< Nomery 35 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
Bwana akamwambia Mose katika nchi tambarare ya Moabu, kando ya Mto Yordani kuvukia Yeriko,
2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely mba hanome tanàna ao amin’ ny zara-taniny avy honenan’ ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
“Waagize Waisraeli kuwapa Walawi miji ya kuishi kutoka urithi ambao Waisraeli wataumiliki. Wape maeneo ya malisho kuzunguka hiyo miji.
3 Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an’ ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin’ ny bibiny rehetra.
Kisha watakuwa na miji ya kuishi na maeneo ya malisho kwa ajili ya ngʼombe zao, mbuzi, kondoo na mifugo yao mingine yote.
4 Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin’ ny màndan’ ny tanàna ka hatramin’ ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin’ ny lafiny efatra avy.
“Maeneo ya malisho kuzunguka miji hiyo ambayo mtawapa Walawi yataenea mita 450 kutoka kwenye ukuta wa miji.
5 Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan’ ny tanàna ianareo amin’ ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
Nje ya mji, pima mita 900 upande wa mashariki, upande wa kusini mita 900, upande wa magharibi mita 900, na upande wa kaskazini mita 900, na mji utakuwa katikati. Eneo hili litakuwa lao kwa ajili ya malisho.
6 Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran’ izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
“Miji sita mtakayowapa Walawi itakuwa ya makimbilio, ambayo mtu anayemuua mwenzake aweza kukimbilia humo. Zaidi ya hiyo, wapeni miji mingine arobaini na miwili.
7 Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin’ ny tany manodidina azy.
Kwa jumla inawapasa kuwapa Walawi miji arobaini na minane, pamoja na maeneo ya malisho yao.
8 Ary ny amin’ ny tanàna izay homenareo avy amin’ ny zara-tanin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an’ ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
Miji ambayo mtawapa Walawi kutoka nchi ambayo Waisraeli wanamiliki itatolewa kwa uwiano wa urithi wa kila kabila. Chukua miji mingi kutoka lile kabila lenye miji mingi, lakini uchukue miji michache kutoka kwa kabila lile lenye miji michache.”
9 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Kisha Bwana akamwambia Mose:
10 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tafita an’ i Jordana ianareo ka tonga any amin’ ny tany Kanana,
“Sema na Waisraeli, uwaambie: ‘Mtakapovuka Yordani kuingia Kanaani,
11 dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran’ izay nahafaty olona tsy nahy.
chagueni baadhi ya miji iwe miji yenu ya makimbilio, ambayo mtu ambaye ameua mwenzake bila kukusudia aweza kukimbilia humo.
12 Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon’ ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ ny fiangonana.
Itakuwa mahali pa kukimbilia kutoka mlipiza kisasi, ili kwamba mtu aliyeshtakiwa kwa mauaji asife kabla ya kujitetea mbele ya mkutano.
13 Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
Miji hii sita mtakayoitoa itakuwa miji yenu ya makimbilio.
14 Ny tanàna telo dia homenareo etỳ an-dafin’ i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin’ ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
Mtatoa miji mitatu ngʼambo hii ya Yordani na miji mingine mitatu upande wa Kanaani kama miji ya makimbilio.
15 Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an’ ny Zanak’ Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran’ izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
Miji hii sita itakuwa mahali pa makimbilio kwa ajili ya Waisraeli, wageni na watu wengine wanaoishi katikati yenu, ili kwamba mtu yeyote ambaye ameua mtu mwingine pasipo kukusudia aweze kukimbilia humo.
16 Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
“‘Kama mtu akimpiga mwenzake kwa chuma naye mtu huyo akafa, mtu huyo ni muuaji; muuaji sharti atauawa.
17 Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
Au kama mtu analo jiwe mkononi mwake ambalo laweza kuua, naye akampiga mwenzake akafa, yeye ni muuaji; muuaji huyo sharti atauawa.
18 Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
Au kama mtu ana chombo cha mti mkononi mwake ambacho chaweza kuua, naye akampiga mwenzake akafa, yeye ni muuaji; muuaji huyo sharti atauawa.
