< Nomery 35 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
Ɛberɛ a Israelfoɔ bɔɔ atenaseɛ wɔ Yordan ho, Moab tata so a ɛne Yeriko di nhwɛanimu no, Awurade ka kyerɛɛ Mose sɛ,
2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely mba hanome tanàna ao amin’ ny zara-taniny avy honenan’ ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
“Ka kyerɛ Israelfoɔ no na wɔmfa wɔn agyapadeɛ no mu bi a ɛyɛ nkuro ne ɛho mmoa adidibea mma Lewifoɔ.
3 Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an’ ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin’ ny bibiny rehetra.
Nkuro no mu na wɔbɛtena na wɔn anantwie, wɔn nnwan ne wɔn mmoa a aka no nso akɔ adidi wɔ adidibea hɔ.
4 Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin’ ny màndan’ ny tanàna ka hatramin’ ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin’ ny lafiny efatra avy.
“Wɔn mmoa adidibea no kɛseɛ bɛfiri kuro no afasuo ho a ne fa biara tɛtrɛtɛ yɛ anammɔn apem ne ahanum.
5 Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan’ ny tanàna ianareo amin’ ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
Monsusu anammɔn mpensa mfiri kuro no afasuo no ho wɔ nʼafanan nyinaa. Yei bɛyɛ adidibea kɛseɛ ama nkuro no.
6 Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran’ izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
“Momma Lewifoɔ no dwanekɔbea nkuropɔn nsia, baabi a obi a wafom akum ɔfoforɔ no bɛtumi adwane akɔ. Momfa nkuro aduanan mmienu nka wɔn ho.
7 Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin’ ny tany manodidina azy.
Ne nyinaa bɛyɛ nkuro aduanan nwɔtwe ne ho adidibea.
8 Ary ny amin’ ny tanàna izay homenareo avy amin’ ny zara-tanin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an’ ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
Saa nkuro yi bɛfiri Israelfoɔ no agyapadeɛ mu. Mmusuakuo no mu akɛseɛ bɛma Lewifoɔ no nkuro bebree na mmusuakuo nketewa no ama kakraa. Abusuakuo biara bɛma sɛdeɛ nʼagyapadeɛ kɛseɛ teɛ.”
9 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Awurade ka kyerɛɛ Mose sɛ,
10 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tafita an’ i Jordana ianareo ka tonga any amin’ ny tany Kanana,
“Ka kyerɛ nnipa no sɛ, sɛ wɔduru asase no so a,
11 dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran’ izay nahafaty olona tsy nahy.
wɔnyi Dwanekɔbea Nkuro a wɔde bɛma obiara a wafom akum onipa na ɔpɛ sɛ ɔdwane kɔ hɔ.
12 Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon’ ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ ny fiangonana.
Saa nkuro yi bɛyɛ dwanekɔbea ama owudifoɔ no afiri owufoɔ no abusuafoɔ a wɔpɛ sɛ wɔtɔ owufoɔ no wuo so awere; na ɛnsɛ sɛ wɔkum owudifoɔ no, gye sɛ wɔadi nʼasɛm abu no kumfɔ.
13 Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
Ɛsɛ sɛ wɔsisi Dwanekɔbea Nkuro yi mu mmiɛnsa wɔ Kanaan asase so
14 Ny tanàna telo dia homenareo etỳ an-dafin’ i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin’ ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
na wɔsisi mmiɛnsa nso wɔ Asubɔnten Yordan apueeɛ fam.
15 Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an’ ny Zanak’ Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran’ izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
Ɛnyɛ Israelfoɔ nko na ɛhɔ bɛyɛ wɔn dwanekɔbea, na mmom, ɛbɛyɛ dwanekɔbea ama ahɔhoɔ ne akwantufoɔ nyinaa.
16 Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
“Nanso, sɛ obi de dadeɛ poma sin bi bɔ obi kum no a, wɔfa no sɛ wadi awu, enti ɛsɛ sɛ wɔkum owudifoɔ no.
17 Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
Anaasɛ, sɛ wɔde ɛboɔ kɛseɛ bi bɔɔ owufoɔ no a, ɛyɛ awudie enti ɛsɛ sɛ wɔkum owudifoɔ no.
18 Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
Saa ara nso na sɛ wɔde dua na wɔde kumm no a, ɛte ara ne no.
