< Nomery 3 >

1 Ary izao no taranak’ i Arona sy Mosesy tamin’ ny andro nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
این است تاریخچۀ خاندان موسی و هارون در زمانی که خداوند در کوه سینا با موسی سخن گفت:
2 Ny anaran’ ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
هارون چهار پسر به نامهای ناداب (پسر نخست‌زاده)، ابیهو، العازار و ایتامار داشت.
3 Ireo no anaran’ ny zanakalahin’ i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
هر چهار نفر ایشان برای خدمت کاهنی انتخاب و تقدیس شدند تا در خیمهٔ عبادت خدمت کنند.
4 Fa maty teo anatrehan’ i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah tany an-efitr’ i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan’ i Arona rainy.
ولی ناداب و ابیهو به علّت استفاده از آتش غیر مجاز در حضور خداوند، در صحرای سینا مردند و چون فرزندی نداشتند، فقط العازار و ایتامار باقی ماندند تا پدرشان هارون را در خدمت کاهنی یاری کنند.
5 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
پس خداوند به موسی فرمود:
6 Ento ny firenen’ i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan’ i Arona mpisorona mba hanompo azy.
«قبیلهٔ لاوی را فرا خوان و ایشان را به عنوان دستیاران هارون نزد او حاضر کن.
7 Dia hitandrina ny anjara-raharahan’ i Arona sy ny anjara raharahan’ ny fiangonana rehetra eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
ایشان باید از دستورهای او پیروی نموده، به جای تمام قوم اسرائیل خدمات مقدّس خیمهٔ ملاقات را انجام دهند، زیرا ایشان به نمایندگی از طرف بنی‌اسرائیل تعیین شده‌اند تا زیر نظر هارون خدمت کنند. مسئولیت نگهداری خیمهٔ عبادت و تمام اسباب و اثاثیه آن بر عهدهٔ ایشان است.
8 Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
9 Ary homenao an’ i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin’ ny Zanak’ Isiraely ireo.
10 Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
ولی فقط هارون و پسرانش باید وظایف کاهنی را انجام دهند؛ هر کس دیگری که بخواهد نزدیک بیاید باید کشته شود.»
11 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
خداوند به موسی فرمود:
12 Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely ho solon’ ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: dia Ahy ny Levita,
«من لاویان را به جای تمام پسران نخست‌زادۀ قوم اسرائیل پذیرفته‌ام. لاویان از آن من هستند.
13 satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
آنها به جای تمام نخست‌زادگان بنی‌اسرائیل وقف من شده‌اند. از روزی که نخست‌زادگان مصری‌ها را کشتم، نخست‌زادگان بنی‌اسرائیل را، چه انسان و چه حیوان، از آن خود ساختم، پس آنها به من تعلق دارند. من خداوند هستم.»
14 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay ka nanao hoe:
خداوند در صحرای سینا موسی را خطاب کرده فرمود:
15 Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin’ ny iray volana no ho miakatra no halaminao.
«قبیلهٔ لاوی را برحسب طایفه و خاندان سرشماری کن. پسران را از یک ماهه به بالا بشمار.»
16 Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin’ i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
پس موسی طبق فرمان خداوند ایشان را شمرد:
17 Ary izao no zanakalahin’ i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
لاوی سه پسر داشت با نام های جرشون و قهات و مراری.
18 Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
نامهای پسران جرشون برحسب طایفه‌هایشان لبنی و شمعی بود.
19 Ary ny zanakalahin’ i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
نامهای پسران قهات برحسب طایفه‌هایشان عمرام و یِصهار و حبرون و عُزیئیل بود.
20 Ary ny zanakalahin’ i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon’ ny Levita, araka ny fianakaviany.
نامهای پسران مراری برحسب طایفه‌هایشان مَحلی و موشی بود. اینها طایفه‌های لاوی برحسب خاندانهایشان بودند.
21 Avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon’ ny Gersonita.
طایفه‌های جرشون، لبنیان و شمعیان بودند.
22 Ary izay nalamina, araka ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.
تعداد همه مردان و پسران از یک ماهه به بالا در طایفه‌های جرشونیان ۷٬۵۰۰ نفر بود.
23 Ny fokon’ ny Gersonita dia hitoby eo ivohon’ ny tabernakely, dia eo andrefany.
اردوگاهی که برای چادر زدن آنها تعیین شده بود در سوی غربی خیمه عبادت بود.
24 Ary ny lohan’ ny fianakavian’ ny Gersonka dia Efiasafa, zanak’ i Laela.
نام رهبر قبیله‌های جرشونی الیاساف پسر لاییل بود.
25 Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Gersona eo amin’ ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana,
وظیفهٔ این دو طایفهٔ لاوی عبارت بود از: مراقبت از خیمهٔ ملاقات، که شامل خیمۀ عبادت و پوششهای آن، پردهٔ مدخل خیمۀ ملاقات، پرده‌های دیوار حیاطی که اطراف خیمه و مذبح است، پردهٔ مدخل حیاط و همهٔ طنابها و همچنین انجام کارهای مربوط به آنها. پسر لاوی: قهات نوادگان لاوی (نامهای طوایف): عَمرام، یصها، حبرون، عزی‌ئیل تعداد: ۸٬۶۰۰ نفر رهبر: الیصافان (پسر عُزی‌ئیل) جایگاه اردو: سمت جنوبی خیمهٔ عبادت
26 ary ny fefi-lamban’ ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ ny vavahadin’ ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
27 Ary avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Amramita sy ny fokon’ ny Jizarita sy ny fokon’ ny Hebronita ary ny fokon’ ny Ozielita; ireo no fokon’ ny Kehatita.
