini ya mume wako, umekengeuka, na kama umenajisika, na kama mwanamume mwingina amelala nawe,
21 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ ny firenenao, amin’ ny fampifezahan’ i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
ndipo, (kuhani atamtaka huyo mwanamke aape kiapo kinachoweza kuleta laana kwake, na kwamba ataendelea kumwambia yule mwanamke) 'BWANA atakufanya wewe kuwa laana itakayooneshwa kuwa hivyo kwa watu wako. Hii itatokea pale BWANA atakapoyafanya mapaja yako kuoza na tumbo lako kuvimba.
22 ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
Haya maji ambayo huleta laana yataingia tumboni mwako na kulifanya tumbo lako kuvimba na mapaja yako kuoza,' mwanamke alitakiwa kujibu, 'Ndiyo, hayo yanipate kama mimi ni mwenye hatia.'
23 Ary hosoratan’ ny mpisorona amin’ ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin’ ny rano mangidy ny soratra;
Naye kuhani ataziandika laana hizi kwenye kitabu, na kisha kuzifuta laana zilizoandikwa kwa maji ya uchungu.
24 dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
Naye kuhani atamwelekeza yule mwanamke kunywa yale maji machungu yaletayo laana. Yale maji yaletayo laana yataingia na kuwa machungu.
25 Dia halain’ ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan’ i Jehovah izany ka hateriny eo amin’ ny alitara.
Kuhani ataitwaa ile sadaka ya unga ya wivu mikononi mwa yule mwanamke. Atailekeza ile sadaka ya unga mbele ya BWANA na kuileta madhabahuni.
26 Dia horaofin’ ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
Kuhani atachukua konzi ya sadaka ya unga mkononi mwake kama sadaka ya kuwakilisha, na kuiteketeza madhabahuni. Ndipo atakapompatia mwanamke yale maji machungu ili ayanywe.
27 Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin’ ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin’ ny fireneny ravehivavy.
Wakati wa kumpa yale maji ili anywe, kama amenajisika kwa sababu alifanya uovu dhidi ya mume wake, ndipo yale maji yaletayo laana yatamwingia na kuwa machungu. Tumbo lake litavimba na paja lake litaoza. Yule mwanamke atalaaniwa kati ya watu wake.
28 Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan’ anaka.
Lakini kama yule mwanake hajanajisika na kama ni msafi, basi atakuwa huru. Tena ataweza kubeba uja uzito.
29 Izany no lalàna ny amin’ ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin’ ny vadiny ka voaloto;
Hii ndiyo sheria ya wivu. Ni sheria ya mwanamke anayekengeuka kwa mumewe na kunajisika.
30 na misy lehilahy azon’ ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan’ i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany aminy.
Ni sheria ya mwanamume mwenye roho ya wivu kwa mkewe. Atamleta mwanamke mbele ya BWANA, na kuhani atamfanyia huyo mwanamke kila kitu ambacho sheria ya wivu inamtaka kufanya.
31 Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.
Yule mwanamume atakuwa hana hatia kwa kumleta mke wake kwa kuhani. Na yule mwanmke atauchukua uovu wake.”

< Nomery 5 >