19 Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
Mlipiza kisasi cha damu atamuua muuaji; wakati akikutana naye, atamuua.
20 Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin’ ny fanotrehana, ka mahafaty,
Ikiwa mtu ana chuki ya siku nyingi na mwenzake akamsukuma au akamtupia kitu kwa kukusudia naye akafa,
21 na mamely amin’ ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
au ikiwa katika uadui akampiga ngumi naye akafa, mtu yule sharti atauawa; yeye ni muuaji. Mlipiza kisasi cha damu atamuua muuaji atakapokutana naye.
22 Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin’ inona na amin’ inona, nefa tsy amin’ ny fanotrehana,
“‘Lakini kama mtu akimsukuma mwenziwe ghafula pasipo chuki, au kumtupia kitu pasipo kukusudia,
23 na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,
au, pasipo kumwona, akimwangushia jiwe ambalo laweza kumuua naye akafa, basi kwa kuwa hakuwa adui yake naye hakukusudia kumuumiza,
24 dia hotsarain’ ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany.
kusanyiko lazima liamue kati yake na mlipiza kisasi wa damu kufuatana na sheria hizi.
25 Ary hovonjen’ ny fiangonana ho afaka amin’ ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin’ ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin’ izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe izay voahosotra tamin’ ny diloilo masìna.
Kusanyiko ni lazima limlinde yule anayeshtakiwa kuua kutoka kwa mlipiza kisasi wa damu, na kumrudisha katika mji wa makimbilio alikokuwa amekimbilia. Lazima akae humo mpaka atakapokufa kuhani mkuu ambaye alikuwa amepakwa mafuta matakatifu.
26 Fa raha mivoaka ho eo ivelan’ ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin’ izy nandositra ilay nahafaty olona
“‘Lakini kama mshtakiwa atatoka nje ya mipaka ya mji wa makimbilio ambao amekimbilia,
27 ka hitan’ ny mpamaly rà eo ivelan’ ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà amin’ izany,
na mlipiza kisasi wa damu akamkuta nje ya mji, mlipiza kisasi wa damu anaweza kumuua mshtakiwa huyo bila kuwa na hatia ya kuua.
28 satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin’ ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
Mshtakiwa lazima akae katika mji wake wa makimbilio mpaka atakapokufa kuhani mkuu; atarudi tu kwenye mali yake baada ya kifo cha kuhani mkuu.
29 Ary izany zavatra izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby eny amin’ izay rehetra onenanareo.
“‘Hizi ndizo kanuni za sheria zitakazohitajiwa kwenu na katika vizazi vyenu vijavyo, popote mtakapoishi.
30 Ny amin’ izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin’ ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
“‘Yeyote anayeua mtu atauawa kama muuaji ikiwa tu kuna ushuhuda wa mashahidi. Lakini hakuna mtu atakayeuawa kwa ushuhuda wa shahidi mmoja tu.
31 Ary ianareo tsy handray avotry ny ain’ ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.
“‘Usikubali fidia yoyote ya kuokoa uhai wa muuaji ambaye anastahili kufa. Mtu huyo hakika lazima auawe.
32 Ary ianareo tsy handray avotra ho an’ izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin’ ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
“‘Usikubali fidia ya mtu yeyote ambaye amekimbilia katika mji wa makimbilio na kumruhusu kurudi kuishi katika nchi yake kabla ya kifo cha kuhani mkuu.
33 Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ ny ran’ izay nandatsaka azy ihany.
“‘Msiinajisi nchi mnayoishi. Umwagaji damu hunajisi nchi, na upatanisho hauwezekani kufanyika katika nchi ambayo damu imemwagwa, isipokuwa tu kwa damu ya yule aliyeimwaga damu.
34 Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Msiinajisi nchi mnayoishi, ambayo nami ninakaa, kwa kuwa Mimi, Bwana, ninakaa katikati ya Waisraeli.’”

< Nomery 35 >