< Nomery 3 >

1 Ary izao no taranak’ i Arona sy Mosesy tamin’ ny andro nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
Ũyũ nĩguo ũhoro wa njiaro cia Harũni na Musa hĩndĩ ĩrĩa Jehova aaririe na Musa Kĩrĩma-inĩ gĩa Sinai.
2 Ny anaran’ ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
Marĩĩtwa ma ariũ a Harũni maarĩ Nadabu ũrĩa warĩ irigithathi, na Abihu, na Eleazaru, na Ithamaru.
3 Ireo no anaran’ ny zanakalahin’ i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
Macio nĩmo marĩĩtwa ma ariũ a Harũni, nao maarĩ athĩnjĩri-Ngai aitĩrĩrie maguta, arĩa maamũrĩtwo matungatage marĩ athĩnjĩri-Ngai.
4 Fa maty teo anatrehan’ i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah tany an-efitr’ i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan’ i Arona rainy.
Na rĩrĩ, Nadabu na Abihu nĩmakuire marĩ mbere ya Jehova rĩrĩa maarutaga igongona na mwaki ũtarĩ mwĩtĩkĩrie mbere yake Werũ-inĩ wa Sinai. Matiarĩ na ciana cia aanake; nĩ ũndũ ũcio, Eleazaru na Ithamaru nĩo maatungataga marĩ athĩnjĩri-Ngai hĩndĩ ĩrĩa yothe ithe wao Harũni aarĩ muoyo.
5 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Nake Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ,
6 Ento ny firenen’ i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan’ i Arona mpisorona mba hanompo azy.
“Rehe andũ a mũhĩrĩga wa Lawi ũmaneane kũrĩ Harũni mũthĩnjĩri-Ngai, nĩguo mamũteithagie.
7 Dia hitandrina ny anjara-raharahan’ i Arona sy ny anjara raharahan’ ny fiangonana rehetra eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
Marĩĩrutaga wĩra wa kũmũtungatĩra, na matungatagĩre kĩrĩndĩ kĩu gĩothe hau Hema-inĩ-ya-Gũtũnganwo na ũndũ wa kũruta wĩra wa hema ĩyo.
8 Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
Nao marĩmenyagĩrĩra indo ciothe cia Hema-ya-Gũtũnganwo, mahingagie maũndũ marĩa magĩrĩire nĩ gwĩkwo nĩ andũ a Isiraeli na ũndũ wa kũruta wĩra wa hema ĩyo.
9 Ary homenao an’ i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin’ ny Zanak’ Isiraely ireo.
Neana Alawii acio kũrĩ Harũni na ariũ ake; nĩo andũ a Isiraeli arĩa mekũneanwo kũrĩ we biũ.
10 Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Amũra Harũni na ariũ ake matungatage marĩ athĩnjĩri-Ngai; mũndũ ũngĩ o wothe ũrĩa ũrĩkuhagĩrĩria harĩa haamũre no nginya ooragwo.”
11 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ,
12 Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely ho solon’ ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: dia Ahy ny Levita,
“Niĩ nĩ niĩ thuurĩte Alawii kuuma kũrĩ andũ a Isiraeli ithenya rĩa marigithathi ma arũme arĩa marigithathĩtwo nĩ andũ-a-nja othe a Isiraeli. Alawii nĩ akwa,
13 satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
nĩgũkorwo marigithathi mothe nĩ makwa. Hĩndĩ ĩrĩa ndooragire marigithathi mothe ma Misiri, noguo ndeyamũrĩire marigithathi mothe ma Isiraeli, marĩ ma mũndũ kana ma nyamũ. Macio nĩ makwa kĩũmbe. Niĩ nĩ niĩ Jehova.”
14 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay ka nanao hoe:
Ningĩ Jehova akĩĩra Musa kũu Werũ-inĩ wa Sinai atĩrĩ,
15 Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin’ ny iray volana no ho miakatra no halaminao.
“Tara Alawii kũringana na nyũmba ciao na mbarĩ ciao. Tara arũme othe arĩa makinyĩtie mweri ũmwe na makĩria.”
16 Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin’ i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
Nĩ ũndũ ũcio, Musa akĩmatara o ta ũrĩa aathĩtwo nĩ kiugo kĩa Jehova.
17 Ary izao no zanakalahin’ i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
Maya nĩmo marĩĩtwa ma ariũ a Lawi: Nĩ Gerishoni, na Kohathu, na Merari.
18 Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
Maya nĩmo marĩĩtwa ma mbarĩ cia Agerishoni: Nĩ Libini na Shimei.
