< Nomery 29 >

1 Ary amin’ ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
Och den förste dagen i sjunde månadenom skall ibland eder kallas helig, att I sammankommen; intet tjenstearbete skolen I göra deruppå; det är eder trummetandes dag.
2 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
Och I skolen göra bränneoffer till en söt lukt Herranom, en ungan stut, en vädur, sju årsgamla lamb utan vank.
3 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,
Dertill deras spisoffer, tre tiungar semlomjöl, blandadt med oljo, till stuten, två tiungar till väduren;
4 ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry fito)
En tiung på hvart och ett af de sju lamben;
5 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
Och en getabock till syndoffer, till att försona eder;
6 ho fanampin’ ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Förutan månadens bränneoffer, och dess spisoffer, och förutan det dagliga bränneoffret med dess spisoffer, och med deras drickoffer, efter deras sätt, till en söt lukt; det är ett offer Herranom.
7 Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masìna ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.
Den tionde dagen i denna sjunde månadenom skall ock när eder kallas helig, att I sammankommen; och I skolen späka edra kroppar, och intet arbete deruppå göra;
8 Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)
Utan offra bränneoffer Herranom till en söt lukt, en ungan stut, en vädur, sju årsgamla lamb utan vank;
9 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,
Med deras spisoffer, tre tiungar semlomjöl, blandade med oljo, till stuten, två tiungar till väduren;
10 ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia amin’ ny zanak’ ondry fito)
Och en tiung på hvart och ett af de sju lamben.
11 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Dertill en getabock till syndoffer, förutan försoningens syndoffer, och det dagliga bränneoffret med sitt spisoffer, och med deras drickoffer.
12 Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.
Den femtonde dagen i den sjunde månaden skall kallas helig när eder, att I sammankommen; intet tjenstearbete skolen I göra deruppå, och I skolen hålla Herranom helg i sju dagar;
13 Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
Och skolen göra bränneoffer till en söt lukts offer Herranom, tretton unga stutar, två vädrar, fjorton årsgamla lamb utan vank;
14 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy, dia ny vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo, ary roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
Med deras spisoffer, tre tiungar semlomjöl, blandadt med oljo, till hvar och en af de tretton stutar, två tiungar uppå hvar väduren af de två;
15 ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo)
Och en tiung uppå hvart och ett af de fjorton lamben.
16 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Dertill en getabock till syndoffer, förutan det dagliga bränneoffret med sitt spisoffer och sitt drickoffer.
17 Ary amin’ ny andro faharoa koa dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
På den andra dagen, tolf unga stutar, två vädrar, fjorton årsgamla lamb utan vank;
18 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Med deras spisoffer och drickoffer, till stutarna, till vädrarna och till lamben, i deras tal efter sättet.
19 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Dertill en getabock till syndoffer, förutan det dagliga bränneoffret med sitt spisoffer, och med deras drickoffer.
20 Ary amin’ ny andro fahatelo koa dia vantotr’ ombilahy iraika ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
På tredje dagen, ellofva stutar, två vädrar, fjorton årsgamla lamb utan vank;
21 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Med deras spisoffer och drickoffer, till stutarna, till vädrarna, och till lamben, i deras tal efter sättet.
22 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Dertill en getabock till syndoffer, förutan det dagliga bränneoffret, med sitt spisoffer och sitt drickoffer.
23 Ary amin’ ny andro fahefatra koa dia vantotr’ ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
På fjerde dagen, tio stutar, två vädrar, fjorton årsgamla lamb utan vank;
24 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Med deras spisoffer och drickoffer, till stutarna, till vädrarna, och till lamben, i deras tal efter sättet.
25 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Dertill en getabock till syndoffer, förutan det dagliga bränneoffret med sitt spisoffer, och sitt drickoffer.
26 Ary amin’ ny andro fahadimy koa dia vantotr’ ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
På femte dagen, nio stutar, två vädrar, fjorton årsgamla lamb utan vank;
27 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Med deras spisoffer och drickoffer, till stutarna, till vädrarna, och till lamben, i deras tal efter sättet.
28 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Dertill en getabock till syndoffer, förutan det dagliga bränneoffret, med sitt spisoffer, och sitt drickoffer.
29 Ary amin’ ny andro fahenina koa dia vantotr’ ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
På sjette dagen, åtta stutar, två vädrar, fjorton årsgamla lamb utan vank;
30 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Med deras spisoffer och drickoffer, till stutarna, till vädrarna, och till lamben, i deras tal efter sättet.
31 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Dertill en getabock till syndoffer, förutan det dagliga bränneoffret, med sitt spisoffer, och sitt drickoffer.
32 Ary amin’ ny andro fahafito koa dia vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
På sjunde dagen sju stutar, två vädrar, fjorton årsgamla lamb utan vank;
33 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Med deras spisoffer och drickoffer, till stutarna, till vädrarna, och till lamben, i deras tal efter sättet.
34 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Dertill en getabock till syndoffer, förutan det dagliga bränneoffret, med sitt spisoffer, och sitt drickoffer.
35 Ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
På den åttonde skall vara församlingenes dag; intet tjenstearbete skolen I göra deruppå;
36 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
Och skolen offra bränneoffer till en söt lukts offer Herranom; en stut, en vädur, sju årsgamla lamb, utan vank;
37 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Med deras spisoffer och drickoffer, till stuten, till väduren, och till lamben, i deras tal efter sättet.
38 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Dertill en bock till syndoffer, förutan det dagliga bränneoffret, med sitt spisoffer och sitt drickoffer.
39 Ireo no haterinareo ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
Detta skolen I göra Herranom i edra högtider, undantagno det I lofven och friviljoge gifven till bränneoffer, spisoffer, drickoffer och tackoffer.
40 Dia nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy.
Och Mose sade Israels barnom allt det Herren honom budit hade.

< Nomery 29 >