< Nomery 34 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Onyenwe anyị gwara Mosis okwu sị ya,
2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
“Nye ndị Izrel iwu sị ha, ‘Mgbe unu banyere nʼala Kenan, ndị a bụ oke ala ndị ahụ unu ga-enweta dịka ihe nketa unu:
3 Ary ny lafiny atsimo amin’ ny taninareo dia hatramin’ ny efitra Zina, izay mifanolotra amin’ i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
“‘Oke ala unu nʼakụkụ ndịda ga-etinyetụ aka nʼọzara Zin. Ala unu na ala ndị Edọm ga-enwekọ oke ala. Nʼakụkụ ọwụwa anyanwụ, oke ala ndịda unu ga-ebido na ngwụcha Osimiri Nnu,
4 dia miolaka eo atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’ i Kadesibarnea, dia mahazo an’ i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
gafee ndịda Akrabim, gabiga ruo ọzara Zin, gbada ndịda ruo Kadesh Banea. Site nʼebe ahụ ọ ga-aga ruo Haza Ada, gafee ruo Azmọn,
5 ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, ka dia mihatra amin’ ny ranomasina.
ebe ọ ga-echigharị gbasoro iyi Wadi nke Ijipt ma kwụsị nʼosimiri Mediterenịa.
6 Ary ny amin’ ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
Oke ala unu nʼakụkụ ọdịda anyanwụ ga-abụ ọnụ mmiri osimiri Mediterenịa. Nke a ga-abụ oke ala unu.
7 Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin’ ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
Oke ala unu nʼakụkụ ugwu ga-amalite nʼosimiri Mediterenịa ruo nʼugwu Hor.
8 ary hatramin’ ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an’ i Zedada,
Ọ ga-esitekwa nʼugwu Hor ruo Lebo Hamat, gbatịakwa ruo Zedad,
9 dia hahazo an’ i Zifrona, ka dia hihatra an’ i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
ruo Zifron tutu kwụsị na Haza Enan. Nke a ga-abụ oke ala unu nʼakụkụ ugwu.
10 Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin’ i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
Oke ala unu nʼakụkụ ọwụwa anyanwụ ga-ebido na Haza Enan ruo Shefam.
11 dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan’ i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ ny Ranomasin’ i Kinereta atsinanana,
Oke ala ahụ ga-agbada site Shefam ruo Ribla nʼakụkụ ọwụwa anyanwụ Ain. Site nʼebe ahụ, ọ ga-agbasoro ndịda ọdịda anyanwụ Osimiri Galili.
12 dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin’ ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
Mgbe ahụ, ọ ga-aga ogologo ogologo, gbasoro osimiri Jọdan, tutu kwụsị nʼOsimiri Nnu. “‘Nke a bụ ala unu, na oke ala ya nʼakụkụ ọbụla.’”
13 Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian’ i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
Mosis nyere ndị Izrel iwu sị, “Kesaanụ ala a dịka ihe nketa site nʼife nza. Onyenwe anyị enyela iwu ka enye ya ebo itoolu na ọkara ndị ahụ fọdụrụ.
14 fa ny firenena taranak’ i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak’ i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
Nʼihi na ebo Ruben na Gad tinyere ọkara ebo Manase, enwetalarị ala ihe nketa ha.
15 dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana, hitsin’ i Jeriko, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
Ebo abụọ nʼọkara ndị a enwetala ihe nketa nke ha nʼakụkụ ọwụwa anyanwụ osimiri Jọdan, na ncherita ihu obodo Jeriko.”
16 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Onyenwe anyị gwara Mosis okwu sị ya,
17 Izao no anaran’ ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona.
“Ndị a bụ aha ndị ikom m họpụtara ịhụ na e kenyere unu ala ahụ dịka ihe nketa unu. Elieza onye nchụaja, na Joshua nwa Nun.
18 Ary loholona iray avy amin’ ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
Site nʼebo ọbụla họpụta otu onyendu ka ha nye aka ikesa ala nketa ahụ.
19 Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ireo: ny avy amin’ ny firenen’ i Joda dia Kaleba, zanak’ i Jefone;
“Ndị a bụ aha ndị a họpụtara: “Kaleb nwa Jefune, site nʼebo Juda.
20 ary ny avy amin’ ny firenena taranak’ i Simeona dia Semoela, zanak’ i Amihoda;
Shemuel nwa Amihud, site nʼebo Simiọn
21 ary ny avy amin’ ny firenen’ i Benjamina dia Elidada, zanak’ i Kislona;
Elidad nwa Kislon, site nʼebo Benjamin.
22 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Dana dia Boky, zanak’ i Jogly;
Buki nwa Jogli, onyendu si nʼebo Dan.
23 ary ny avy amin’ ny taranak’ i Josefa: ny lohan’ ny firenena taranak’ i Manase dia Haniela, zanak’ i Efoda;
Haniel nwa Efod, onyendu si nʼebo Manase, nwa Josef.
24 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Efraima dia Kemoela, zanak’ i Siftana;
Kemuel nwa Shiftan, onyendu si nʼebo Ifrem, nwa Josef.
25 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Zebolona dia Elizafana, zanak’ i Parnaka;
Elizafan nwa Panak, onyendu si nʼebo Zebụlọn.
26 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ Isakara dia Paltiela, zanak’ i Azana;
Paltiel nwa Azan, onyendu si nʼebo Isaka.
27 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Asera dia Ahihoda, zanak’ i Selomy;
Abihud nwa Shelomi, onyendu si nʼebo Asha.
28 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Naftaly dia Pedahela, zanak’ i Amihoda.
Pedahel nwa Amihud, onyendu si nʼebo Naftalị.”
29 Ireo no nodidian’ i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
Ndị a bụ ndị ikom Onyenwe anyị nyere iwu si ha kenye ndị Izrel ihe nketa ha nʼala Kenan.

< Nomery 34 >