19 Ary ny zanakalahin’ i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
Mbarĩ cia Akohathu ciarĩ: Amuramu, na Iziharu na Hebironi, na Uzieli.
20 Ary ny zanakalahin’ i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon’ ny Levita, araka ny fianakaviany.
Mbarĩ cia Amerari: ciarĩ Mahali na Mushi. Ici nĩcio ciarĩ mbarĩ cia Alawii, kũringana na nyũmba ciao.
21 Avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon’ ny Gersonita.
Gerishoni aarĩ na mbarĩ cia Alabini na Ashimei; ici nĩcio ciarĩ mbarĩ cia Agerishoni.
22 Ary izay nalamina, araka ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.
Arũme arĩa othe maakinyĩtie mweri ũmwe na makĩria arĩa maatarirwo maarĩ andũ 7,500.
23 Ny fokon’ ny Gersonita dia hitoby eo ivohon’ ny tabernakely, dia eo andrefany.
Mbarĩ icio cia Agerishoni ciarĩ ciambe hema ciao mwena wa ithũĩro, thuutha wa Hema-ĩrĩa-Nyamũre.
24 Ary ny lohan’ ny fianakavian’ ny Gersonka dia Efiasafa, zanak’ i Laela.
Mũtongoria wa nyũmba cia Agerishoni aarĩ Eliasafu mũrũ wa Laeli.
25 Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Gersona eo amin’ ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana,
Hau Hema-inĩ-ya-Gũtũnganwo-rĩ, Agerishoni nĩo maarĩ na wĩra wa kũmenyerera Hema-ĩyo-Nyamũre na hema, na ciandarũa cia kũmĩhumbĩra, na gĩtambaya gĩa gũcuurio itoonyero rĩa Hema-ya-Gũtũnganwo,
26 ary ny fefi-lamban’ ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ ny vavahadin’ ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
na itambaya cia gũcuurio cia kũirigĩra nja, na gĩtambaya gĩa gũcuurio gĩa itoonyero rĩa nja ĩrĩa ĩthiũrũkĩirie Hema ĩyo nyamũre na kĩgongona na mĩhĩndo, na indo ciothe iria ikonainie na wĩra wacio.
27 Ary avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Amramita sy ny fokon’ ny Jizarita sy ny fokon’ ny Hebronita ary ny fokon’ ny Ozielita; ireo no fokon’ ny Kehatita.
Kohathu aarĩ na mbarĩ cia Aamuramu, na Aiziharu, na Ahebironi, na Auzieli; icio nĩcio ciarĩ mbarĩ cia Akohathu.
28 Ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia enin-jato amby valo arivo.
Arũme arĩa othe maakinyĩtie mweri ũmwe na makĩria maarĩ andũ 8,600. Wĩra wa Akohathu warĩ wa kũmenyerera harĩa haamũre.
29 Ny fokon’ ny zanak’ i Kehata dia hitoby eo amin’ ny lafiny atsimo amin’ ny tabernakely.
Mbarĩ cia Akohathu ciarĩ ciambage hema mwena wa gũthini wa Hema-ĩrĩa-Nyamũre.
30 Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ ny Kehatita dia Elisafana, zanak’ i Oziela.
Mũtongoria wa nyũmba cia mbarĩ cia Akohathu aarĩ Elizafani mũrũ wa Uzieli.
31 Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masìna, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin’ ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
Wĩra wao warĩ wa kũmenyerera ithandũkũ rĩa kĩrĩkanĩro, na metha, na mũtĩ ũrĩa wa kũigĩrĩrwo matawa, na igongona, na indo cia gũtũmĩrwo harĩa haamũre, na gĩtambaya gĩa gũcuurio gĩa kũhakania, o na indo ciothe ciakonainie na mũhũthĩrĩre wacio.
32 Ary ny lehiben’ ny lohan’ ny Levita dia Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, izay lehiben’ ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerana masìna.
Mũtongoria mũnene wa Alawii aarĩ Eleazaru mũrũ wa Harũni, ũrĩa mũthĩnjĩri-Ngai. Nĩwe watuirwo mũrũgamĩrĩri wa arĩa maamenyagĩrĩra harĩa haamũre.
33 Avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Malita sy ny fokon’ ny Mosita; Ireo no fokon’ i Merary.
Merari aarĩ na mbarĩ cia Amahali na Amushi; icio nĩcio ciarĩ mbarĩ cia Merari.
34 Ary izay nalamina, araka ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,
Arũme arĩa othe maatarirwo arĩa maakinyĩtie mweri ũmwe na makĩria maarĩ andũ 6,200.
