< Nomery 28 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i ka nanao hoe:
BWANA akanena na Musa akamwambia,
2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin’ ny fotoany avy.
“Waamuru wana wa Isrseli uwaambie, 'Mtanitolea sadaka kwa wakati uliopangwa, chakula cha sadaka yangu kilichotengenezwa kwa moto ili kutoa harufu nzuri kwa ajili yangu.
3 Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin’ ny afo, izay haterinareo ho an’ i Jehovah: zanak’ ondry roa isan’ andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva
Pia uwaambie, 'Hii ni sadaka iliyotengenezwa kwa moto ambayo mtaitoa kwa BWANA- mwanakondoo dume wa mwaka mmoja asiyekuwa na waa, wawili kila siku kuwa sadaka ya kuteketezwa ya kila siku.
4 (ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
Mwanakodoo mmoja atatolewa sadaka asubuhi, na mwingine atatolewa sadaka jioni.
5 ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.
Mtatoa sadaka ya sehemu ya kumi ya efa ya unga mwembamba kuwa sadaka ya unga, uliochanganywa na robo ya hini ya mafuta yaliyokamuliwa.
6 Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Hii ni sadaka ya ya kuteketezwa ya kila siku iliyoamriwa mlima Sinai ili kutoa harufu nzuri, sadaka iliyotengenezwa kwa moto kwa ajili ya BWANA.
7 Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ ny isan-janak’ ondry iray; ao amin’ ny fitoerana masìna no hanidinanao divay ho an’ i Jehovah ho fanatitra aidina.
Pamoja na robo ya hini ya sadaka ya kinywaji kwa mmoja wa hao wanakondoo. Utaimimina mahali patakatifu hiyo sadaka ya kinywaji kwa BWANA.
8 Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Yule mwanakondoo mwingine utamtoa sadaka jioni pamoja na sadaka ya unga kama kama yule wa asubuhi alivyotolewa. Pia utatoa tena sadaka ya kinywaji pamoja naye, sadaka iliyotengenezwa kwa moto ili kutoa harufu nzuri kwa BWANA.
9 Ary amin’ ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak’ ondry roa izay iray taona’ sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.
Katika siku ya Sabato utatoa wanakondoo dume wawili, wa umri wa mwaka mmoja kila mmoja wasiokuwa na dosari, na sehemu ya kumi mbili ya efa ya unga mwembamba kwa sadaka ya unga, uliochanganywa na mafuta, pamoja na sadaka ya kinywaji.
10 Fanatitra dorana amin’ ny isan-tSabata izany, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.
Hii itakuwa sadaka ya kuteketezwa kwa kila siku ya Sabato, kama nyongeza ya ile sadaka ya kila siku pamoja na ile sadaka ya kinywaji.
11 Ary izao no atero amin’ ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Kila mwanzo wa mwezi, mtatoa sadaka za kuteketezwa kwa BWANA. Utatoa sadaka ya fahari wawili wachanga, kondoo dume mmoja, na wanakondoo dume saba wa umri wa mwaka mmoja wasiokuwa na dosari.
12 ary koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ ny isan-ondrilahy iray,
Pia mtatoa sehemu ya kumi tatu ya efa unga mwembamba kuwa sadaka ya unga uliochanganywa na mafuta kwa kila fahari, na sehemu za kumi mbili za unga mwembamba kuwa sadaka ya unga uliochanganywa na mafuta kwa yule kondoo mume mmoja.
13 ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ ny isan-janak’ ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Pia mtatoa sehemu ya kumi ya efa ya unga mwembamba uliochanganywa na mafuta kuwa sadaka ya unga kwa kila mwanakondoo. Hii itakuwa sadaka ya kuteketezwa, ya kutoa harufu nzuri, sadaka iliyotengenezwa kwa moto kwa ajilI ya BWANA.
14 Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary ampahatelon’ ny hina ho amin’ ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin’ ny isan-janak’ ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin’ ny isam-bolana, araka ny volana amin’ ny taona.
Sadaka ya kinywaji ya watu itakuwa nusu ya hini ya divai ya yule fahari, sehemu ya tatu ya hini ya kondoo dume, na robo ya hini ya mwanakondoo. Hii ndiyo itakuwa sadaka ya kuteketezwa ya kila mwezi kwa miezi yote ya mwaka.
