< Nomery 29 >

1 Ary amin’ ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
« ‹ Na mokolo ya liboso ya sanza ya sambo, bokozala na mayangani ya bule. Bokosala mosala moko te oyo bosalaka mokolo na mokolo, ekozala nde mokolo ya kobeta bakelelo.
2 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
Bokobonzela Yawe lokola mbeka ya kotumba, oyo solo kitoko na yango ekosepelisa Yawe: mwana ngombe moko ya mobali, meme moko ya mobali mpe bana mibali ya meme sambo ya mobu moko, nyonso ezanga mbeba.
3 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,
Mpo na ngombe ya mobali, bokobonza yango na likabo ya bakilo libwa ya farine basangisa na mafuta; mpo na meme ya mobali, bokobonza yango na likabo ya bakilo motoba;
4 ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry fito)
mpe mpo na mwana meme moko na moko ya mobali kati na yango sambo, bokobonza yango na likabo ya bakilo misato.
5 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
Bokobakisa ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu, mpo na kosala mosala ya bolimbisi masumu mpo na bino.
6 ho fanampin’ ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Bambeka oyo ekobakisama na mbeka ya kotumba ya sanza na sanza elongo na makabo na yango ya bambuma, na mbeka ya kotumba ya mokolo na mokolo elongo na makabo na yango ya bambuma mpe mbeka na yango ya masanga, kolanda ndenge ekatama. Ezali makabo bazikisa na moto mpo na Yawe, oyo solo kitoko na yango esepelisaka Yawe.
7 Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masìna ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.
Na mokolo ya zomi, na sanza ya sambo, bokozala na mayangani ya bule. Bokokila bilei, bokosala mosala moko te oyo bokosalaka mokolo na mokolo.
8 Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)
Bokobonzela Yawe mbeka ya kotumba, lokola biloko ya solo kitoko: mwana ngombe moko ya mobali, meme moko ya mobali mpe bana mibali ya meme sambo ya mobu moko, nyonso ezanga mbeba.
9 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,
Mpo na ngombe ya mobali, bokobonza yango na likabo ya bakilo libwa ya farine basangisa na mafuta; mpo na meme ya mobali, bokobonza yango na likabo ya bakilo motoba;
10 ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia amin’ ny zanak’ ondry fito)
mpe mpo na mwana meme moko na moko ya mobali kati na yango sambo, bokobonza yango na likabo ya bakilo misato.
11 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Bokobakisa ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu; ekobakisama na mbeka mpo na masumu oyo epesami na mokolo ya bolimbisi masumu mpe na mbeka ya kotumba ya libela na mbeka na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga.
12 Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.
Na mokolo ya zomi na mitano ya sanza ya sambo, bokozala na mayangani ya bule; bokosala mosala moko te oyo bosalaka mokolo na mokolo mpe bokosala feti monene mpo na Yawe mikolo sambo.
13 Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
Bokobonzela Yawe lokola mbeka ya kotumba mpe lokola likabo bazikisa na moto, oyo solo kitoko na yango ekosepelisa Yawe: bangombe zomi na misato ya mibali, bameme mibale ya mibali, mpe bana meme zomi na minei ya mibali ya mobu moko mpe ezanga mbeba.
14 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy, dia ny vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo, ary roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
Mpo na ngombe moko na moko ya mobali kati na bangombe yango zomi na misato ya mibali, bokobonza yango elongo na likabo ya bakilo libwa ya farine basangisa na mafuta; mpo na meme moko na moko kati na bameme yango mibale ya mibali, bakilo motoba;
15 ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo)
mpe mpo na mwana meme moko na moko kati na bana meme yango zomi na minei, bakilo misato.
16 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Bokobakisa, ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu, bakisa lisusu mbeka ya kotumba ya libela na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga.
17 Ary amin’ ny andro faharoa koa dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Na mokolo ya mibale, bokobonza bangombe ya mibali zomi na mibale, bameme ya mibali mibale mpe bana mibali ya meme zomi na minei, ya mobu moko, nyonso ezanga mbeba;
18 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
elongo na makabo ya mbuma mpe likabo ya masanga mpo na bangombe ya mibali, bameme ya mibali mpe bana mibali ya meme, kolanda motango oyo ekatama.
19 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Bokobakisa, ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu mpe lisusu, mbeka ya kotumba ya libela elongo na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga.
