< Nomery 32 >

1 Ary nanana omby aman’ ondry be indrindra ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry io,
르우벤 자손과 갓 자손은 심히 많은 가축 떼가 있었더라 그들이 야셀 땅과 길르앗 땅을 본즉 그 곳은 가축에 적당한 곳인지라
2 dia avy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka niteny tamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin’ ny lohan’ ny fiangonana ka nanao hoe:
갓 자손과 르우벤 자손이 와서 모세와 제사장 엘르아살과 회중 족장들에게 말하여 가로되
3 Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
아다롯과 디본과 야셀과 니므라와 헤스본과 엘르알레와 스밤과 느보와 브온
4 ireo tany noresen’ i Jehovah teo anoloan’ ny fiangonan’ ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman’ ondry;
곧 여호와께서 이스라엘 회중 앞에서 쳐서 멸하신 땅은 가축에 적당한 곳이요 당신의 종들에게는 가축이 있나이다
5 dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an’ i Jordana izahay.
또 가로되 우리가 만일 당신에게 은혜를 입었으면 이 땅을 당신의 종들에게 산업으로 주시고 우리로 요단을 건너지 않게 하소서
6 Dia hoy Mosesy tamin’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?
모세가 갓 자손과 르우벤 자손에게 이르되 너희 형제들은 싸우러 가거늘 너희는 여기 앉았고자 하느냐
7 Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah azy?
너희가 어찌하여 이스라엘 자손으로 낙심케 하여서 여호와께서 그들에게 주신 땅으로 건너갈 수 없게 하려느냐
8 Izany no nataon’ ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
너희 열조도 내가 가데스바네아에서 그 땅을 보라고 보내었을 때에 그리하였었나니
9 fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay efa nomen’ i Jehovah azy.
그들이 에스골 골짜기에 올라가서 그 땅을 보고 이스라엘 자손으로 낙심케 하여서 여호와께서 그들에게 주신 땅으로 갈 수 없게 하였었느니라
10 Ary nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:
그때에 여호와께서 진노하사 맹세하여 가라사대
11 Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy;
애굽에서 나온 자들의 이십 세 이상으로는 한 사람도 내가 아브라함과 이삭과 야곱에게 맹세한 땅을 정녕히 보지 못하리니 이는 그들이 나를 온전히 순종치 아니하였음이니라
12 afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak’ i Nona, izay tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah.
다만 그나스 사람 여분네의 아들 갈렙과 눈의 아들 여호수아는 볼 것은 여호와를 온전히 순종하였음이니라 하시고
13 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’ i Jehovah.
여호와께서 이스라엘에게 진노하사 그들로 사십 년 동안 광야에 유리하게 하심으로 여호와의 목전에 악을 행한 그 세대가 필경은 다 소멸하였느니라
14 Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
보라 너희는 너희의 열조를 계대하여 일어난 죄인의 종류로서 이스라엘을 향하신 여호와의 노를 더욱 심하게 하는도다
15 Fa raha miala amin’ ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
너희가 만일 돌이켜 여호와를 떠나면 여호와께서 또 이 백성을 광야에 버리시리니 그리하면 너희가 이 모든 백성을 멸망시키리라
16 Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ ny omby aman’ ondrinay sy tanàna koa ho an’ ny zanakay madinika;
그들이 모세에게 가까이 나아와 가로되 우리가 이 곳에 우리 가축을 위하여 우리를 짓고 우리 유아들을 위하여 성읍을 건축하고
17 fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin’ ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin’ ny tanàna mimanda noho ny mponina amin’ ny tany.
이 땅 거민의 연고로 우리 유아들로 그 견고한 성읍에 거하게 한 후에 우리는 무장하고 이스라엘 자손을 그곳으로 인도하기까지 그들의 앞에 행하고
18 Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon’ ny Zanak’ Isiraely ny zara-taniny avy.
이스라엘 자손이 각기 기업을 얻기까지 우리 집으로 돌아오지 아니하겠사오며
19 Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin’ i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana atỳ ny zara-taninay.
우리는 요단 이편 곧 동편에서 산업을 얻었사오니 그들과 함께 요단 저편에서는 기업을 얻지 아니하겠나이다
20 Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan’ i Jehovah ho any an-tafika,
모세가 그들에게 이르되 너희가 만일 이 일을 행하여 무장하고 여호와 앞에서 가서 싸우되
21 ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin’ i Jordana eo anatrehan’ i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,
너희가 다 무장하고 여호와 앞에서 요단을 건너가서 여호와께서 그 원수를 자기 앞에서 쫓아내시고
22 ka ho resy eo anatrehan’ i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin’ i Jehovah, na amin’ ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan’ i Jehovah.
