< Nomery 32 >

1 Ary nanana omby aman’ ondry be indrindra ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry io,
Kabila la Wareubeni na Wagadi, waliokuwa na makundi makubwa ya ngʼombe, kondoo na mbuzi, waliona kuwa nchi ya Yazeri na nchi ya Gileadi ni nzuri kwa mifugo.
2 dia avy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka niteny tamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin’ ny lohan’ ny fiangonana ka nanao hoe:
Hivyo walimjia Mose, na kuhani Eleazari na viongozi wa jumuiya, na kuwaambia,
3 Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
“Atarothi, Diboni, Yazeri, Nimra, Heshboni, Eleale, Sebamu, Nebo na Beoni,
4 ireo tany noresen’ i Jehovah teo anoloan’ ny fiangonan’ ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman’ ondry;
nchi ambayo Bwana ameishinda mbele ya wana wa Israeli, inafaa kwa mifugo, nao watumishi wako wana mifugo.
5 dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an’ i Jordana izahay.
Kama tumepata kibali mbele ya macho yako, nchi hii na ipewe watumishi wako kama milki yetu. Usitufanye tuvuke Yordani.”
6 Dia hoy Mosesy tamin’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?
Mose akawaambia Wagadi na Wareubeni, “Je, watu wa nchi yenu watakwenda vitani wakati ninyi mmeketi hapa?
7 Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah azy?
Kwa nini mmewakatisha Waisraeli tamaa wasivuke katika nchi ambayo Bwana amewapa?
8 Izany no nataon’ ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
Hivi ndivyo baba zenu walivyofanya wakati nilipowatuma kutoka Kadesh-Barnea kuipeleleza nchi.
9 fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay efa nomen’ i Jehovah azy.
Baada ya kufika kwenye Bonde la Eshkoli na kuitazama nchi, waliwakatisha tamaa Waisraeli wasiingie katika nchi ambayo Bwana alikuwa amewapa.
10 Ary nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:
Siku ile hasira ya Bwana iliwaka naye akaapa kiapo hiki:
11 Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy;
‘Kwa kuwa hawakunifuata kwa moyo wote, hakuna mtu yeyote mwenye miaka ishirini au zaidi ambaye alikuja kutoka Misri atakayeona nchi niliyoahidi kwa kiapo kwa Abrahamu, Isaki na Yakobo;
12 afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak’ i Nona, izay tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah.
hakuna hata mmoja isipokuwa Kalebu mwana wa Yefune, Mkenizi, na Yoshua mwana wa Nuni, kwa sababu walimfuata Bwana kwa moyo wote.’
13 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’ i Jehovah.
Hasira ya Bwana iliwaka dhidi ya Waisraeli na akawafanya watangetange katika jangwa kwa miaka arobaini, mpaka kizazi chote cha wale waliofanya maovu mbele yake kimeangamia.
14 Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
“Nanyi mko hapa, uzao wa wenye dhambi, mkisimamia mahali pa baba zenu na mkimfanya Bwana kuwakasirikia Waisraeli hata zaidi.
15 Fa raha miala amin’ ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
Kama mkigeuka na mkiacha kumfuata, atawaacha tena watu hawa wote jangwani, na mtakuwa sababu ya maangamizi yao.”
16 Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ ny omby aman’ ondrinay sy tanàna koa ho an’ ny zanakay madinika;
Ndipo wakamjia Mose na kumwambia, “Tungalitaka kujenga mazizi hapa kwa ajili ya mifugo yetu na miji kwa ajili ya wanawake wetu na watoto.
17 fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin’ ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin’ ny tanàna mimanda noho ny mponina amin’ ny tany.
Lakini sisi tuko tayari kuchukua silaha zetu na kutangulia mbele ya Waisraeli mpaka tutakapowaleta mahali pao. Wakati huo wanawake wetu na watoto wataishi katika miji yenye ngome, kwa ajili ya ulinzi dhidi ya wenyeji wa nchi.
18 Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon’ ny Zanak’ Isiraely ny zara-taniny avy.
Hatutarudi nyumbani mwetu mpaka kila Mwisraeli apokee urithi wake.
19 Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin’ i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana atỳ ny zara-taninay.
Hatutapokea urithi wowote pamoja nao ngʼambo ya Yordani, kwa sababu urithi wetu umekuja kwetu upande wa mashariki ya Yordani.”
20 Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan’ i Jehovah ho any an-tafika,
Kisha Mose akawaambia, “Kama mtafanya jambo hili, kama mtajivika silaha mbele za Bwana kwa ajili ya vita,
21 ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin’ i Jordana eo anatrehan’ i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,
na kama ninyi nyote mtakwenda mmejivika silaha ngʼambo ya Yordani mbele za Bwana mpaka awe amewafukuza adui zake mbele zake,
22 ka ho resy eo anatrehan’ i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin’ i Jehovah, na amin’ ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan’ i Jehovah.
hadi wakati nchi itakapokuwa imeshindwa mbele za Bwana, ndipo mtaweza kurudi na kuwa huru kutoka masharti yenu kwa Bwana na Israeli. Nayo nchi hii itakuwa milki yenu mbele za Bwana.