20 Ary amin’ ny andro fahatelo koa dia vantotr’ ombilahy iraika ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Na mokolo ya misato, bokobonza bangombe ya mibali zomi na moko, meme mibale ya mibali mpe bana mibali ya meme zomi na minei ya mobu moko, nyonso ezanga mbeba.
21 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Mpo na bangombe ya mibali, bameme ya mibali mpe bana mibali ya meme, bokobonza yango na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga, kolanda motango oyo ekatama.
22 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Bokobakisa ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu, kobakisa lisusu, mbeka ya kotumba ya libela elongo na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga.
23 Ary amin’ ny andro fahefatra koa dia vantotr’ ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Na mokolo ya minei, bokobonza bangombe ya mibali zomi, bameme ya mibali mibale mpe bana mibali ya meme zomi na minei, ya mobu moko, nyonso ezanga mbeba.
24 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Mpo na bangombe ya mibali, bameme ya mibali mpe bana mibali ya meme, bokobonza yango na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga, kolanda motango oyo ekatama.
25 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Bokobakisa ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu, kobakisa lisusu, mbeka ya kotumba ya libela elongo na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga.
26 Ary amin’ ny andro fahadimy koa dia vantotr’ ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Na mokolo ya mitano, bokobonza bangombe ya mibali libwa, bameme ya mibali mibale mpe bana mibali ya meme zomi na minei ya mobu moko, nyonso ezanga mbeba.
27 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Mpo na bangombe ya mibali, bameme ya mibali mpe bana mibali ya meme, bokobonza yango na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga, kolanda motango oyo ekatama.
28 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Bokobakisa ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu, kobakisa lisusu, mbeka ya kotumba ya libela elongo na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga.
29 Ary amin’ ny andro fahenina koa dia vantotr’ ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Na mokolo ya motoba, bokobonza bangombe ya mibali mwambe, bameme ya mibali mibale mpe bana mibali ya meme zomi na minei ya mobu moko, nyonso ezanga mbeba.
30 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Mpo na bangombe ya mibali, bameme ya mibali mpe bana mibali ya meme, bokobonza yango na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga, kolanda motango oyo ekatama.
31 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Bokobakisa ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu, kobakisa lisusu, mbeka ya kotumba ya libela elongo na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga.
32 Ary amin’ ny andro fahafito koa dia vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Na mokolo ya sambo, bokobonza bangombe ya mibali sambo, bameme ya mibali mibale mpe bana mibali ya meme zomi na minei ya mobu moko, nyonso ezanga mbeba.
33 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Mpo na bangombe ya mibali, bameme ya mibali mpe bana mibali ya meme, bokobonza yango na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga, kolanda motango oyo ekatama.
34 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Bokobakisa ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu, kobakisa lisusu, mbeka ya kotumba ya libela elongo na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga.
35 Ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
Na mokolo ya mwambe, bokozala na mayangani monene mpe bokosala mosala moko te oyo bosalaka mokolo na mokolo.
36 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
Bokobonza lokola mbeka ya kotumba mpe likabo bazikisa na moto, oyo solo kitoko na yango ekosepelisa Yawe: ngombe moko ya mobali, meme moko ya mobali; mpe bana mibali ya meme, sambo, ya mobu moko mpe ezanga mbeba.
37 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
Mpo na ngombe ya mobali, meme ya mobali mpe bana mibali ya meme, bokobonza yango na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga, kolanda motango oyo ekatama.
38 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Bokobakisa ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu, kobakisa lisusu, mbeka ya kotumba ya libela elongo na makabo na yango ya mbuma mpe mbeka na yango ya masanga.
39 Ireo no haterinareo ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
Oyo nde makabo mpe bambeka oyo bokobonzela Yawe na mikolo ya bafeti na bino oyo ekatama; ekobakisama na likolo ya mbeka na bino ya kotumba, na likolo ya makabo na bino ya bambuma, mbeka na bino ya masanga, mbeka na bino ya boyokani mpo na kokokisa ndayi to mpe na likolo ya makabo oyo bopesaka wuta na mokano ya mitema na bino moko. › »
40 Dia nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy.
Moyize ayebisaki bana ya Isalaele makambo nyonso oyo Yawe atindaki ye.

< Nomery 29 >