15 Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah; ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
Mtatoa beberu mmoja kuwa sadaka ya dhambi kwa BWANA. Hii itakuwa nyongeza kwa ile sadaka ya kila siku pamoja na ile sadaka ya viinywaji.
16 Ary ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany dia Paskan’ i Jehovah.
Katika siku kumi na nne, ya mwezi wa kwanza itakuwa Pasaka ya BWANA.
17 Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.
Katika sku ya kumi na tano ya mwezi huu kutakuwa na sikukuu. Mtakuka mikate isiyo na chachu kwa siku saba.
18 Amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory;
Katika siku ya kwanza kutakuwa na kusanyiko takatifu la kumheshimu BWANA. Katika siku hiyo msifanye kazi zenu za kila siku
19 fa izao no atero ho fanatitra atao amin’ ny afo, dia fanatitra dorana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo).
Hata hivyo, mtatoa sadaka iliyotengenezwa kwa moto, sadaka ya kuteketezwa kwa BWANA. Mtatoa sadaka ya fahari wawili, kondoo dume mmoja, na kondoo dume saba wa umri wa mwaka mmoja wakamilifu.
20 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon’ ny efaha no hiaraka haterinareo amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,
Pamoja na yule fahari, mtatoa sadaka sehemu za tatu efa za unga mwembamba uliochanganywa na mafuta, pamoja na yule kondoo mume sehemu za pili za kumi.
21 ary ampahafolon’ ny efaha no hiaraka haterinao amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry fito),
Kwa kila wale wanakondoo saba, mtatoa sehemu ya kumi ya efa ya unga mwembamba uliochanganywa na mafuta,
22 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.
na beberu mmoja kuwa sdaka ya dhambi ili kufanya upatanisho kwa ajili yenu.
23 Atero ireo ho fanampin’ ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva.
Mtotoa hivi vitu kama sadaka ya nyongeza katika ile sadaka ya kila siku inayotakiwa kila asubuhi.
24 Araka izany no hanateranareo isan’ andro amin’ ny hafitoana, ho hanina ho an’ i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
Kama ilivyofafanuliwa hapa, mtatoa sadaka hizi kila siku, kwa zile siku saba za Pasaka, kile chakula cha sadaka kilichotengenezwa kwa moto kuwa harufu nzuri kwa BWANA. Hiki kitatolewa kuwa sadaka ya nyongeza ya ile sadaka ya kuteketezwa na pamoja na ile sadaka ya vinywaji.
25 Ary amin’ ny andro fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
Siku ya saba mtakuwa na kusanyiko takatifu ili kumheshimu BWANA, na katika siku hiyo msifanye zile kazi zenu zakila siku.
26 Ary amin’ ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an’ i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
Pia katika siku ya malimbuko, mtakapokuwa mnatoa sadaka ya unga mpya katika sikukuu zenu za Majuma, mtakuwa na kusanyiko takatifu la kumheshimu BWANA, na katika siku hiyo msifanye kazi zenu za kila siku.
27 ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak’ ondry fito, izay iray taona avy,
Mtatoa sadaka ya kuteketezwa ili kutoa harufu nzuri kwa BWANA. Mtatoa fahari wawili wachanga, kondoo mume mmoja, na wanakondoo saba waume wa mwaka mmoja.
28 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan’ ondrilahy iray,
Pamoja na hiyo mtatoa sadaka ya unga: unga mwembamba uliochanganywa na mafuta, sehemu tatu za kumi za efa za unga mwembamba uliochanganywa na mafuta kwa kila fahari na sehemu kumi mbili za yule kondoo mume.
29 ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry iray, dia amin’ ny zanak’ ondry fito)
Toeni sehemu ya kumi ya efa ya unga mwembamba uliochanganywa na mafuta kwa kila wale wanakondoo saba,
30 ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.
na beberu mmoja ili kufanya upatanisho kwa ajili yenu.
31 Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.
Mtakapotoa hao wanyama wasio na dosari, pamoja na sadaka zake za vinywaji, hii itakuwa sadaka ya nyongeza katika zile sadaka za kila siku na pamoja na zile sadaka za unga.'”

< Nomery 28 >