그 땅으로 여호와 앞에 복종케 하시기까지 싸우면 여호와의 앞에서나 이스라엘의 앞에서나 무죄히 돌아오겠고 이 땅은 여호와 앞에서 너희의 산업이 되리라마는
23 Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin’ i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
너희가 만일 그같이 아니하면 여호와께 범죄함이니 너희 죄가 정녕 너희를 찾아낼줄 알라
24 Manaova tanàna ho an’ ny zanakareo madinika sy vala ho an’ ny ondry aman’ osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.
너희는 유아들을 위하여 성읍을 건축하고 양을 위하여 우리를 지으라 그리하고 너희 입에서 낸 대로 행하라
25 Dia niteny tamin’ i Mosesy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:
갓 자손과 르우벤 자손이 모세에게 대답하여 가로되 우리 주의 명대로 종들이 행할 것이라
26 ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman’ osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin’ ny tanànan’ i Gileada;
우리의 어린 자와 아내와 양떼와 모든 가축은 이곳 길르앗 성읍 들에 두고
27 fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.
우리 주의 말씀대로 종들은 무장하고 여호와 앞에서 다 건너가서 싸우리이다
28 Ary Mosesy dia nandidy an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ny amin’ ireo
이에 모세가 그들에게 대하여 제사장 엘르아살과 눈의 아들 여호수아와 이스라엘 자손 지파의 두령들에게 명하니라
29 ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an’ i Jordana hiaraka aminareo ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
모세가 그들에게 이르되 갓 자손과 르우벤 자손이 만일 각기 무장하고 너희와 함께 요단을 건너가서 여호와 앞에서 싸워서 그 땅이 너희 앞에 항복하기에 이르거든 길르앗 땅을 그들에게 산업으로 줄 것이니라
30 fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin’ ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.
그러나 그들이 만일 너희와 함께 무장하고 건너지 아니하거든 가나안 땅에서 너희 중에 산업을 줄 것이니라
31 Dia namaly ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny mpanomponao no hataonay:
갓 자손과 르우벤 자손이 대답하여 가로되 여호와께서 당신의 종들에게 명하신 대로 우리가 행할 것이라
32 Izabay handeha hita eo anatrehan’ i Jehovah ho any amin’ ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin’ i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.
우리가 무장하고 여호와 앞에서 가나안 땅에 건너가서 요단 이편으로 우리의 산업이 되게 하리이다
33 Dia nomen’ i Mosesy ho an’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen’ i Manase, zanak’ i Josefa, ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorka, sy ny fanjakan’ i Oga, mpanjakan’ i Basana dia ny tany mbamin’ ny tanànany ao amin’ ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin’ ny tany manodidina.
모세가 갓 자손과 르우벤 자손과 요셉의 아들 므낫세 반 지파에게 아모리인의 왕 시혼의 국토와 바산 왕 옥의 국토를 주되 곧 그 나라와 그 경내 성읍들과 그 성읍들의 사면 땅을 그들에게 주매
34 Ary ny taranak’ i Gada nanao an’ i Dibona sy Atarota sy Aroera
갓 자손은 디본과 아다롯과 아로엘과
35 sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
아다롯소반과 야셀과 욕브하와
36 sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an’ ny ondry.
벧니므라와 벧하란들의 견고한 성읍을 건축하였고 또 양을 위하여 우리를 지었으며
37 Ary ny taranak’ i Robena nanao an’ i Hesbona sy Elale sy Kiriataima
르우벤 자손은 헤스본과 엘르알레와 기랴다임과
38 sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran’ ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.
느보와 바알므온들을 건축하고 그 이름을 고쳤고 또 십마를 건축하고 건축한 성읍들에 새 이름을 주었고
39 Ary ny taranak’ i Makira, zanak’ i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
므낫세의 아들 마길의 자손은 가서 길르앗을 쳐서 취하고 거기 있는 아모리인을 쫓아내매
40 Ary Gileada dia nomen’ i Mosesy an’ i Makira, zanak’ i Manase, ka nonina tao izy.
모세가 길르앗을 므낫세의 아들 마길에게 주매 그가 거기 거하였고
41 Ary Jaïra, zanak’ i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaïra.
므낫세의 아들 야일은 가서 그 촌락들을 취하고 하봇야일이라 칭하였으며
42 Ary Noba nandeha ka nahafaka an’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.
노바는 가서 그낫과 그 향촌을 취하고 자기 이름을 따라서 노바라 칭하였더라

< Nomery 32 >