< Nomery 33 >

1 Ary izao no nandehan’ ny Zanak’ Isiraely, izay nentin’ i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
این است منازل بنی‌اسرائیل که از زمین مصر با افواج خود زیردست موسی وهارون کوچ کردند.۱
2 Dia nosoratan’ i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin’ i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:
و موسی به فرمان خداوندسفرهای ایشان را برحسب منازل ایشان نوشت، واین است منازل و مراحل ایشان:۲
3 Niala tao Ramesesa Izy tamin’ ny volana voalohany, dia tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; nony ampitson’ ny Paska no nivoahan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tanana avo teo imason’ ny Egyptiana rehetra.
پس در ماه اول از رعمسیس، در روز پانزدهم از ماه اول کوچ کردند، و در فردای بعد از فصح بنی‌اسرائیل درنظر تمامی مصریان با دست بلند بیرون رفتند.۳
4 Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin’ i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain’ i Jehovah.
ومصریان همه نخست زادگان خود را که خداوند ازایشان کشته بود دفن می‌کردند، و یهوه بر خدایان ایشان قصاص نموده بود.۴
5 Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely, dia nitoby tao Sokota.
و بنی‌اسرائیل از رعمسیس کوچ کرده، درسکوت فرود آمدند.۵
6 Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin’ ny efitra.
و از سکوت کوچ کرده، درایتام که به کنار بیابان است، فرود آمدند.۶
7 Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin’ i Balazefona, ka nitoby tandrifin’ i Migdola.
و ازایتام کوچ کرده، به سوی فم الحیروت که در مقابل بعل صفون است، برگشتند، و پیش مجدل فرودآمدند.۷
8 Ary nony niala tandrifin’ i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan’ ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.
و از مقابل حیروت کوچ کرده، از میان دریا به بیابان عبور کردند و در بیابان ایتام سفر سه روزه کرده، در ماره فرود آمدند.۸
9 Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin’ ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.
و از ماره کوچ کرده، به ایلیم رسیدند و در ایلیم دوازده چشمه آب و هفتاد درخت خرما بود، و در آنجا فرودآمدند.۹
10 Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron’ ny Ranomasina Mena.
و از ایلیم کوچ کرده، نزد بحر قلزم فرود آمدند.۱۰
11 Ary nony niala tao amoron’ ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
و از بحر قلزم کوچ کرده، در بیابان سین فرود آمدند.۱۱
12 Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.
و از بیابان سین کوچ کرده، دردفقه فرود آمدند.۱۲
13 Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.
و از دفقه کوچ کرده، درالوش فرود آمدند.۱۳
14 Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin’ ny olona.
و از الوش کوچ کرده، دررفیدیم فرود آمدند و در آنجا آب نبود که قوم بنوشند.۱۴
15 Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr’ i Sinay.
و از رفیدیم کوچ کرده، در بیابان سینافرود آمدند.۱۵
16 Ary nony niala tany an-efitr’ i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.
و از بیابان سینا کوچ کرده، درقبروت هتاوه فرود آمدند.۱۶
17 Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.
و از قبروت هتاوه کوچ کرده، در حصیروت فرود آمدند.۱۷
18 Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.
و ازحصیروت کوچ کرده، در رتمه فرود آمدند.۱۸
19 Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.
واز رتمه کوچ کرده، و در رمون فارص فرود آمدند.۱۹
20 Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.
و از رمون فارص کوچ کرده، در لبنه فرودآمدند.۲۰
21 Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa.
و از لبنه کوچ کرده، در رسه فرودآمدند.۲۱
22 Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.
و از رسه کوچ کرده، در قهیلاته فرودآمدند.۲۲
23 Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera.
و از قهیلاته کوچ کرده، در جبل شافر فرود آمدند.۲۳
24 Ary nony niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada.
و از جبل شافر کوچ کرده، درحراده فرود آمدند.۲۴
25 Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota.
و از حراده کوچ کرده، درمقهیلوت فرود آمدند.۲۵
26 Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata.
و از مقهیلوت کوچ کرده، در تاحت فرود آمدند.۲۶
27 Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera.
و از تاحت کوچ کرده، در تارح فرود آمدند.۲۷
28 Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka.
و از تارح کوچ کرده، در متقه فرود آمدند.۲۸
29 Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona.
و از متقه کوچ کرده، در حشمونه فرود آمدند.۲۹
30 Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.
و از حشمونه کوچ کرده، در مسیروت فرود آمدند.۳۰
31 Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.
و از مسیروت کوچ کرده، در بنی یعقان فرود آمدند.۳۱
32 Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.