28 Ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia enin-jato amby valo arivo.
29 Ny fokon’ ny zanak’ i Kehata dia hitoby eo amin’ ny lafiny atsimo amin’ ny tabernakely.
30 Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ ny Kehatita dia Elisafana, zanak’ i Oziela.
31 Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masìna, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin’ ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
وظیفهٔ این چهار طایفهٔ لاوی عبارت بود از: مراقبت از صندوق عهد خداوند، میز نان حضور، چراغدان، مذبحها، لوازم مختلفی که در خیمهٔ عبادت به کار می‌رفت، پردهٔ بین قدس و قدس‌الاقداس، و انجام کارهای مربوط به آنها. (العازار پسر هارون، رئیس رهبران لاویان بود و بر کار خدمتگزاران قدس نظارت می‌کرد.) پسر لاوی: مراری نوادگان لاوی (نامهای طوایف): مَحلی، موشی تعداد: ۶٬۲۰۰ نفر رهبر: صوری‌ئیل (پسر ابیحایل) جایگاه اردو: سمت شمالی خیمهٔ عبادت
32 Ary ny lehiben’ ny lohan’ ny Levita dia Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, izay lehiben’ ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerana masìna.
33 Avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Malita sy ny fokon’ ny Mosita; Ireo no fokon’ i Merary.
34 Ary izay nalamina, araka ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,
35 Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ i Merary dia Zoriela, zanak’ i Abihaila; ireo no hitoby eo amin’ ny lafiny avaratra amin’ ny tabernakely.
36 Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Merary dia ny zana-kazo amin’ ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
وظیفهٔ این دو طایفه عبارت بود از: مراقبت از چوب‌بست خیمهٔ عبادت، پشت‌بندها، ستونها، پایه‌های ستونها، و تمام لوازم بر پا سازی آن و انجام کارهای مربوط به آنها، و همچنین مواظبت از ستونهای گرداگرد حیاط و پایه‌ها و میخها و طنابها.
37 ary ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
38 Ary ny mitoby eo anoloan’ ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
خیمهٔ موسی و هارون و پسرانش می‌بایست در سمت شرقی خیمهٔ ملاقات، یعنی جلوی آن و رو به آفتاب بر پا شود. ایشان به جای قوم اسرائیل وظیفهٔ مراقبت از خیمهٔ عبادت را بر عهده داشتند. (هر کس که کاهن یا لاوی نبود و وارد خیمهٔ عبادت می‌گردید کشته می‌شد.)
39 Ny tontalin’ izay nalamina avy tamin’ ny Levita, dia izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah, avy tamin’ ny fokony, ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
پس تعداد همهٔ پسران و مردان لاوی که موسی و هارون طبق دستور خداوند ایشان را شمردند، از یک ماهه به بالا ۲۲ هزار نفر بود.
40 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
سپس خداوند به موسی فرمود: «حالا تمام پسران نخست‌زاده بنی‌اسرائیل را از یک ماهه به بالا بشمار و نام هر یک از آنها را ثبت کن.
41 Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny biby fiompin’ ny Zanak’ Isiraely.
لاویان به عوض نخست‌زادگان بنی‌اسرائیل به من که خداوند هستم تعلق دارند، و حیوانات لاویان هم به جای نخست‌زاده‌های حیوانات تمام قوم اسرائیل از آن من هستند.»
42 Dia nalamin’ i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.
پس موسی همان‌طور که خداوند به او دستور داده بود، همۀ نخست‌زادگان بنی‌اسرائیل را شمرد
43 Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.
و تعداد کل همۀ نخست‌زادگان از یک ماهه به بالا ۲۲٬۲۷۳ نفر بود.
44 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
خداوند به موسی فرمود:
45 Alao ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
«حال لاویان را به عوض نخست‌زادگان قوم اسرائیل و حیوانات ایشان را به جای نخست‌زاده‌های حیوانات بنی‌اسرائیل به من بده. آری، من خداوند هستم و لاویان از آن من می‌باشند.
46 Ary ny amin’ ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin’ ny lahimatoan’ ny Zanak’ Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
به منظور بازخرید ۲۷۳ نخست‌زادۀ بنی‌اسرائیل که اضافه بر تعداد لاویان هستند
47 dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masìna no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
برای هر نفر پنج مثقال نقره برحسب مثقال عبادتگاه که بیست قیراط است، بگیر
48 Dia homenao an’ i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr’ ireo mihoatra isa ireo.
و آن را به عنوان وجه فدیۀ ایشان برای نخست‌زادگان اضافی، به هارون و پسرانش بده.»
49 Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
پس موسی مبلغ بازخرید ۲۷۳ پسر ارشدی را که اضافه بر تعداد لاویان بودند دریافت کرد. (بقیه پسران ارشد از پرداخت مبلغ بازخرید معاف بودند، چون لاویان به عوض ایشان وقف خداوند شده بودند.)
50 tamin’ ny lahimatoan’ ny Zanak’ Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masìna;
کل مبلغ بازخرید معادل ۱٬۳۶۵ مثقال نقره برحسب مثقال عبادتگاه بود.
51 dia nomen’ i Mosesy an’ i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin’ i Jehovah, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
موسی طبق دستور خداوند، آن را به هارون و پسرانش تحویل داد.

< Nomery 3 >