< Nomery 27 >

1 Ary avy ny zanakavavin’ i Zelofada, zanakalahin’ i Hefera, zanak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),
Kenaka ana aakazi a Zelofehadi mwana wa Heferi, mwana wa Giliyadi, mwana wa Makiri, mwana wamwamuna wa Manase, a mʼmabanja a Manase, mwana wa Yosefe anabwera. Mayina a ana aakaziwo anali awa: Mala, Nowa, Hogila, Milika ndi Tiriza. Iwo anakayima
2 dia nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:
pa chipata cha tenti ya msonkhano pamaso pa Mose, wansembe Eliezara, atsogoleri ndi anthu onse, ndipo anati,
3 Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan’ ny antokon’ i Kora izay niangona hiodina tamin’ i Jehovah tsy akory; fa matin’ ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
“Abambo athu anafera mʼchipululu koma sanali nawo mʼgulu la anthu otsatira Kora, omwe anasonkhana pamodzi kutsutsana ndi Yehova. Abambo athuwo anafa chifukwa cha tchimo lawo ndipo sanasiye ana aamuna.
4 Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin’ ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin’ ny rahalahin’ ny rainay izahay.
Nʼchifukwa chiyani dzina la abambo athu lasowa pakati pa fuko lawo, kodi popeza analibe mwana wamwamuna? Tipatseni cholowa chathu pakati pa abale a abambo athu.”
5 Ary nalahatr’ i Mosesy teo anatrehan’ i Jehovah ny tenin’ ireo.
Tsono Mose anabweretsa nkhani yawo pamaso pa Yehova
6 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
ndipo Yehova anati kwa iye,
7 Marina ny tenin’ ny zanakavavin’ i Zelofada: omeo zara-tany eo amin’ ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.
“Zimene ana aakazi a Zelofehadi akunena ndi zoona. Uyenera kuwapatsadi cholowa chawo pakati pa abale a abambo awo ndipo uwapatse cholowa cha abambo awowo.
8 Ary lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.
“Uza Aisraeli kuti, ‘Ngati munthu afa wosasiya mwana wamwamuna, muzipereka cholowa chake kwa mwana wake wamkazi.
9 Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.
Ngati alibe mwana wamkazi, muzipereka cholowa chakecho kwa abale ake.
10 Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
Ngati alibe abale muzipereka cholowa chake kwa abale a abambo ake.
11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin’ ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak’ Isiraely izany araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Ngati abambo ake analibe mʼbale, muzipereka cholowa chakecho kwa mnansi wake wa mʼbanja lake kuti chikhale chake. Ili likhale lamulo kwa Aisraeli, monga momwe Yehova analamulira Mose.’”
12 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely.
Kenaka Yehova anati kwa Mose, “Kwera phiri la Abarimu kuti ukaone dziko limene ndalipereka kwa Aisraeli.
13 Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin’ ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an’ i Arona rahalahinao;
Ukakaliona udzamwalira ngati Aaroni mʼbale wako,
14 fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin’ ilay nilan’ ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ ny rano teo imasony. (Izany no ranon’ i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)
chifukwa pamene anthu anawukira ku madzi a Meriba mʼchipululu cha Zini, inu nonse simunamvere lamulo londilemekeza Ine ngati Woyera pamaso pawo.” (Awa anali madzi a ku Meriba ku Kadesi mʼchipululu cha Zini).
15 Ary Mosesy niteny tamin’ i Jehovah hoe:
Mose anati kwa Yehova,
16 Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
“Ngati nʼkotheka Yehova, Mulungu wa mizimu ya anthu onse, sankhani munthu woti ayangʼanire gulu ili kuti
17 ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’ i Jehovah.
alitsogolere potuluka ndi polowa, kuti anthu a Yehova asakhale ngati nkhosa zopanda mʼbusa.”
18 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak’ i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;
Pamenepo Yehova anawuza Mose kuti, “Tenga Yoswa mwana wa Nuni, munthu amene ali ndi mzimu wa utsogoleri, ndipo umusanjike dzanja lako.
19 ary asaovy mijoro eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.
Umuyimiritse pamaso pa wansembe Eliezara ndi pamaso pa gulu lonse ndipo umupatse mphamvu zolamulira, anthuwo akuona.
20 Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra azy.
Umupatse gawo lina la ulemerero wako kuti Aisraeli onse azimumvera.
21 Ary Josoa hijanona eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ ny fitsaran’ i Orima eo anatrehan’ i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
Ayime pamaso pa wansembe Eliezara, amene adzamudziwitse zimene Yehova akufuna pogwiritsa ntchito Urimu. Iye akalamula, Aisraeli onse azituluka ndipo akalamulanso, Aisraeliwo azibwereranso.”
22 Ary nataon’ i Mosesy araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy; dia naka an’ i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra
Mose anachita monga Yehova anamulamulira. Anatenga Yoswa ndi kumuyimiritsa pamaso pa Eliezara wansembe ndi pamaso pa gulu lonse.
23 ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
Ndipo anamusanjika manja ndi kumupatsa mphamvu, monga Yehova ananenera kudzera mwa Mose.

< Nomery 27 >