و ازبنی یعقان کوچ کرده، در حورالجدجاد فرودآمدند.۳۲
33 Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.
و از حورالجدجاد کوچ کرده، دریطبات فرود آمدند.۳۳
34 Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.
و از یطبات کوچ کرده، درعبرونه فرود آمدند.۳۴
35 Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.
و از عبرونه کوچ کرده، درعصیون جابر فرود آمدند.۳۵
36 Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).
و از عصیون جابرکوچ کرده، در بیابان صین که قادش باشد، فرودآمدند.۳۶
37 Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin’ ny tany Edoma.
و از قادش کوچ کرده، در جبل هور درسرحد زمین ادوم فرود آمدند.۳۷
38 Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin’ i Jehovah, dia maty tao izy tamin’ ny fahefa-polo taona taorian’ ny nivoahan’ ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy.
هارون کاهن برحسب فرمان خداوند به جبل هور برآمده، در سال چهلم خروج بنی‌اسرائیل از زمین مصر، در روز اول ماه پنجم وفات یافت.۳۸
39 Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.
و هارون صد و بیست و سه ساله بود که در جبل هور مرد.۳۹
40 Ary ren’ ilay Kananita, mpanjakan’ i Arada, izay nonina teo amin’ ny tany atsimo amin’ ny tany Kanana, fa avy ny Zanak’ Isiraely.
و ملک عراد کنعانی که در جنوب زمین کنعان ساکن بود از آمدن بنی‌اسرائیل اطلاع یافت.۴۰
41 Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.
پس از جبل هور کوچ کرده، در صلمونه فرود آمدند.۴۱
42 Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.
و از صلمونه کوچ کرده در فونون فرود آمدند۴۲
43 Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota.
و از فونون کوچ کرده، در اوبوت فرود آمدند.۴۳
44 Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin’ ny faritanin’ i Moaba.
و از اوبوت کوچ کرده، درعیی عباریم در حدود موآب فرود آمدند.۴۴
45 Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada.
و از عییم کوچ کرده، در دیبون جاد فرود آمدند.۴۵
46 Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima.
واز دیبون جاد کوچ کرده، در علمون دبلاتایم فرودآمدند.۴۶
47 Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin’ ny tendrombohitra Abarima, tandrifin’ i Nebo.
و از علمون دبلاتایم کوچ کرده، درکوههای عباریم در مقابل نبو فرود آمدند.۴۷
48 Ary nony niala tamin’ ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
و ازکوههای عباریم کوچ کرده، در عربات موآب نزداردن در مقابل اریحا فرود آمدند.۴۸
49 Ary nitoby teo amoron’ i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba.
پس نزد اردن از بیت یشیموت تا آبل شطیم در عربات موآب اردو زدند.۴۹
50 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
و خداوند موسی را در عربات مواب نزداردن، در مقابل اریحا خطاب کرده، گفت:۵۰
51 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tafita an’ i Jordana ka tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo,
«بنی‌اسرائیل را خطاب کرده، به ایشان بگو: چون شما از اردن به زمین کنعان عبور کنید،۵۱
52 dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra;
جمیع ساکنان زمین را از پیش روی خوداخراج نمایید، و تمامی صورتهای ایشان راخراب کنید، و تمامی بتهای ریخته شده ایشان رابشکنید، و همه مکانهای بلند ایشان را منهدم سازید.۵۲
53 dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.
و زمین را به تصرف آورده، در آن ساکن شوید، زیرا که آن زمین را به شما دادم تا مالک آن باشید.۵۳
54 Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin’ izay ivoahan’ ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen’ ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.
و زمین را به حسب قبایل خود به قرعه تقسیم کنید، برای کثیر، نصیب او را کثیر بدهید، وبرای قلیل، نصیب او را قلیل بدهید، جایی که قرعه برای هر کس برآید از آن او باشد برحسب اسباط آبای شما آن را تقسیم نمایید.۵۴
55 Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin’ ny tany, dia ho lay amin’ ny masonareo sy ho tsilo amin’ ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin’ ny tany izay onenanareo izy;
و اگرساکنان زمین را از پیش روی خود اخراج ننماییدکسانی را که از ایشان باقی می‌گذارید در چشمان شما خار خواهند بود، و در پهلوهای شما تیغ وشما را در زمینی که در آن ساکن شوید، خواهندرنجانید.۵۵
56 ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.
و به همان طوری که قصد نمودم که با ایشان رفتار نمایم، با شما رفتار خواهم نمود.»۵۶

< Nomery 33 >