< Nomery 36 >
1 Dia nanatona ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Josefa, ka niteny teo anatrehan’ i Mosesy sy ny lehibe, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka nanao hoe:
요셉 자손의 자손 중 므낫세의 손자 마길의 아들 길르앗 자손 가족의 두령들이 나아와 모세와 이스라엘 자손의 두령된 족장들 앞에 말하여
2 Hianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hizara ny tany amin’ ny filokana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hanome ny zara-tanin’ i Zelofada rahalahinay ho an’ ny zananivavy.
가로되 `여호와께서 우리 주에게 명하사 이스라엘 자손에게 그 기업의 땅을 제비뽑아 주게 하셨고 여호와께서 또 우리 주에게 명하사 우리 형제 슬로브핫의 기업으로 그 딸들에게 주게 하였은즉
3 Koa raha manambady ny zanakalahin’ ny firenena sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely ireo, dia hesorina amin’ ny an’ ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin’ ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ ny zara-taninay izay azonay tamin’ ny filokana izany.
그들이 만일 이스라엘 자손의 다른 지파 남자들에게 시집가면 그들의 기업은 우리 조상의 기업에서 감삭되고 그들의 속할 그 지파의 기업에 첨가되리니 그러면 우리 제비뽑은 기업에서 감삭될 것이요
4 Ary raha tonga ny Jobilin’ ny Zanak’ Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an’ ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin’ ny zara-tanin’ ny razanay.
이스라엘 자손의 희년을 당하여 그 기업이 그가 속한 지파에 첨가될 것이라 그런즉 그들의 기업은 우리 조상 지파의 기업에서 아주 감삭되리이다'
5 Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin’ ny firenena taranak’ i Josefa.
모세가 여호와의 말씀으로 이스라엘에게 명하여 가로되 `요셉 자손 지파의 말이 옳도다
6 Izao no teny izay andidian’ i Jehovah ny amin’ ny zanakavavin’ i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin’ ny fokon’ ny firenen’ ny razany ihany no hovadiny.
슬로브핫의 딸들에게 대한 여호와의 명이 이러하니라 이르시되 슬로브핫의 딸들은 마음대로 시집가려니와 오직 그 조상 지파의 가족에게로만 시집갈지니
7 Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely; fa samy ho eo amin’ ny zara-tanin’ ny razany avy no hipetrahan’ ny Zanak’ Isiraely.
그리하면 이스라엘 자손의 기업이 이 지파에서 저 지파로 옮기지 않고 이스라엘 자손이 다 각기 조상 지파의 기업을 지킬 것이니라 하셨나니
8 Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin’ ny fokon’ ny firenen’ ny razany ihany, mba hananan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra ny zara-tanin’ ny razany avy.
이스라엘 자손의 지파 중 무릇 그 기업을 이은 딸들은 자기 조상지파 가족되는 사람에게로 시집갈 것이라 그리하면 이스라엘 자손이 각기 조상의 기업을 보존하게 되어서
9 Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin’ ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin’ ny azy avy no hipetrahan’ ny Zanak’ Isiraely.
그 기업으로 이 지파에서 저 지파로 옮기게 하지 아니하고 이스라엘 자손 지파가 각각 자기 기업을 지키리라'
10 Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny zanakavavin’ i Zelofada,
슬로브핫의 딸들이 여호와께서 모세에게 명하신 대로 행하니라
11 ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin’ i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin’ ny rainy avy.
슬로브핫의 딸 말라와 디르사와 호글라와 밀가와 노아가 다 그 아비 형제의 아들들에게로 시집가되
12 Izay avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Manase, zanak’ i Josefa, no novadin’ ireo, ka dia nitoetra teo amin’ ny firenen’ ny mpianakavin’ ny rainy ihany ny zara-taniny.
그들이 요셉의 아들 므낫세 자손의 가족에게로 시집 간고로 그 기업이 그 아비 가족의 지파에 여전히 있었더라
13 Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’ i Jehovah ka nampitondrainy an’ i Mosesy ho amin’ ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
이는 여리고 맞은편 요단가 모압 평지에서 여호와께서 모세로 이스라엘 자손에게 명하신 명령과 규례니라