< Nomery 30 >
1 Ary Mosesy niteny tamin’ ireo lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
摩西晓谕以色列各支派的首领说:“耶和华所吩咐的乃是这样:
2 Raha misy lehilahy mivoady amin’ i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
人若向耶和华许愿或起誓,要约束自己,就不可食言,必要按口中所出的一切话行。
3 Ary raha misy vehivavy mivoady amin’ i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,
女子年幼、还在父家的时候,若向耶和华许愿,要约束自己,
4 ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.
她父亲也听见她所许的愿并约束自己的话,却向她默默不言,她所许的愿并约束自己的话就都要为定。
5 Fa raha nandrara azy rainy tamin’ ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.
但她父亲听见的日子若不应承她所许的愿和约束自己的话,就都不得为定;耶和华也必赦免她,因为她父亲不应承。
6 Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon’ ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,
她若出了嫁,有愿在身,或是口中出了约束自己的冒失话,
7 ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
她丈夫听见的日子,却向她默默不言,她所许的愿并约束自己的话就都要为定。
8 Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.
但她丈夫听见的日子,若不应承,就算废了她所许的愿和她出口约束自己的冒失话;耶和华也必赦免她。
9 Fa ny amin’ ny voadin’ ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny.
寡妇或是被休的妇人所许的愿,就是她约束自己的话,都要为定。
10 Ary raha nisy vehivavy nivoady tao an-tranon’ ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady,
她若在丈夫家里许了愿或起了誓,约束自己,
11 ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.
丈夫听见,却向她默默不言,也没有不应承,她所许的愿并约束自己的话就都要为定。
12 Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin’ ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.
丈夫听见的日子,若把这两样全废了,妇人口中所许的愿或是约束自己的话就都不得为定,因她丈夫已经把这两样废了;耶和华也必赦免她。
13 Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy.
凡她所许的愿和刻苦约束自己所起的誓,她丈夫可以坚定,也可以废去。
14 Fa raha tsy niteny azy akory tamin’ ny an-davan’ andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin’ ny andro nandrenesany.
倘若她丈夫天天向她默默不言,就算是坚定她所许的愿和约束自己的话;因丈夫听见的日子向她默默不言,就使这两样坚定。
15 Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian’ ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy.
但她丈夫听见以后,若使这两样全废了,就要担当妇人的罪孽。”
16 Ireo no lalàna izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin’ ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.
这是丈夫待妻子,父亲待女儿,女儿年幼、还在父家,耶和华所吩咐摩西的律例。