< Nomery 34 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Hoe ty nitsara’ Iehovà amy Mosè:
2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
Afantoho o ana’Israeleo ami’ty hoe: Ie mivotrak’ an-tane Kanàne ao (amy t’ie ty tane hitsa­toke ho anahareo ho lova: i tane Kanàney, pak’ amo efe-tane’eo),
3 Ary ny lafiny atsimo amin’ ny taninareo dia hatramin’ ny efitra Zina, izay mifanolotra amin’ i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
le mifototse am-patrambei’ i Tsiney añe ty efe’ areo atimo le hañorike ty efe’ i Edome; aa le hianiñànañe mb’ am-boli’ i Riake Matey mb’eo i efe’ areo atimoy;
4 dia miolaka eo atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’ i Kadesibarnea, dia mahazo an’ i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
hiolake mb’atimo’ ty fionjona’ i Akrabime ty efe’ areo atimo, le homb’e Tsine mb’eo le hañorike ty atimo’ i Kadèse Barnèa le hionjom-b’an-Katsàradàre mb’eo; le hitohy mb’e Atsmòne mb’eo;
5 ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, ka dia mihatra amin’ ny ranomasina.
hiolake e Atsmòne i efetsey le hiranga mb’añ’ oñe’ i Mitsraime añe vaho higadoñe amy Riakey.
6 Ary ny amin’ ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
Le i efetse ahandrefañey: ho efe’ areo ahandrefañe i olon-dRiake Ra’elahiy.
7 Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin’ ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
Le ty efe’ areo avaratse: mifototse amy Riake Ra’elahiy le tandrifeo ty Vohi-Hore ho efe’ areo;
8 ary hatramin’ ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an’ i Zedada,
boak’ am-bohi-Hore tandrifeo pak’ e Lebò-Ka­màte; hitohy mb’e Tsedàde i efetsey;
9 dia hahazo an’ i Zifrona, ka dia hihatra an’ i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
hionjomb’ e Zifròne i efetsey vaho higadoñe e Katsàre-Enàne. Izay ty efe’ areo avaratse.
10 Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin’ i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
Aa le sokiro ka ty efe’ areo atiñanañe, boake Katsàre-Enàne pake Sefàme;
11 dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan’ i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ ny Ranomasin’ i Kinereta atsinanana,
hitohy boake Sefame le pake Riblà atiñana’ i Aine añe i efetsey; le hizotso pak’ añ’ olotse atiñana’ ty Riake Kinerote ey i efetsey;
12 dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin’ ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
horihe’ i efetsey ty olo’ Iardeney am-para’ i Riake Matey. Izay ty ho tane’ areo naho ty fiarikatoha’ i efe-tane’ey.
13 Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian’ i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
Aa linili’ i Mosè o ana’ Israeleo ami’ty hoe: Zao ty tane ho lovae’ areo an-tsapake, i nandilia’ Iehovà hatolotse amy fifokoa sive rey naho amy vakim-pifokoay.
14 fa ny firenena taranak’ i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak’ i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
Fe sindre nandrambe ty lova’ iareo ty fifokoa’ i Reòbene ty aman’ an­jomban-droae’e naho ty fifokoa’ i Gade ty aman’ an­jomban-droae’e vaho nandrambe i lova’ey ka ty vakim-pifokoa’ i Menasè.
15 dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana, hitsin’ i Jeriko, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
Songa nandrambe ty lova’e i fifokoa roe rey naho i vakim-pifokoay mifototse an-dafe’ Iardene e Ieriko eo maniñanañe mb’ am-panjiriha’ i àndroy mb’eo.
16 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Le hoe ty nitsarae’ Iehovà amy Mosè:
17 Izao no anaran’ ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona.
Zao o tahina’ ondaty hizara i taney ama’ areo ho fanañañeo: i Elazare mpisoroñe naho Iehosoa ana’ i Nòne.
18 Ary loholona iray avy amin’ ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
Le handrambesa’ areo mpiaolo kiraikiraike o fifokoañe hanjarañe i taneio ho lova.
19 Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ireo: ny avy amin’ ny firenen’ i Joda dia Kaleba, zanak’ i Jefone;
Zao ty tahina’ ondatio: boak’ am-pifokoa’ Iehodà: i Kalèbe ana’ Iefonè;
20 ary ny avy amin’ ny firenena taranak’ i Simeona dia Semoela, zanak’ i Amihoda;
boak’ am-pifokoa’ o nte-Simoneo: i Semoàle ana’ i Amihòde;
21 ary ny avy amin’ ny firenen’ i Benjamina dia Elidada, zanak’ i Kislona;
boak’ am-pifokoa’ i Beniamène: i Elidàde ana’ i Kislòne;
22 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Dana dia Boky, zanak’ i Jogly;
ty mpiaolo boak’ am-pifokoa’ i Dane: i Boký ana’ Ioglý;
23 ary ny avy amin’ ny taranak’ i Josefa: ny lohan’ ny firenena taranak’ i Manase dia Haniela, zanak’ i Efoda;
boak’ amo ana’ Iosefeo: ty mpiaolo boak’ amy fifokoa’ o nte-Menasèoy: i Kanièle ana’ i Efode;
24 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Efraima dia Kemoela, zanak’ i Siftana;
le ty mpiaolo boak’ am-pifokoa’ o nte-Efraimeo: i Kemoele ana’ i Seftàne;
25 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Zebolona dia Elizafana, zanak’ i Parnaka;
ty mpiaolo boak’ am-pifokoa’ o nte-Zeboloneo: i Elitsafàne, ana’ i Parnàke;
26 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ Isakara dia Paltiela, zanak’ i Azana;
ty mpiaolo boak’ am-pifokoa’ o nte-Isakhareo: i Paltiele ana’ i Atsane;
27 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Asera dia Ahihoda, zanak’ i Selomy;
ty mpiaolo boak’ am-pifokoa’ o nte-Asereo: i Akihòde ana’ i Selomý;
28 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Naftaly dia Pedahela, zanak’ i Amihoda.
ty mpiaolo boak’ am-pifokoa’ o nte-Naftalio, i Pedahele ana’ i Amihode;
29 Ireo no nodidian’ i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
ie ondaty nandilia’ Iehovà hizara ty tane’ o ana’ Israeleo an-tane Kanàne ao.

< Nomery 34 >