23 Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin’ i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
“Lakini mkishindwa kufanya hili, mtakuwa mnatenda dhambi dhidi ya Bwana; nanyi kuweni na hakika kuwa dhambi yenu itawapata.
24 Manaova tanàna ho an’ ny zanakareo madinika sy vala ho an’ ny ondry aman’ osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.
Jengeni miji kwa ajili ya wanawake na watoto wenu, na mazizi kwa ajili ya mbuzi na kondoo zenu, lakini fanyeni yale mliyoahidi.”
25 Dia niteny tamin’ i Mosesy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:
Wagadi na Wareubeni wakamwambia Mose, “Sisi watumishi wako tutafanya kama bwana wetu anavyotuagiza.
26 ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman’ osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin’ ny tanànan’ i Gileada;
Watoto na wake zetu, makundi ya mbuzi na kondoo, na makundi ya ngʼombe zetu, watabaki hapa katika miji ya Gileadi.
27 fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.
Lakini watumishi wenu, kila mwanaume aliyevaa silaha za vita, watavuka ngʼambo kupigana mbele za Bwana, sawa kama bwana wetu anavyosema.”
28 Ary Mosesy dia nandidy an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ny amin’ ireo
Kisha Mose akatoa amri kuhusu wao kwa kuhani Eleazari, na Yoshua mwana wa Nuni na viongozi wa jamaa za makabila ya Waisraeli.
29 ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an’ i Jordana hiaraka aminareo ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
Mose akawaambia, “Ikiwa Wagadi na Wareubeni, kila mwanaume aliyevaa silaha za vita, atavuka Yordani pamoja nanyi mbele za Bwana, basi wakati mtakapoishinda nchi iliyoko mbele yenu, wapeni nchi ya Gileadi kama milki yao.
30 fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin’ ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.
Lakini kama hawatavuka pamoja nanyi wakiwa wamevaa silaha za vita, lazima wakubali kupokea milki yao pamoja nanyi katika nchi ya Kanaani.”
31 Dia namaly ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny mpanomponao no hataonay:
Wagadi na Wareubeni wakajibu, “Watumishi wako watafanya lile Bwana alilosema.
32 Izabay handeha hita eo anatrehan’ i Jehovah ho any amin’ ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin’ i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.
Tutavuka mbele za Bwana kuingia Kanaani tukiwa tumevaa silaha za vita, lakini mali tutakayoirithi itakuwa ngʼambo hii ya Yordani.”
33 Dia nomen’ i Mosesy ho an’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen’ i Manase, zanak’ i Josefa, ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorka, sy ny fanjakan’ i Oga, mpanjakan’ i Basana dia ny tany mbamin’ ny tanànany ao amin’ ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin’ ny tany manodidina.
Kisha Mose akawapa Wagadi, Wareubeni, na nusu ya kabila la Manase mwana wa Yosefu ufalme wa Sihoni mfalme wa Waamori, na ufalme wa Ogu mfalme wa Bashani, nchi yote pamoja na miji yake, na nchi inayowazunguka.
34 Ary ny taranak’ i Gada nanao an’ i Dibona sy Atarota sy Aroera
Wagadi wakajenga Diboni, Atarothi, Aroeri,
35 sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
Atroth-Shofani, Yazeri, Yogbeha,
36 sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an’ ny ondry.
Beth-Nimra na Beth-Harani kama miji iliyozungushiwa ngome, tena wakajenga mazizi kwa ajili ya makundi yao ya mbuzi na kondoo.
37 Ary ny taranak’ i Robena nanao an’ i Hesbona sy Elale sy Kiriataima
Nao Wareubeni wakajenga upya miji ya Heshboni, Eleale na Kiriathaimu,
38 sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran’ ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.
pia Nebo na Baal-Meoni (majina ya hiyo miji yalibadilishwa) na Sibma. Miji waliyoijenga upya waliipa majina.
39 Ary ny taranak’ i Makira, zanak’ i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
Wazao wa Makiri mwana wa Manase walikwenda Gileadi, wakaiteka nchi na kuwafukuza Waamori waliokuwa huko.
40 Ary Gileada dia nomen’ i Mosesy an’ i Makira, zanak’ i Manase, ka nonina tao izy.
Kwa hiyo Mose akawapa Wamakiri, wazao wa Manase, nchi ya Gileadi, nao wakakaa huko.
41 Ary Jaïra, zanak’ i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaïra.
Yairi, mzao wa Manase, akateka makao yao, akayaita Hawoth-Yairi.
42 Ary Noba nandeha ka nahafaka an’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.
Naye Noba akateka Kenathi na makao yaliyoizunguka, akayaita Noba kwa jina lake.

< Nomery 32 >