19 Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
Sɛ ɔweretɔfoɔ no hyia owudifoɔ no baabiara a, ɔwɔ ho kwan sɛ ɔkum no bi.
20 Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin’ ny fanotrehana, ka mahafaty,
Enti, sɛ obi nam ɔtan so to biribi bɔ obi, anaasɛ ɔtetɛ no,
21 na mamely amin’ ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
anaa ɔde abufuo bɔ no kuturuku na onii no wu a, ɔyɛ owudifoɔ enti ɛsɛ sɛ ɔweretɔfoɔ no kum owudifoɔ no.
22 Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin’ inona na amin’ inona, nefa tsy amin’ ny fanotrehana,
“Na sɛ nkwanhyia no mu, sɛ obi anhyɛ da na ɔtoo biribi anaa ɛboɔ bi a wanto no abufuo so, na ɔnnim sɛ ɛbɛbɔ obi
23 na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,
anaasɛ ɛnyɛ nʼadwene sɛ ɔbɛha ne ɔtamfoɔ, na sɛ onipa ko no wu a,
24 dia hotsarain’ ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany.
ɛsɛ sɛ wɔdi asɛm no. Wɔbɛhwɛ sɛ ɛyɛ nkwanhyia anaa ɛnyɛ nkwanhyia, anaasɛ ɛsɛ sɛ wɔde saa onipa no hyɛ owufoɔ no weretɔni nsa anaa wɔmmfa no nhyɛ ne sa.
25 Ary hovonjen’ ny fiangonana ho afaka amin’ ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin’ ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin’ izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe izay voahosotra tamin’ ny diloilo masìna.
Sɛ wɔsi gyinaeɛ sɛ ɛyɛ nkwanhyia a, nnipa no bɛgye owudifoɔ no afiri ɔweretɔfoɔ no nsam. Wɔbɛma owudifoɔ no atena Dwanekɔbea Kuro no mu hɔ ara akɔsi sɛ ɔsɔfopanin bɛwu.
26 Fa raha mivoaka ho eo ivelan’ ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin’ izy nandositra ilay nahafaty olona
“Sɛ owudifoɔ no firi kuro no mu
27 ka hitan’ ny mpamaly rà eo ivelan’ ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà amin’ izany,
na ɔweretɔni no hyia no na ɔkum no tua ka a, wɔmmfa no sɛ ɛyɛ awudie,
28 satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin’ ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
ɛfiri sɛ, anka ɛsɛ sɛ owudifoɔ no tena kuro no mu kɔsi mmerɛ a ɔsɔfopanin no bɛwu. Ɔsɔfopanin no wuo akyi no, owudifoɔ no tumi kɔ ne kurom.
29 Ary izany zavatra izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby eny amin’ izay rehetra onenanareo.
“Yei yɛ Israelfoɔ mmara a ɛwɔ hɔ daa firi awoɔ ntoatoasoɔ so kɔsi awoɔ ntoatoasoɔ so.
30 Ny amin’ izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin’ ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
“Ɛsɛ sɛ wɔkum awudifoɔ nyinaa. Nanso gye sɛ adansefoɔ boro onipa baako di tia no ansa na ɛsɛ sɛ wɔkum no. Sɛ onipa baako di adanseɛ tia no nso a, ɛnsɛ sɛ wɔkum no.
31 Ary ianareo tsy handray avotry ny ain’ ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.
“Ɛberɛ biara a wɔbɛbua obi kumfɔ no, ɛsɛ sɛ ɔwuo a wɔnnye mpata biara.
32 Ary ianareo tsy handray avotra ho an’ izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin’ ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
“Odwanefoɔ bi a ɔhyɛ Dwanekɔbea Kuropɔn no mu no nso nni ho ɛkwan sɛ ɔtua sika ma wɔma no ɛkwan kɔ ne kurom ansa na ɔsɔfopanin no awu.
33 Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ ny ran’ izay nandatsaka azy ihany.
“Yei na ɛbɛma awerɛhyɛmu sɛ asase a mote so no ho rengu fi, ɛfiri sɛ, awudie gu asase ho fi. Wɔrentumi nyɛ mpatadeɛ foforɔ biara mma awudie gye sɛ wɔkum owudifoɔ no.
34 Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Monngu asase a morekɔtena so no ho fi, ɛfiri sɛ, Me, Awurade mete hɔ bi. Mene Awurade a mete Israelfoɔ mu no.”

< Nomery 35 >