< Nomery 5 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
耶和華曉諭摩西說:
2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin’ ny toby;
「你吩咐以色列人,使一切長大痲瘋的,患漏症的,並因死屍不潔淨的,都出營外去。
3 na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan’ ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.
無論男女都要使他們出到營外,免得污穢他們的營;這營是我所住的。」
4 Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan’ ny toby; araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.
以色列人就這樣行,使他們出到營外。耶和華怎樣吩咐摩西,以色列人就怎樣行了。
5 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
耶和華對摩西說:
6 Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ ny olona ka manao izay mahadiso amin’ i Jehovah ary meloka,
「你曉諭以色列人說:無論男女,若犯了人所常犯的罪,以致干犯耶和華,那人就有了罪。
7 dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin’ ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an’ ilay nanaovany diso.
他要承認所犯的罪,將所虧負人的,如數賠還,另外加上五分之一,也歸與所虧負的人。
8 Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin’ ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an’ i Jehovah ka ho an’ ny mpisorona, ho fanampin’ ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
那人若沒有親屬可受所賠還的,那所賠還的就要歸與服事耶和華的祭司;至於那為他贖罪的公羊是在外。
9 Ary ny fanatitra rehetra alaina amin’ ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.
以色列人一切的聖物中,所奉給祭司的舉祭都要歸與祭司。
10 Ary ho azy ny zava-masìna aterin’ ny olona rehetra; na inona na inona omen’ olona ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.
各人所分別為聖的物,無論是甚麼,都要歸給祭司。」
11 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
耶和華對摩西說:
12 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin’ olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ ny lahy,
「你曉諭以色列人說:人的妻若有邪行,得罪她丈夫,
13 fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan’ ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
有人與她行淫,事情嚴密,瞞過她丈夫,而且她被玷污,沒有作見證的人,當她行淫的時候也沒有被捉住,
14 kanefa misy fiahiahiana ao amin’ ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin’ ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;
她丈夫生了疑恨的心,疑恨她,她是被玷污,或是她丈夫生了疑恨的心,疑恨她,她並沒有被玷污,
15 dia ho entin’ ny lahy ho eo amin’ ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon’ ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
這人就要將妻送到祭司那裏,又為她帶着大麥麵伊法十分之一作供物,不可澆上油,也不可加上乳香;因為這是疑恨的素祭,是思念的素祭,使人思念罪孽。
16 Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan’ i Jehovah;
「祭司要使那婦人近前來,站在耶和華面前。
17 dia haka rano masìna amin’ ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin’ izay itoeran’ ny tabernakely dia hangalan’ ny mpisorona ka hataony amin’ ny rano;
祭司要把聖水盛在瓦器裏,又從帳幕的地上取點塵土,放在水中。
18 ary ravehivavy dia hampitoeran’ ny mpisorona eo anatrehan’ i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan’ ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
祭司要叫那婦人蓬頭散髮,站在耶和華面前,把思念的素祭,就是疑恨的素祭,放在她手中。祭司手裏拿着致咒詛的苦水,
19 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin’ ny vadinao ho amin’ ny fahalotoana ianao, dia afaka amin’ ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
要叫婦人起誓,對她說:『若沒有人與你行淫,也未曾背着丈夫做污穢的事,你就免受這致咒詛苦水的災。
20 fa raha nivily niala tamin’ ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
你若背着丈夫行了污穢的事,在你丈夫以外有人與你行淫,
21 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ ny firenenao, amin’ ny fampifezahan’ i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
(祭司叫婦人發咒起誓),願耶和華叫你大腿消瘦,肚腹發脹,使你在你民中被人咒詛,成了誓語;
22 ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
並且這致咒詛的水入你的腸中,要叫你的肚腹發脹,大腿消瘦。』婦人要回答說:『阿們,阿們。』
23 Ary hosoratan’ ny mpisorona amin’ ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin’ ny rano mangidy ny soratra;
「祭司要寫這咒詛的話,將所寫的字抹在苦水裏,
24 dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
又叫婦人喝這致咒詛的苦水;這水要進入她裏面變苦了。
25 Dia halain’ ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan’ i Jehovah izany ka hateriny eo amin’ ny alitara.
祭司要從婦人的手中取那疑恨的素祭,在耶和華面前搖一搖,拿到壇前;
26 Dia horaofin’ ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
又要從素祭中取出一把,作為這事的紀念,燒在壇上,然後叫婦人喝這水。
27 Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin’ ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin’ ny fireneny ravehivavy.
叫她喝了以後,她若被玷污,得罪了丈夫,這致咒詛的水必進入她裏面變苦了,她的肚腹就要發脹,大腿就要消瘦,那婦人便要在他民中被人咒詛。
28 Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan’ anaka.
若婦人沒有被玷污,卻是清潔的,就要免受這災,且要懷孕。
29 Izany no lalàna ny amin’ ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin’ ny vadiny ka voaloto;
「妻子背着丈夫行了污穢的事,
30 na misy lehilahy azon’ ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan’ i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany aminy.
或是人生了疑恨的心,疑恨他的妻,就有這疑恨的條例。那時他要叫婦人站在耶和華面前,祭司要在她身上照這條例而行。
31 Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.
男人就為無罪,婦人必擔當自己的罪孽。」

< Nomery 5 >