35 Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ i Merary dia Zoriela, zanak’ i Abihaila; ireo no hitoby eo amin’ ny lafiny avaratra amin’ ny tabernakely.
Mũtongoria wa nyũmba cia mbarĩ ya Merari aarĩ Zurieli mũrũ wa Abihaili; nao maarĩ maambage hema mwena wa gathigathini wa Hema-ĩrĩa-Nyamũre.
36 Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Merary dia ny zana-kazo amin’ ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
Amerari maamũrirwo mamenyagĩrĩre buremu ya hema ĩrĩa yaamũrĩtwo, na mĩgĩĩko yayo, na itugĩ, na itina ciacio, o na indo ciothe ciayo cia wĩra, na indo ciothe ciakonainie na mũhũthĩrĩre wacio,
37 ary ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
o na mamenyagĩrĩre itugĩ iria ciirigĩte nja yayo hamwe na itina ciacio, na higĩ cia hema na mĩhĩĩndo yayo.
38 Ary ny mitoby eo anoloan’ ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Musa na Harũni na ariũ ake maarĩ mambage hema ciao mwena wa irathĩro wa Hema-ĩyo-Nyamũre, mangʼetheire irathĩro, o hau mbere ya Hema-ya-Gũtũnganwo. Wĩra wao warĩ wa kũmenyerera harĩa haamũre ithenya rĩa andũ a Isiraeli. Mũndũ ũngĩ o wothe ũngĩakuhĩrĩirie hau haamũre aarĩ ooragwo.
39 Ny tontalin’ izay nalamina avy tamin’ ny Levita, dia izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah, avy tamin’ ny fokony, ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
Alawii arĩa othe maatarirwo ta ũrĩa Jehova aathĩte Musa na Harũni kũringana na mbarĩ ciao, hamwe na arũme othe arĩa maakinyĩtie mweri ũmwe na makĩria, maarĩ andũ 22,000.
40 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
Nake Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ, “Tara marigithathi ma arũme othe ma andũ a Isiraeli arĩa makinyĩtie mweri ũmwe na makĩria, na wandĩke marĩĩtwa mao.
41 Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny biby fiompin’ ny Zanak’ Isiraely.
Nyamũrĩra Alawii handũ ha marigithathi mothe ma andũ a Isiraeli; o naguo ũhiũ wa Alawii ũwaamũre handũ ha marigithathi mothe ma mahiũ ma andũ a Isiraeli. Niĩ nĩ niĩ Jehova.”
42 Dia nalamin’ i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.
Nĩ ũndũ ũcio Musa agĩtara marigithathi mothe ma andũ a Isiraeli, o ta ũrĩa Jehova aamwathĩte.
43 Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.
Marigithathi mothe ma arũme arĩa maakinyĩtie mweri ũmwe na makĩria, maandĩkwo na marĩĩtwa mao, maarĩ andũ 22,273.
44 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ,
45 Alao ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
“Amũra Alawii handũ ha marigithathi mothe ma andũ a Isiraeli, naguo ũhiũ wa Alawii ũwaamũre handũ ha mahiũ mao. Alawii megũtuĩka akwa. Niĩ nĩ niĩ Jehova.
46 Ary ny amin’ ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin’ ny lahimatoan’ ny Zanak’ Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
Gũkũũra marigithathi macio 273 ma andũ a Isiraeli, acio makĩrĩte mũigana wa Alawii-rĩ,
47 dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masìna no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
oya cekeri ithano irũgamĩrĩre o mũndũ, kũringana na cekeri ya handũ-harĩa-haamũre, ĩrĩa ũritũ wayo ũrĩ gera mĩrongo ĩĩrĩ.
48 Dia homenao an’ i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr’ ireo mihoatra isa ireo.
Mbeeca icio cia gũkũũra andũ a Isiraeli acio makĩrĩte-rĩ, cinengere Harũni na ariũ ake.”
49 Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
Nĩ ũndũ ũcio Musa akĩũngania mbeeca cia gũkũũra andũ acio maakĩrĩte mũigana wa andũ arĩa maakũũrĩtwo nĩ Alawii.
50 tamin’ ny lahimatoan’ ny Zanak’ Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masìna;
Kuuma kũrĩ marigithathi ma andũ a Isiraeli, akĩũngania betha ya ũritũ wa cekeri 1,365 kũringana na cekeri ya handũ-harĩa-haamũre.
51 dia nomen’ i Mosesy an’ i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin’ i Jehovah, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Musa akĩnengera Harũni na ariũ ake mbeeca icio ciakũũrĩte andũ, o ta ũrĩa aathĩtwo nĩ kiugo kĩa Jehova.

< Nomery 3 >